Dia
hanoratra aho Mpanoratra : Dodwi Rajaofetra Loharano : Sandratr'antsa, tak 88 Nanadihady : Tsikimilamina Rakotomavo |
||
Dodwi Rajaofetra |
Tsikimilamina Rakotomavo |
Azo
antoka fa mandrafitra voalohany ny tontolon'ny literatiora ny
mpanoratra. Izany indrindra no ambaran'i Dodwi Rajaofetra ao amin'ny
tononkalony izay nampitondrainy ny lohateny hoe : "Dia hanoratra aho"
ary notsoahina tao amin'ny boky Sandratr'antsa tak 88. Nisongadina
tamin'izany fa manana ny maha izy azy eo amin'ny sehatry ny literatiora
ny mpanoratra. Hamahavahana izany akaiky dia hojerena mialoha ny
andraikitry ny mpanoratra. Hodinihina manaraka izany ny zava-kendreny.
Ezahina hohadihadiana etsy ambany ireo fizarana roa ireo. Eto am-panombohana ny famelabelarana àry dia andeha havoitra ny andraikitry ny mpanoratra. Ny fanehoany ny zava-nitranga marina no tena mampiavaka azy. Tsy hainy mihitsy ny manafina na mamono ireny toe-java-misy ireny fa ny manambara izany hatrany no mahadiavolana ny sainy. Hoy ny andalana 1, 2, 3 : "Hanoratra
aho sakaiza
hanoratra ny misy ny tsapa sy ny re" Ankoatra izany dia maneho ny asa soratra izay milaza toe-javatra mampatahotra ny mpanoratra. Izany moa dia ahatarafana fa misy endri-piainana izay mandiso fanantenana, ambaran'ny mpanoratra. Hoy indrindra i Dodwi Rajaofetra : "Handrindra
tononkalon'
ity fiainana mpamitaka" |
Dia hanoratra aho Hanoratra aho sakaiza Hanoratra ny misy Ny tsapa sy ny re Hampisy koa ny tsisy Mba ho vakian'ise Hanoratra aho sakaiza Hanoratra tantara Mampangitakitaka Handrindra tononkalon' Ity fiainana mpamitaka Hanoratra aho sakaiza Tsy hitsahatra ny hitrandraka Kanto vaovao Amin'ny androko rehetra Ireny no hasandratra Arindra mba ho soratra Fa ny soratra mitoetra Dia hanoratra aho Tsy hitsahatra ny hanoratra Dodwi Rajaofetra In Sandran'antsa tak 88 |
|
Tahaka ny fiainan'ny olona
rehetra izay misy fiovana sy fivoarana
hatrany dia hita fa misy fitohizany hatrany ny ezaky ny mpanoratra. Ny
fisondrotana hatrany eo amin'ny tontolo iainana sy ivelomana no
zava-dehibe amin'izany. Manamafy izay ny lahatsoratra hoe : "Dia hanoratra aho
tsy hitsahatra ny hanoratra" Raha nodinihina teo ny andraikitry ny mpanoratra, hobanjinina manaraka kosa ny zava-kendrena. Ny olo-miaina rehetra dia manana tanjona tiany hotratrarina eo amin'ny fiainana. Toy izany koa ny mpanoratra izay manan-java-kendrena. Voalohany amin'izany ny endri-panovana asehony amin'ny mpamaky. Izany no natao dia ny mba hikatsahana zava-baovao hatrany hahaliana ny mpamaky. Manamarina izany ny lahatsoratra hoe : "Tsy hitsahatra ny
hitrandraka
kanto vaovao amin'ny androko rehetra" Manaraka izany dia tsapa fa ny fandrafetana ny zavatra heverina fa mahaliana no tena kendrena. Natao izany mba hampateza sy hahaela velona ny soratra izay foroniny. Hamafisin'ny tononkalo izany manao hoe : "Ireny no
hasandratra
arindra mba ho soratra" Ankoatra izany dia tsikaritra fa tanjona lehibe ny fananan'ny soratra faharetana. Ireny no ambara fa mitety vanim-potoana ny soratra sy ny mpanoratra azy. Rehefa eo am-bavan'ny olona sy tsaroan'ny olona mandrakariva ilay asa soratry ny mpanoratra dia midika izay fa maharitra ilay kantony. Hoy ny lahatsoratra : "fa ny soratra
mitoetra"
Ireo rehetra voalaza teo ireo no entina hanehoana fa tena zava-dehibe ny fisian'ny mpanoratra eo amin'ny tonolon'ny literatiora. Raha bangoina izay rehetra voambara teo dia tsapa fa manana ny anjara toerany eo anivon'ny haisoratra malagasy ny mpanoratra. Nisongadina teo fa manana andraikitra goavana ny mpanoratra dia ny fanehoana ny tena zava-nitranga marina. Eo anatrehan'izay dia maro ireo zava-kendreny. Anisan'ireny ny faharetan'ny sorany. Raha ny tononkalon'i Dodwi Rajaofetra no asian-teny dia hita fa kanto noho ny fampiasany tamberinteny andohan'andalana : "Hanoratra aho sakaiza". Mampirisika ny mpanoratra haneho hatrany ny asa soratra izany. |
Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 27/11/2019