Tapatapak'ahitra

poeta_malagasy Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

  Toetra RAJA       
  poetawebs@gmail.com

ikopa

 
poeta mifandray poeta malagasy mifandray tahirintsoa, poeta mpiray Faribolana
           
   

RIMA
RIMA no anarana diampeniny fa Tsilavo Herimanjaka kosa no ahalalan'ny maro azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra izy. Nanoratra ny boky "NOFY-TIAKO"
   
   

NIVOHANTA
Randrianarisoa-Rasendra Nivohanta Irène, na Nivohanta araka ny ahalalana azy eo amin'ny penina, dia mpandika tononkalo sy poeta amin'ny teny vahiny. Mpikabary sy mpiangaly sary hosodoko ihany koa izy ary mpikambana ao amin'ny HAVATSA sy FIMPIMA sampana Frantsa.
   
   

ANDAMIOLY
Andrianaivomanjato Miora Lala, fantatra amin'ny solonanarana ANDAMIOLY, dia Poeta mpikamban'ny HAVATSA UPEM - sampana Frantsa. Manandratra avo ny poezia malagasy izy any amin'ny fikambanana vitsivitsy misy azy toy ny RNS, Radio TOKO3 sns.
   
   

TAHIRINTSOA
Tafaresaka mivantana tamin'i TAHIRINTSOA tamin'ny antso am-"Pasiboky" i Toetra RAJA mahakasika ny seho nokarakarain'ny OMDA tamin'ny 04 Novambra 2012, nampitondraina  ny lohateny hoe "RAHAMPITSO RAHA TIANAO... AMBOARA TONONKALO AN-KIRA".
   
   
 

Ny Ony HARINTSOA
Ny Ony HARINTSOA, na Randriarimalala Mihajanirina Onisoa araka ny hita ao amin'ny sorapiankohonany, dia poeta vao misondrotra kanefa manana fahamatorana eo amin'ny fomba fanoratra. Anisan'ireo tanora sarotiny amin'ny tsipelinteny izy araka ny tsapa ao amin'ny sanganasany. Mifanerasera amin'ny poetan'izao vaninandro izao izy, indrindra fa amin'ireo mpiray faribolana aminy ao amin'ny Sandratra. Miboiboika aoka izany ny aingam-panahiny...
  havatsasandratra
   

RIANTSOA
Riantsoa dia poeta tanora kanefa afaka miandrandra sahady ho avy mamirapiratra eo amin'ny asasoratra. Hainy ny mandray ny hafatr'ireo zokiny ary tsy ataony ambanin-javatra koa ny famoronana ny angaliny, ilay angaly maha-izy azy. Mifampitakisina amin'ny poeta maro - zokiny sy zandriny - izy ka izany angamba no nampivoatra malaky ny traikefany.
   
   

NY HARIAINA
NY HARIAINA dia poeta Malagasy mivelatra eto anivon'ny aterineto. Tsy araka ny fahatanorany ny fisongadinan'ny kanto ao amin'ny diam-peniny. Na dia teny vahiny aza no ampiasainy amin'ny andavanandrony any Alemaina, firenena ipetrahany ankehitriny, dia tsy ataony vato misakana izany itrandrahany ny hasoan'ny haisoratra malagasy. Nanaitra ny Poetawebs ny hamaroan'ireo namany mpankasitraka ny tononkalony ao amin'ny Facebook ary tsy vitsy amin'izy ireo no poeta fantatra.
   
   

Ny Kanto
Poeta malagasy niorim-ponenana any Frantsa kanefa dia mavitrika tokoa amin'ny fanandratana avo ny Teny malagasy. Anisan'ireo vy nahitana ny fananganana ny sampan'ny Havatsa Upem any Frantsa.
   
