Tapatapakahitra nifanaovan'i Toetra Ràja tamin'i Zo-Maminirina
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
20 Aogositra 2021
Tsy hodinganina ny maty
Tsy zoviana amin'ny maro intsony ny Faribolana Sandratra fa saika rakotra ireo mpikambany ny tanàna maro manerana ny Nosy. Zary lasa mpitarika sy fakan-tahaka ho an'ny fikambanana maro izy ary ny mahavariana dia ny fahaizan-dry zareo mifandamina ka mahatomombana hatrany ny fihaonany ary mahamarim-pototra ny fijoroany. Hiatrika fihaonambe nasionaly any Vatomandry ry zareo ny 20, 21, 22 aogositra 2021. I Zo-Maminirina, anisan'ny mpandrindra, no mamaly ny fanontanian'i Toetra Ràja ny omalin'ny fiaingana.

Toetra Ràja
Miarahaba anao Zo-Maminirina tratra alina ary miala tsiny manelingelina amin'izao fisomebisebena noho izao fiomanana izao. Efa fanaonareo ve izao fihaonambe nasionaly izao?

Zo-Maminirina
Miarahaba anao Toetra Ràja miombom-panahy aminay amin'izao fotoana izao. Isaky ny roa taona ny zaikabe ka ity no fahadimy. Teny Ampitatafika, fonenan'i Ranöe, ny voalohany (2011). Tany Toamasina ny faharoa (2015). Nony avy eo tany Tsiroanomandidy (2017) sy Fianarantsoa (2019).

Toetra Ràja
Araka izay fiantsoana ny hetsika izay dia ho maro izany ireo sampana hanatrika any Vatomandry?

Zo-Maminirina
Nandefa solontena avokoa ireo sampana rehetra manerana ny Nosy.

Toetra Ràja
Inona marina moa no tanjona amin'izao zaikabe izao?

Zo-Maminirina
Natao ny zaikabe mba handaminana sy handrindrana ireo sahan'asa marolafy iantsorohan'ny faribolana eo amin'ny sehatry ny haisoratra malagasy sy ny fanomezan-kasina ny zavakanto vita amin'ny teny rehetra. Voatery natao zaikabe ny fihaonana, noho ny fivelaran'ny faribolana, raha vitan'ny fivoriambe tsotra izany taloha.

Toetra Ràja
Araka izany dia mety hisy fampianarana izany any Vatomandry?

Zo-Maminirina
Fifandranitan-tsaina sy fifandranitam-panahy eo amin'izany sehatry ny kanto izany hatrany no atao mba ho haisoratra velo-maharitra mahadingana vanimpotoana maro no apetraka holovain-taranaka fa tsy vonjintavanandro sy teren-ko masaka mamalifaly vetivety.

Toetra Ràja
Efa natsidika teny am-piandohana ny fahaizan'ny mpiraifaribolana Sandratra mandamina sy mifandamina. Tafiditra ao anatin'ny tanisa dinika ve izay modelim-piarahamonina iavahany izay?

Zo-Maminirina
Eo tokoa, ny fandaminana na fanitsiana ny fitantanana na fandrindrana mba hifanaraka amin'ny didy aman-dalàna sy ny takin'ny vanim-potoana.

Toetra Ràja
Mpitarika ny mpiraifaribolana Sandratra eo amin'ny resaka sehatra ary fakan-tahaka mihitsy aza raha tsy hiresaka afa tsy ny antsa fanao isaky ny alarobia isika. Fotoana koa ve ity zaikabe ity ho fanatsarana ny haisehatra?

Zo-Maminirina
Tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoana tokoa ny famoronana endri-tseho sy endriky ny lafika (na fantsona) hamahoana ny haisoratra hipaka any amin'ny valalabemandry, na inona olana sy sakana eo amin'ny famoaham-boky eto an-toerana na eran-tany.

Toetra Ràja
Misy lohahevitra manokana àry ve ivoizanareo an'ity andiany fahefatra ity?

Zo-Maminirina
Tsy misy lohahevitra manokana na lehibe toy ny fanao amin'ny fanamarihana tsingerintaona akory. Ny azo ambara angamba dia hanohy sy hanitatra kokoa ny arofanina (fa tsy sivana) eo amin'ny ambara ho zavakanto hanabe ny olom-pirenena hatrany ny Faribolana Sandratra. Na tiana na tsy tiana mantsy, hanabe vahoaka sy fiarahamonina foana ny zavakanto na inona endrika isehoany (hira, kalo, haisoratra sy literatiora, kabary, sary, sns...). Fantsona lehibe iray mivoy rian-kevitra sy fomba fisaina na fihevitra mankany amin'ny mpiara-belona mantsy ny zavakanto. Ary lasitra mamolavola ny fiaina sy ny fisainan'ny mpiara-monina ka ilana fitandremana mba tsy hitondra mankamin'ny lalan-diso sy hampivaona ny olombelona hiala amin'ny soatoavina maha olona aloha, izay vao maha malagasy, mba tsy ho ratsitoavina no iaraha-miaina.

Toetra Ràja
Mazava ny hafatra Zo-Maminirina! Misaotra sy mankasitraka ary mirary fahombiazana hatrany! Soava dia!

Zo-Maminirina
Misaotra anao Toetra Ràja!

Tsy hodinganina ny maty Tsy hodinganina ny maty
Telo tamin'ireo sampan'ny Antsirabe tonga tao Vatomandry (1 ora maraina)
Zo-Maminirina efa ao Vatomandry
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 20/08/2021

×