EMBOK'AMBONDROMBE
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
19 Jona 2022
Lahatsoratra : Pôetawebs
EMBOK'AMBONDROMBE

T
sy diso anjara amin'ny fanehoana ny Iray volan'ny teny Malagasy sy ny fetim-pirenena ny Faribolana Sandratra Betafo. Hotanterahina ny alahady 26 Jona 2022 amin'ny iray ora sy sasany ao amin'ny Alliance Française Antsirabe mantsy ny hetsika fanehoana izany any an-toerana amin'ny alalan'ny seho nampitondraina ny lohateny hoe ANTSA HO AN'NY FIRENEKO.

Hanamarika io fotoana io ny hamoahana ny boky EMBOK'AMBONDROMBE, avy amin'ny Faribolana Sandratra Betafo, hahitana ny aingam-panahin'ireo pôeta fito mirahalahy: Ranoe, Lamz, Ny Ambato, Faniry Ezeckiel, Fo Mitahiry Fitia, Ny Avo Elabakaka  ary Ni Avatsa. Boky misy takila 83 ary mirakitra asasoratra valopolo moa ity teraka ity. Marihina fa Ny Iraka Rambolamanana no nanolotra ity tsangambato voalohany ho an-dry zareo ity, izay vao nijoro ny 30 Martsa 2022 lasa teo. Tara-kevitra maro loko, mivelatra amina sehatra maro no tazana ao, mifono anaty tononkalo sy riankalo.

Tiana ny mampahatsiahy fa hisy antsa tononkalo sy fifaninanana tononkalo mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana amin'io fotoana io. Hofaranana amin'ny AFONANGATRA, fiarahana miala hetaheta eo am-pamindroana ravahana antsa tononkalo, hariva mandra-maraina ny fotoana.
 
Tsindriana manokana moa fa eo ambany fiahian'ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ity hetsika ity. Araka izany dia famoaham-boky sy seho an-tsehatra no hanomezan-danja ny iray volan'ny teny Malagasy sy ny fetim-pirenena ho an'ny Faribolana Sandratra Betafo.

Pôetawebs







© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 19/06/2022