TENY AMIN'NY ANTSHOW
Mpikanto sady mpamorona fanta-daza 3 no nifamotoana teny amin'ny Antshow tamin'ny 21 mey 2009. Tsy iza izany fa Ny Eja (poeta), Radany na Daniel Ramaroson (mpitendry marovany) ary Stan Niry (mpitendry gitara). Ny zoma tolakandro (22 mey) dia nifanakalo hevitra tamin'ny vahoaka izy ireo. Nisy koa moa ny famelabelaran-kevitra nentin'ny vahiny nasaina tao anatin'ny lohahevitra "famoronana entina mivelona". Tamin'ny alin'ny asabotsy 23 mey kosa no notanterahana ny fampisehoan'izy telo mianadahy ny vokatry ny fiaraha-miasa ary natrehin'ny ambasadaoron'i Suisse.
Ampahatsiahivina fa ivon-toeran'ny kolo ao Antananarivo ny ANTSHOW izay najoron'i Hanitrarivo Rasoanaivo (TARIKA) tamin'ny 2002 entina hanandratana ny kanto sy mpanakanto malagasy. Fitaovana lehibe manara-penitra no eo ampelatanan'ny mpanakanto malagasy, ranomasim-be Indiana sy izao tontolo izao hahafahan'izy ireo mifanakalo hevitra, mamorona kanto miaraka ary mampiseho izany amin'ny vahoaka. Ity ivotoerana ity dia ahitana efitrano fampisehoana, fanaovana famerenana, fivoriana sy fitafana amin'ny mpanao gazety, fandraisam-peo, fatoriana sy fisakafoana ho an'ny avy lavitra, filalaovana sns. Raha te hahafantatra misimisy kokoa ny Antshow ianao dia midira eto.
Tatitra : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com
|