    Tiavina
Poeta mpiray faribolana ao amin'ny Sandratra nanomboka tamin'ny 2001 ary mavitrika tokoa amin'ny fandraisana anjara ao (sehatra, famoahana boky sns). Mpanoratra tantara fandefa an'Onjampeo.
  "Tsy ianarana ny manoratra tononkalo fa talenta azo kolokoloina"
[Niry Solosoa]


"Ny talenta efa ao anaty ary ny aingam-panahy tsy mamela ahy hampatory azy"
[Thina Andriafaly]

"Ny fiaraha-monina no mpanaitra matory ny aingam-panahy teo amiko"
[Tiavina]

"... tahaka ny asan'ny mpitandrina, ny asa fanabeazana,
dia antso ihany ny maha poeta..."
[Rado Ramaherison]

"...tsy izao tontolo izao no feheziko
 fa izaho sy ny tsanganasako ihany.."

[Hajaina] 

"Misy hery tsy hay lazaina manery sy manosika fotsiny izao handray penina sy taratasy" 
[Antsiva]

"
Eny ho'aho Ramalagasy, Malagasy be fivoarana..." 
[Randza Zanamihoatra]

"... ny fiainana no mpampianatra ary ny fiarahamonina no anjerimanontoloko" 
[Niry Solosoa]

"Haisoratra, rakitry ny lasa,  faoitry ny ho avy" 
[Faribolana Sandratra]

"Mahafantatra ny lalana tiako omban'ny kantoko aho" 
[Hobiana]

"Te handre hira aho, Amin-gadona sy paika"
[...]
[Narivelo Rajaonarimanana]

Ny saina va re no minia mitanisa
Ny rima sy gadon'ireo fidolana [...]
[Pissoa]

"Tiako ianao ry teniko
ary haiko fa tsy ho neniko
ny milaza izany
ho ren'ny eran-tany"
[Raozigasy]

"Teny malagasy :
teny ibeazako,
teny ahombiazako"
[Akademia - 2008] : Taonan'ny teny

"Mamiko ny tenin-drazana
Ka sady amoronako hira
No itoriako Fitiavana"
[Bana Rahalahy]

"Mirakitra ny ahiko
an-taratasy
ny teny malagasy"
[Andamioly]

"Andrianiko ny teniko
Ny an'ny hafa koa feheziko"
[Di]

"Izaho hono tsy mikalo ny fikalon'ny rehetra..." (Izaho hono)
[F.-X. Mahah]

"Raha tsy teo ianao, ry teniko
dia tsy nahasoratra ny peniko"
[Fredy Jaofera]

"Ny hira kanto indrindra
naharitra hatr'izao
Moa... tsy Poezian'ireo Poetanao ???"
[Hajanolalaina]

"
Areniko
Ny tany
Amin'ny teniko
Tsy ambany"
[Toetra Raja]

"Ny teny no mirakitra ny maha izy azy ny firenena iray"
[Ratrema Wiliam]
    Odile Razafimandimby
Poeta manoratra amin'ny teny frantsay, malagasy ary anglisy. Mampiasa voambolana tranainy ary mamolaka ny hainteny malagasy.
Mpanao sary hosodoko.
 
    Malalatiana-Hasina
Poeta miavaka amin'ny halalin'ny votoatin-tsoratra. Manoratra amin'ny tenim-pirenena maro izy ary mandika sanganasa.
Tsy ny an'ny poeta maro ihany fa ny azy ihany koa. Sady mpikanto sary izy no mpanosodoko ihany koa ary ampiasainy amin'ny amboaran-
tononkalony izany.
 
   
Haingo
Poeta sy mpanoratra ary mpamoron-kira. Namoaka ny boky "ILO" tamin'ny 1993, izay tafiditra amin'ny fandaharam-pianarana eny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo.
Mpihira malaza no mihira ny hira na tononkalo noforoniny toa an'i Bessa sy Lola, Bodo sns.
 
    Rado Ramaherison
Poeta sy mpikabary. Nanomboka nanoratra hatramin'ny 1994. Voaray ho anisan'ireo mpiraifaribolan'ny Sandratra tamin'ny taona 2000.

