Ry
fahafatesana Mpanoratra : Samuel Ratany Loharano : Lahatsoratra voafantina, tak. 153 Nanadihady : Faniry Ezeckiel |
||
Samuel Ratany |
Faniry Ezeckiel |
Foto-kevitra
niraisan'ireo razantsika ny maha lahy tokana ny aina, hany ka atambo sy
loza manindrona azy ireo indrindra ny fisarahan'ny aina amin'ny vatana
na ny fahafatesana hoy isika. Miompana amin'io indrindra ity tononkalo
nosoratan'i Samuel Ratany mitondra ny lohateny hoe "RY FAHAFATESANA"
ity izay manasongadina ny toetry ny fahafatesana. Rehefa tomorina ity
asa soratra ity dia tsikaritra voalohany fa mafaitra loatra ny
fahafatesana ary fantatra koa fa tsy mifidy izay halaina izy. |
RY
FAHAFATESANA Ry fahafatesana ratsy filàna Tsy mena-mijery ny fo mitoreo, Valio hoe ny fanontaniako mazàna : Mba inona kosa no karamanareo? Tsy hita izay voa nambolena dia efa Nijoro ho tompon'ny fandaharana; Tsy manana masonkarena, kanefa Dia vonon-kijinja ny tsy nisasarana. Samuel Ratany |
*
Mafaitra loatra ny fahafatesana ho antsika Malagasy. Na
inona olana nisy na inona tsy fifanarahana dia tsy miady amam-paty ny
Malagasy satria mafy loatra izany fisarahana aman'aina izany ary
henatra sy fahafaham-baraka eo amin'ny fiarahamonina ny hoe: "Tsy
mifandevi-maty". Izany rehetra izany no midika fa sedra mafy loatra ary
sarotra lanjaina ny fahafatesana ka mifankahery sisa no azo atao ho
fanamaivanana alahelo sy ho mariky ny fihavanana tsy tontan'ny ela. Eo
am-panombohana ny tononkalony i Samuel Ratany na i Tanicus dia milaza
hoe: "Ry
fahafatesana ratsy filàna". Manamafy fa sady ratsy no mampijaly
ny olombelona tokoa ny fahafatesana.* * Tsy izay ihany no ilazana fa mafaitra ny fahafatesana. Tsy mitsetra ary tsy misy hery mangoraka ao anatiny. Na tahaka ny inona ny tomany na tahaka ny inona fijojon'ny ranomaso, izay lasa tsy miverina intsony, izay azo tsy mivotsotra intsony fa dia any amin'ny tontolon'ny "maty iray fasana" no mivalampatra. "Ny ranomaso tsy mahatana aina" hoy Ntaolo ary izany indrindra tokoa satria zovy no tsy higogogogo rehefa tojo ny kihon-dalam-pifandaozana amin'ilay akaikin'ny fo kanefa firy no mba tafaverina na dia natosaka taminy avokoa aza ny vongan-dranomaso? "Tsy mena-mijery ny fo mitoreo" hoy ny andalana faharoa anatin'ity sanganasa ity izany hoe tsy miantra ny fahafatesana. Manaitra sy mahatalanjona ery ny pôezia anazavan'ny aingam-panahin'ny pôeta fa mangidy tsy telina ny fahafatesana: "Ry fahafatesana
ratsy filana
Tsy mena-mijery ny fo mitoreo Valio hoe ny fanontaniako mazàna Mba inona kosa no karamanareo?" Angamba ireo efa lasan-ko razana no mahalala izay karamany fa andeha hofakafakaina manaraka fa tsy mifidy olombelona halaina ny fahafatesana. *
Tsy mifidy ny fahafatesana. Lamina efa voasoratra izy ka tsy maintsy lalovana, lahatra hoy isika Malagasy. Toy ny manana aina rehetra ny olombelona: teraka, mitombo ary maty. Misy aza tsy teraka akory dia efa maty any an-kibo, misy tsy mitombo dia efa lasan-ko vovoka. Tsy azo ialana, tsy azo andosirana izy na toy ny inona tanjaka na toy ny inona hery fa tahaka ny tadio lohataona mipaoka izay tandrifiny. "Nijoro ho tompon'ny fandaharana" hoy ny sarin-tenin'ny mpanoratra izay mampiseho fa tsy azo ihodivirana ny fahafatesana. Amin'ny maha tsy mifidy ny fahafatesana dia tsy mifantina izy na zaza na ankizy na tanora na antitra fa izay tandrifiny dia tsy hamindrany fo. Tsy misy ampahalalany ny fotoana hahatongavany koa, eny fa na dia segaondra farany hikimpian'ny maso aza. Toy ny tsy fahafantaran'ny fambolena eny an-tsaha ny handalovan'ny mpamboly azy no tsy hahafantaran'ny tsirairay ny fandalovan'ny fahafatesana sy hakany ny olombelona. "Vonon-kijinja ny tsy nisasarany" hoy ny voalazan'ny andinin-tsoratra farany amin'ity tononkalo ity izay mahalasa vinany ny mpamaky tokoa ny fanakarana ny hevitra mafonjany. Araka izany dia maka tsy miera tokoa ny fahafatesana. Henjana sady mahavalalanina ny aingam-panahy lalina nanoharan'i Samuel Ratany fa tsy mifidy hoentina any ambany rangolahy ny fahafatesana. Hoy indrindra ny sora-kantony: "Tsy hita izay voa
nambolena dia efa
Nijoro ho tompon'ny fandaharana Tsy manana mason-karena kanefa Dia vonon-kijinja ny tsy nisasarana." Zovy no manam-panahy tsy hihetsi-po amin'ny fahaizany miresaka ny herin'ny fahafatesana? *
* * Eto am-pamaranana dia iaraha-mahita fa mampitolagaga tokoa ny fahafehezan'ity pôetan'ny vanim-potoanan'ny fiforetana anaty ity ny tara-kevitry ny fahafatesana. Na dia mbola tanora tokoa aza ny lehilahy tamin'izany dia tsy mena-mitaha tamin'ireo mpanoratra niara-nihira taminy toa an-dry Harioley, Rodlish, Bolespara sy ny maro hafa ny kanto novoiziny ary ampy hilazana ny maha mpanakanto feno azy ny fahatetezan'ny vanim-potoana ny anarany sy ny asa sorany. Fohy nefa mahalaza hevitra feno sy mirindra ity tononkalony novoaboasana teto ity. Na mety hamoha ny fotaka efa mandry aza ny mandreny azy dia manabe ny mpamaky hahay hitondra tena sy hitandro ny hatsaram-panahy indrindra itony sora-kanto mampahatsiahy ny fiafarana itony ka moa ve tsy hamoha ny eritreritr'ireo efa renoky ny rotorotom-piainana tsy mahalala afa-tsy ny anio? FANIRY EZECKIEL Loharano Rajaobelina P., 1958. "Lahatsoratra voafantina". Trano Printy Loterana. Antananarivo, oktobra 1958 |
Mpandrindra takelaka
Toetra Ràja
©
poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 27/02/2020