Soa fa nozarina - Rado
SOA FA NOZARINA Mpanoratra Rado Loharano Sedra, tak 60 Nanadihady Faniry Ezeckiel |
Mandona
ny fo tokoa ireny sorakanton'ny pôeta ireny indrindra rehefa mivetso
alahelo na tsiaro mampanembona. Anisan'ireny ity aingam-panahin'i Rado
iray mitondra ny lohateny hoe "SOA FA NOZARINA" ity, izay nosoratany ny
08 Jolay 1993, ary nalaina tao amin'ny boky SEDRA, takila fahenimpolo.
Asongadiny ao mantsy fa maminany mialoha izay hitranga ny soratry ny
pôeta. Andeha hohalalinina misimisy ny tononkalo ka hodinihina eny
am-piandohana fa tanteraka ireo soratanan'ny pôeta, manaraka izany,
haseho fa manamaivana ny sedra lalovana ny soratra. Tsara marihina ety
am-piandohana fa ny pôeta dia mpanoratra itoeran'ny aingam-panahy ka
mandrafitra ny sorany ho tononkalo. *
* * TANTERAKA NY SORATANAN'NY PÔETA Aloky ny ho avy ny tara-kevitra sinoratry ny pôeta. Manamafy izany indrindra i Rado eo amin'ny andininy voalohan'ny tononkalony hoe: "Efa
nandindona ny androko ve
Ity fahoriana tsy zaka zakaina? No ireo tononkaloko izay marobe no rakotra sento sy feno taraina?" |
SOA FA NOZARINA Efa nandindona ny androko ve Ity fahoriana tsy zaka zakaina? No ireo tononkaloko izay marobe no rakotra sento sy feno taraina? Faminaniana ny mbola hodiaviko Sa fitaizana ny foko ho zatra ? Ka nony midona ny tokony holaviko Ekena na tsilo manevika an-tratra. Sa takela-by eny an-dalan-kizorana milaza ny olaka mbola hitranga? Na kotro-baratra alohan'ny orana Handrava ny tsikin'ny lanitra manga? Soa fa nozarina ihany ny foko Hisetra ny lozan'ny andro mandaloko Fa ho nisy azy ny famoizam-poko Raha tsy nialohavan'ireo tononkaloko! Rado 08 Jolay 1993 In Sedra, tak 60 |
|
Tsy naniry ny hanoratra fahoriana aman-tsento ny pôeta fa ilay aingam-panahy ao anatiny no nanosika azy hamorona. Aty aoriana anefa dia mihatra ireo zava-boalazany noraketiny an-tsoratra, ary mitodika voalohany any amin'ny pôeta nikalo azy. Araka izany, manambara mialoha izay hitranga ny diam-penin'ny pôeta. Tsy izay ihany, mampiomana sahady izay hiseho ao am-para ny asa soratra. Hoy ny tononkalo hoe: "Sa takela-by eny
an-dalan-kizorana
milaza ny olaka mbola hitranga? Na kotro-baratra alohan'ny orana Handrava ny tsikin'ny lanitra manga?" Fanoharana miavaka kely mihitsy no hanaingoan'ny mpanoratra ny tiany hampitaina eto. Raha hazavaina dia efa torolalana mialoha ny lalana tsy maintsy hizorana ireo voasoratra rehetra. Mampita hafatra eto izany ny soratra. Hita tokoa àry fa to avokoa ireo ainga voarakitry ny diarin'ny pôeta, moa va tsy manamaivana ny sedra lalovana ny soratra ? *
MANAMAIVANA NY SEDRA LALOVANA NY SORATRA Mampionona amin'ny ratra izay mianjady ny soratra. Manambara izany i Rado eto hoe: "Faminaniana ny
mbola hodiaviko
Sa fitaizana ny foko ho zatra ? Ka nony midona ny tokony holaviko Ekena na tsilo manevika an-tratra". Efa voavinan'ny tononkalo nialoha ny tranga mety hahazo hany ka mora kokoa ny manaiky azy. Araka izany, tsy tampoka intsony ny manjo ka zaka ihany na mety havesatra aza. Mahavita miatrika ny zava-misy rehefa nampilazan'ny soratra. Abaribarin'ny sangan'asan'i Rado eo am-pamaranana izany aingam-panahy izany : "Soa fa nozarina
ihany ny foko
Hisetra ny lozan'ny andro mandaloko Fa ho nisy azy ny famoizam-poko Raha tsy nialohavan'ireo tononkaloko!" Ifandimbiasan'ny soa sy ny ratsy tokoa ny fiainan-janak'olombelona, tsy mora ny misedra ny androm-pahoriana. Mahavita mandia izany ihany anefa noho ny anatra nomen'ny sorakanto, hany ka nahery fo tsy resin'ny hakiviana. Namana amin'ny andro sarotra ny tononkalo. *
* * Raha fehezina, mpaminany ny pôeta, miantraika ireo rangotry ny peniny, kanefa manamaivana ny hirifiriny amin'ny fotoana hahantanterahany ireo diarin'ny aingam-panahiny. Kanto loatra sy mahasarika avy hatrany ny fomba nandrafetan'i Rado ity tononkalony ity ary taratra ao ny fampaherezany ireo mahatsapa faharesena. Raha manana hery hamaritra ny ho avy tokoa ny soratra, azon'ny pôeta atao ve ny mamolavola ny aingam-panahiny hirona amin'ny hafaliana lalandava? |
©
Pôetawebs
|