"... antso ny maha poeta na mpanoratra ny olombelona iray".
 
    Bana Rahalahy
Mpanakanto feno i Bana Rahalahy satria ankoatra ny maha poeta azy dia mpanoratra sombin-tantara, mpamoron-kira, mpihira, mpitendry zavamaneno izy.
 
    Niry-Solosoa
Poeta, mpanoratra sombin-tantara, mpikabary, mpanao gazety.
"ny fiainana no mpampianatra ary ny fiaraha-monina no anjerimanontoloko"
"tsy te ho malaza aho fa te ho kalaza !"
 
    Lalasoa Berïnson
Lalasoa Berïnson dia mpampianatra eo amin'ny fiainana andavanandro. Fantatra koa anefa ny maha poeta aza ary miely eto anivon'ny serasera ny asa sorany. Vao namoaka boky koa izy izay nampitondrainy ny lohanteny hoe "Anakampoko"
 
    Antsiva
Anisan'ireo zokiny eo amin'ny poezia malagasy satria nanomboka nanoratra tamin'ny taom-polo 70. Mpitandrina ary mpampianatra teny malagasy koa izy ary manana mari-pahaizana maro amin'ny haisoratra malagasy azony tany amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo sy Parisy.
 
    Babity Laurent
Andrarezin’ny haisoratra malagasy any amin’ny faritra atsinanana i BABITY Laurent izay sady mpanoratra, poeta, mpampianatra teny malagasy no mpanentana fandaharana literera ao amin’ny RNM Toamasina koa.Izy no nanangana sady filoha amperinasan'ny Havatsa Upem sampana Toamasina. Manangona ny fomba amam-panao betsimisaraka izy ary mahafolaka tsara ny fiteny malagasy ofisialy sy betsimisaraka.
 


 

  Andrianambinina Georges
Poeta, mpamorona tantara sy sombin-tantara ary mpamoron-kira. "Amiko ny atao hoe poety dia olona mahay milalao ny teny mba entina ampitana hevitra tiana ambara nefa miady rima na tsy miady rima. Mpaminany ihany koa ary tena olona hafa mihitsy tokony mpifandray amin'ilay Nahary".
 
  Hobiana
na Razanajatovo Andrianimerina Hobiana dia poeta efa nahazo lokam-pifaninanana maro. "...mahafantatra ny lalana tiako omban’ny kantoko aho...". "Mandray anjara tsindraindray amin’ny fifaninanana aho satria toy ny tondrofana izy ireny ka manondro ny hafanana misy anao miohatra amin’ny hafa".
 
  Mahefa
MAHEFA dia anisan'ireo poeta tanora kanefa azo lazaina fa nanonga malaky satria tsy nitsahatra ny nahazo laka teo anivon'ny hetahetan'ny mpanjifa haikanto hatramin'ny fiandohan'ny taona 2000. Nisalotra lokam-pifaninanana maro izy, na ireo niarahany tamin'ireo Mpiray Faribolana aminy izany, na ireo namindràny samirery.
 
  Razafiarivony Razafiarivony Wilson
Filohan'ny fikambanana HAVATSA UPEM. Poety, mpanoratra, mpamorona tantara tsangana sy fandefa amin'ny onjam-peo. "Ny tarigetran'ny fikambanana HAVATSA UPEM dia ny hiaro, hanabe voa ary hanitatra sy hampiely ny kolontsaina malagasy indrindra ny teny".
 
  raozigasy Raozigasy
Solon'anarana nofinidin'i HAJA LALAINA entiny hamoahana sy hizarana ireo vetsovetsony... fa hoy indrindra izy : "Raozigasy sy ny Tononkalo Malagasy dia lamban'akoho ka aina no fetra". Raozigasy dia anisan'ireo mpandrindra ny tranonkala "vetso.serasera.org" sy ny Radio Vazo Gasy.
 
