Créer un site internet

Fredy Rajaofera, 122 taona

Fandalinana poeta

Fredy Rajaofera -122-taona
Toetra Ràja - 24/03/2024

FREDY RAJAOFERA 122 TAONA

FREDY RAJAOFERA, 22/03/1902 - 22/03/2024. Mitsingerina ny faha-122 taonan'ny poeta Fredy Rajaofera izay mpanoratra tantara tsangana koa ary fantatra amin'ny maha mpanao gazety sy akademisianina azy. Izy no nitantana ny gazety "Le Courrier de Madagascar" ary maro amin'ireo taranany no misahana ny asa fanaovan-gazety ankehitriny. Raha tombanana dia lehilahy mirijarija sy ranjanana izy, tsy ilaozana palitao, anisan'ireny Malagasy mitraka ireny. Tsy maro ny poeta malagasy toa izany izay azo aninganana an-dry Joseph Andrianaivoravelona sy Lolo Rajohns ihany koa.

Poetan'ny alahelo anefa i Fredy Rajaofera, tsy afaka eo imolotry ny Malagasy ny andinin-tononkalony ary voarakitra ho an'ny taranaka mifandimby. Anisan'ny famelomamaso ny anarany ny itondran'ny lalana iray eny Faravohitra, an-tampon-tanànan'Antananarivo, ny anarany, fa teny mantsy izy no nanorom-ponenana, raha ny marimarina kokoa dia ao amin'ny foiben'ny OMDA ankehitriny.

Nandrafetan'ny Poetawebs sorapiainana izy tamin'ny 2019 ato amin'ity rohy ity:

http://poetawebs.e-monsite.com/pages/sorapiainana/fredy-rajaofera.html


Date de dernière mise à jour : 24/03/2024

×