Savaivon'ny teny malagasy, lahatsoratry ny Pôetawebs
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
24 Oktobra 2022

SAVAIVON’NY TENY MALAGASY

Lahatsoratra : Pôetawebs 




Hanatanteraka hetsika fampivoarana ny pôeta indray ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko. Hotanterahina etsy amin’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Antsahavola amin’ny 9 Novambra ho avy izao ny Savaivon’ny Teny Malagasy. Manomboka amin’ny 8 ora maraina ny hetsika ka tsy mifarana raha tsy amin’ny 5 ora ora hariva. Hatao an-jotra ny fisoratana anarana ho an'izay liana ka maniry hanatrika izany. Indro ny rohy hahafahana misoratra anarana hatramin'ny 29 Oktobra ho avy izao.

http://www.koloiko.com/stm/stm2022/tapakila.html

Toy izao kosa ny lohahevitra hanamarika ny fotoana.

Velakevitra sy fampianarana mifamatotra momba ny tononkalo
- Rahezarisoa Sannie : "Ny kanto ao amin' ny tononkalo"
- Hobiana AndrianimerinA : "Ny tononkalo - Tari-dalana ho an'izay tsy te hanoratsora-poana"
Velakevitra sy fampianarana mifameno, momba ny teny malagasy izay tsy voafehin’ny pôeta maro
- Ratsimbazafy Heriarilala : "Ny endriky ny tsy fahafehezana ny teny malagasy mety hanimba ny literatiora"
- Ratobihasina Viviane : "Fahadisoam-panoratana mibahan-toerana eo amin'ny haisoratra malagasy ankehitriny"

Marihina fa efa tamin’ny volana Mey no nanao antso ho an’izay handefa lahatsoratra hovelabelarina ity vondrona ity. Antso nalefa tao amin’ny tranonkala koloiko.com, vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ary nisy koa ny natao nandritra ny Konferansa Momba ny Soratra teny amin’ny Tranombokim-pirenena. Nisy ny sivana sy fantina ka ireo lohahevitra naroson’ny mpikaroka 4 mianadahy ireo no voatsonga tamin’izany.

Savaivo satria mila misavasava sy manavatsava eo amin'ny ivon'ny teny malagasy isika mba hahafahana manatsara azy”, araka ny fanazavan’i Sitraka Feno Tanteraka, tomponandraikitra ao amin’ny vondrona. Oharina amin'ny faribolana na bola ny tontolon'ny teny malagasy ka mamakivaky eo ampovoany ireo mpikirakira ny teny.

Ankoatra ireo fizaram-pahalalana ireo dia hatolotra amin’io andro io ny amboara maha Mpanoratry ny taona 2019 an’i Hobiana AndrianimerinA. Izao vao afaka manao izany fanolorana ny amboara izany ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko noho ny tsy fahafahana namory olona nandritra ny hamehana ara-pahasalamana. Ity no andiany voalohany amin’ny STM ka antenaina fa mbola hisy ny andiany manaraka.


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 24/10/2022