  Hajaina, filoha mpanampin'ny HAVATSA UPEM Hajaina
Mpamorona tononkalo, sombintantara, tantara fihaino, tantara tsangana ary mpikabary. Filoha mpanampy amperin'asa ao amin'ny HAVATSA UPEM. "Miaraha, miombona hevitra amin'ny poeta".
 
  Malalason Malalason  
RAKOTOMALALASON Jean Olivier no tena anarany. Manoratra tononkalo, tantara, tononkira, angano. Filohan'ny tarika BITAKA. Mpiray FARIBOLANA SANDRATRA.
 
  niravo Niravo
Poeta sady olon'ny sehatra satria mavitrika amin'ny fiantsana tononkalo an-tsehatra sady namorona ihany koa ny tropy teatraly RANDRANA. Namoaka boky maro niaraka tamin'ireo Mpiray FARIBOLANA aminy.
 
  Manatsiala, poetan'ny Sandratra sady mpikabary Manatsiala
na RANAIVOSON Manatsiala Jean Luc dia Mpiray FARIBOLANA SANDRATRA. Mpikabary ary tsy mikely soroka amin'ny fiarovana ny teny gasy mangarahara.
 
  Zo-Maminirina, poeta sady Mpanao gazety (Taratra) Zo-Maminirina
na RANDRIANINDRINA Sandiarivony Zoelson dia poeta ao amin'ny FARIBOLANA SANDRATRA. Nanomboka nanoratra tamin'ny 1987.  Mpanao gazety ao amin'ny TARATRA MADA.
 
  tahirintsoa Tahirintsoa
Poetan'ny FARIBOLANA SANDRATRA. Niandraikitra ny fandaharana "ANTSIVA TAKARIVA" tao amn'ny radio ANTSIVA. Namoaka boky maro toy ny "FOTOANA MIHANTONA" niarahany tamin'i Solofo José sy Avelo-Nidor.
 
  Thina_Havatsa Thina Andriafaly
na RAFALIMANANA Jeannie Berthina, dia poetan'ny HAVATSA UPEM (Mpitahiry vola mpanampy). Nanomboka nanoratra tamin'ny 1974 ary nahazo lokam-pifaninanana maro nisesisesy nanomboka tamin'ny 1998.
 
  pissoa Pissoa
na RAMANANTOANINA Mihaja dia poeta zandriny efa diso fantatry ny maro ao amin'ny takelaka VETSO SERASERA. Manamarika ny tononkalony ny fifandanjan'ny sarin-teny amin'ny karazan-doko voarindra. Manam-pikasana ny hirotsaka ao anatin'ny fikambanan'ny poety.
 
  dadarabe DadaRabe
"Poety Nety", mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM. ANDRIAMANITRA - TANINDRAZANA - FIANAKAVIANA " no devizy vohiziny. "Ny anjara toeran'ny poeta dia ny miventy an-tononkalo izay saintsainin'ny olona any an'eritreriny mangina ary koa ireo lazainy am-bava mitonona". Mpampianatra Mpitsabo.
   
  ny eja Ny Eja
na SOLONOMENJANAHARY RANIVOARISOA Eugénie Monique, dia mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM. Olon'ny sehatra ary namoaka boky vitsivitsy. Anisan'ireo poeta malagasy ankehitriny mivelatra ao amin'ny tontolo lehiben'ny haisoratra sy zava-kanto amin'ny alalan'ny fifampizarana traikefa.
   
  fredy jaofera Fredy Jaofera
na RAKOTOMALALA Eric dia poeta mpikambana ao amin'ny HAVATSA UPEM (Filoha lefitry ny sampana Frantsa). Nanomboka nanoratra tamin'ny 1974 ary efa namoaka boky ampolony. Manana toerana lehibe eo amin'ny fiaraha-monina ny poety araka ny filazany : "amiko dia mpitarika ny poety".
   
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021