Ny poeta raha miteny 20 Mey 2015
|
|
"Tsy ahiko", tononkalon'i Toetra Ràja, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala
Toetra Ràja |
TSY AHIKO!
Ho inonao
Fantatrao?
Nohadinoiko
Toetra Ràja |
Ny tononkalo dia karazana lahatsoratra manana ny maha izy azy ao amin'ny literatiora. Asa soratra nateraky ny aingam-panahy nanery ny mpanoratra izy io, teraky ny fo izy ka kanto dia kanto tokoa. Iray amin'izany sora-kanto izany ity tononkalon'i Toetra Raja ity, izay nampitondrainy ny lohateny hoe "Tsy ahiko", nosoratana tamin'ny 27 martsa 2015. Izy ity moa dia mirakitra famoizam-po noho ny tsy fahatanterahan'ny nofinofy ho tafara-dia amin'ny olona iray. Inona avy ny singa mahakanto ity tononkalo ity? Ho setrin'izany fanontaniana izany dia hojerentsika mialoha ny endriny, manaraka izany ny fampiasana filalaovam-peo ary farany ny sarin-teny.
Voalohany, mirafitra ho andininy ka ahitana andininy telo. Voarakitra ao anatin'ireo andininy telo ireo avokoa ny toe-javatra iainan'ny mpandray anjara. Ao amin'ny andininy voalohany no ahitana ny fijaliana iainany ka ilazany fa tsy tokony hiasa saina aminy intsony ilay olona iray, na ny hanatsafa sy hanontany vaovao aza satria toa mampifoha ny fahatsiarovana fotsiny ka miteraka fery vaovao indray aza. Hoy ny tononkalo milaza izany: "ho inonao moa ny amiko/vaovaon'ny androaniko (...) hampifoha indray ny tsiahiko? ". Ankoatra izay tsy tokony hiraharahin'ilay olona iray azy izay dia namoy fo tanteraka izy, niezaka hanadino ka nisaona mihitsy aza: "nohadinoiko ny fihaonana/nirosoako ny fisaonana"andininy faha 2. Mirafitra ho andalana ihany koa, ahitana andalana 24 kanefa tsy mitovy ny isan'ny andalana tamin'ny andininy tsirairay fa roambinifolo ny andininy voalohany, efatra ny andiny faharoa, ary valo ny fahatelo. Izany tsy fifandanjan'ny isan'andalana izany dia maneho ny tsy fitoviam-patran'ny fihetseham-pon'ilay mpandray anjara, indraindray dia malahelo tafahoatra ka betsaka no lazaina sy tanisaina, ny andininy voalohany no ahitana izany: "ny hafaliana nohiraiko, ny fijaliana koa lanjaiko, ary koa ny ahiahiko, hampifoha ny tsiahiko". andalana 5-10. Betsaka ny zavatra iainany: hafaliana, fijaliana, ahiahy... Ny andininy faharoa dia tsy misy afa-tsy andalana efatra izay tsy milaza afa-tsy ny tsy fahasahiany manonona fa tsy azy ilay olona tiany Mafy izany kanefa tsy nanaovany resabe intsony fa niezaka izy ny hanadino ka naleony nisaona. Ny andalana valo farany no ahitana izany. Ny teny hoe fisaonana no nampiasainy mba hanehoany ny alahelony lalina. Hitantsika teo ary izay fa ny andininy sy ny andalana dia naneho ny vontoatin'ny tononkalo ary izay no nahakanto azy dia ahoana indray ny eo amin'ny lafiny filalaovana feo?
Raha ny filalaovana feo indray no jerena dia hita fa kanto izany asa soratra izany. Rima mifaningotra ab ab no hita ao. ohatra: ho inonao (a) Voarakitra ao anatin'ireo teny mirima ireo ny hevitra tian'ny mpanoratra havohitra dia ny tokony tsy hivakian'ilay olona loha aminy intsony. Rima feno mihoatra ihany koa no tena mibahan-toerana ato, izany hoe vanin-teny telo na mihoatra no mitovy ohatra: Tsy sAHIKO andalana 14
Ahitana "rejet" ihany koa ity tononkalo ity, izany "rejet" izany no natao mba hitazonana ny endrika nosafidian'ny mpanoratra azy ho teny fohy isan'andalana, nampidinina avokoa ny teny ao aoriana tokony hiray andalana amin'ny teny eo aloha mba hisian'ny adirima sy hisian'ilay endrika mampiavaka ny asa soratr'i Toetra Raja. Ohatra: Ho inonao andalana 1 Raha tokony ho andalana iray no misy azy. noho izay "rejet" izay dia nirima tsara ny andalana 1 sy 3 ary 2 sy 4: "ho inonao Eo ihany koa ny tamberin-teny "tsy ahiko" isaky ny faran'andalana eo amin'ny andininy roa farany, ary mitondra ny lohatenin'ny tononkalo. Izany teny izany no naverina foana dia mba hanehoana ny hamafin'izany nanana izany nefa dia nisy naka ny teo an-tanana na niala nahiny.
Raha ny sarin-teny indray no jerena dia ahitana fanovana endri-javatra. Eo amin'ny andalana 7-8 no misy izany manao hoe: "ny fijaliana koa lanjaiko". Nomeny endrika ho toy ny zavatra filanja, azo entina ny fijaliana, kanefa ny atao hoe fijaliana dia fahatsapana anaty fa tsy fahatsapana an-tanana. Izany fehezanteny izany dia mamohitra ny fatran'ilay fijaliana izay tena efa tsy tanty intsony koa. Ahitana Fanovana anarana ihany koa eo amin'ny andalana 19-20: "nirosoako ny fisaonana". Ny teny hoe "fisaonana" no nanondroany ny hoe "famoizam-po", ny atao hoe fisaonana mantsy dia fanehoana alahelo noho ny fahafatesan'olona iray, ny tena marina eto dia tsy nisaona izy fa namoy fo, tsy misy maty mantsy eto fa misy tiana niala kosa na lasan'olon-kafa, ka tsy zakany intsony izany very malala ka dia ny famoizam-po no nirosoany. Ny sarin-teny amin'ny fehezanteny indray dia ny fampiasana fanontaniana, ny andininy voalohany iray manontolo mihitsy no fanontaniana, miatomboka amin'ny teny hoe "ho inonao" ary miafara amin'ny baraingo (? ) any amin'ny andalana faha12. Eo amin'ny andininy faharoa koa dia mbola nampiasa izay fanontaniana izay izy manao hoe: "fantatrao"andalana13 . Izy indray no mbola nanontany, izany dia maneho hatrany ny fihetseham-pony hoe raha mba fantatr'ilay olona mantsy fa mafy aminy izany.
Ratsimbazafy Heriarilala
|
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
|
Date de dernière mise à jour : 05/07/2021