- Mpisehatra mavitrika any amin’ny tambajotran-tserasera koa izy,
namorona ny vondrona ANAO NY SEHATRA ao amin’ny Facebook sy ny GASY TIA
MANJONO.
- Namela an-dRabakomalala N. Nelson Clotilde ho mananontena izy ary
namela kamboty telo mianadahy dia ANDRIAMALALA Rinaud Nelson mivady,
ANDRIANJAKA Nancy ary ANDRIANJAKA Tiffany. Roa ny zafikeliny.
Sarotra amin’ireo nifampizara ny manta ny masaka taminy ny hanadino ny
soa niarahan’izy ireo. Nambaran’izy ireo fa “maty namela mamy” ity
pôeta ity. Eo am-pikasana hamoaka boky izy izao nindaosin’ny
fahafatesana izao ary efa nilaza ny hanohana azy amin’izany ny UNESCO.
Indro misy andalan-tononkalo notsongaina avy amin’ny asa sorany “Atero
fotsiny aho” hoenti-mahatsiaro azy farany.
(…)
“Tsy fantatro na vitako
ny anjara izay
voatendry sy sahaza ny aiko
fa efa mba noefaiko
izay takatry ny saiko
sy vokatry ny dinitro
ka raha misy hadino
aoka lahy tsy ho tsiniko.
Ary rehefa tonga ny tsy
azo ivalozana
tsy maintsy hamaranako
ny fara asa tanako
satria aho efa lanaka
ka toro sy torovana,
dia atero fotsiny aho
fa aza alahelovana.”
Dafy Noely Mpanoratsora-poana 08/05/2017
Ny 11 janoary 2021 izao no kasaina hatao ny fandevenana azy, hiala ao
an-tranony eny Antanetibe Ilafy ny nofony ary hoentina eny
Ambohipihaonana.
Izahay Pôetawebs dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviana
manontolo.
Heriarilala Andriamamonjy
|