|
Miarahaba anao HAJAINA tonga mitapatapak'ahitra miaraka aminay ato amin'ny tranonkala POETA.WEBS. Mpikabary tsy zoviana amin'ny maro intsony ianao ary olon'ny haisoratra mavitrika satria voafidy ho Filoha Mpanampy ao amin'ny fikambanana lehibe iray, dia ny HAVATSA UPEM izany. Tsindriana manokana mandritra ity dinidinika ity anefa ny maha poeta anao. Mahaliana ny maro tokoa ny hahafantatra ny momba anao sy ny talentanao izay tsy mivalampatra loatra eto anivon'ny aterineto. Misy antony manokana ve ny tsy ielezan'ny sanganasanao eto anivon'ny aterineto?
Tsy dia tena misy antony manokana fa mety noho ny fandaharam-potoana mandritra ny tontolo andro angamba ka ampahany kely ihany no mba foy ho an'ny aterineto... somary vazivazy fa.. Na izany aza misy tiako hotandremana kely ihany ity fielezana amin'ny aterineto ity... Tsy voafaritro mazava anefa ny anton'izany fa heveriko fotsiny hoe tsy azoko atao ny manome ny manontolo ary izaho rahateo koa somary matahotra ny LOATRA, sao be L....; ary tsy amin'ny aterineto ihany fa amin'ny Haino aman-jery ihany koa. Tsara ho fantatr'olona ny asa voka-kanto, fa ny fisehoana loatra (araka ny fahatsapako) dia tsy sitrako; asa tsy voafaritro mazava ny antony, noho izaho saro-kenatra ve sa noho izaho somary sarotiny ka tsy mety afa-po... ary matahotra ny hanenina rehefa injay tokoa ka ilay tsy tiako haseho no miseho ?
Misy fotoana, ao anatin'ny iray volana aza tsy manoratra. Tsy atao lahatetiora ao anatin'ny indray andro akory ny fanoratana fa rehefa misy ny aingam-panahy manosika mafy te hanoratra dia lasa. Ny miaina ao anatin'ny iray andro tsy misaina literatiora : "fanahin'ny teny sy fanahin'ny soratra" anefa dia tahaka ny tsy misakafo ka mety hahatorana ahy.
Ary ho ahy, mety ho olana, mety ho tombony ihany koa, dia tsy miala eo aho raha tsy vita. Ho an'ny tononkalo sy sombintantara sy ny andram-pamakafakana (essai) tsy dia olana fa ny tantara fihaino sy ny tantara tsangana ho mety haha tra-maraina... Fa na izany aza dia mahafinaritra hatrany e... tena milalao sy miaina ao anatin'ny asasoratra sy ny tantara soratanao ianao, hany ka mahatsiaro mijaly indraindray, malahelo indraindray, adala indraindray, alika toetra indraindray, ny fangitangitahana sy ny fifaliana ao anatin'izany rehetra izany dia manginy fotsiny... Eo anatrehan'izany no ilazako teny izay IALAKO TSINY, satria misy tsy mahazaka, izany no ilazako fa mahatsiaro tena ho ANDRIAMANITRY NY ASASORATRO aho, satria entiko amin'izay tiako itiavana azy izy, velomiko, vonoiko, atsangako, sy ny sisa... Nahabedy ahy izay fitenenana izay, satria noraisin'ny olona boraingina avy hatrany fa mampitovy tena amin'Andriamanitra mpahary aho... Tena tsy izay anefa... tsy izao tontolo izao no feheziko fa izaho sy ny tsanganasako ihany...
Ny Havàtsa Upem ihany koa dia Fikambanana zokiny indrindra amin'ireo Fikambanana Mpanoratra sy ny Fikambanana ara-kolontsaina misy, tsy eto Madagasikara ihany fa manerana an'i Afrika. Tsy mbola fantatro izany fony aho vao niditra, fa dia izao, nahatoky ireo OLON-DEHIBE nitarika ahy aho... Hatramin'izao dia mbola manana namana olon-dehibe be dia be aho... Mahafinaritra ahy izany satria amiko dia boky mandehandeha izy ireny. Enga anie ka ho ela velona daholo.
"miaraha, miomböna hevitra amin'ireo Poety". Ny andininy voalohany sy faharoa amin'io tononkalo io dia saika miantso ny olona sy manakivy azy tsy hanaotao foana. Ary ity andininy fahatelo misy io andalana io kosa dia fanolorana fanafody ho an'izay ketraka... ny teny mantsy mety hamono, fa ny teny ihany koa dia tena MAMELONA. Koa ny olon-drehetra eto no taomina hihaino ny Poety, hankafy, hilona ao anatina tsanganasa mba ho sitrana... Mety hanontany ianao hoe: angaha izany mila fanentanana fa rehefa mankafy ny olona dia mankafy ary rehefa mankahala dia mankahala... Tsia, tadidio fa ny olombelona, olombelona ihany... mila donina sy tairina indraindray. Ka raha resy lahatra iombona hevitra amin'ny Poety ianao, raiso ka ampiasao sy iaino ny teniny... Fa ny teny hoe Demôkrasia aza ange ka poety no namorona izany... kanefa iza no tsy midradradradra ny mampiasa izany teny izany ankehitriny... Ary ny tena mahafinaritra dia ny mihaino ireo olona lalin-tsaina samy mandrirotra amin'izay itiavany ny dikan'io teny io, tahaka ny mahita ireo ankizy miara-matory mifampisinton-damba lehiretsy...
Mety tsy hitan'ny ankamaroan'ny olona ity kanefa lazaiko satria mahita aho fa tsy maty e, tsy maty ny fanahy maha Malagasy... Velona io ary ho velona... Mbola mahita miharihary aho fa misy fetra farany tsy sahin'ny Malagasy itsambikinana... Asa anefa izay ho tohiny, tsy misy mahafantatra ny avoaky ny ampitso. Hivadika biby an-kitsirano amin'izay ve ny Malagasy ?
Tsy ny vahiny ihany fa misy andalan-tononkiran'i Tovo J'hay koa izao ohatra milaza ny hoe: "tsy hita ianao, ts'hita ianao hanambitamby azy eto, fa ny anao efa voafetra hatreto, ka izy irery ihany no tomany", toy izany koa ilay tononkiran'i Abel Andriarimalala hoe: "diso anefa ianao, piti-drano ilay tamin'ny takolako, ary tsy toloko ilay renao teo fa angolangolako. ...Tsy maninona aho..."; ary tsy ny tononkira ihany no valiana na hakàna aingam-pamoronana fa mety an-dalan-teny hita any anatin'ny Tantara foronina (Roman), na eny an-dalana rehetra eny, na any am-piasana, na any am-pianarana, na any am-piangonana, na any am-pivoriana sy ny sisa Ohatra izao ity tononkalo iray ity izay teraka teo am-piandrasana ireo "Vondron'ny Mpitsara" (membre de jury) raha hanao fanohanana voka-pikarohana (soutenance de mémoire de D.E.A.) izahay 4 mianadahy niara-nianatra tao amin'ny "Faculté des Lettres". Tsy toy ny tamin'ny "Maîtrise" izay mandeha tsirairay ary azon'ny rehetra atrehina (en public) mantsy ny D.E.A. fa miaraka izahay mpiara-mianatra ary mihidy an-trano (à huis clos). Dia samy nihidy an-tratra noho ny tahotra, samy velon-tebiteby miandry ireo Mpampianatra hitsikera sy hanakiana ary hanontany ny fikarohana natao, nefa samy manantena koa izahay fa ho tafita. Dia nisy tononkalo natolotro ho an'ireo namako ity, natolotro ho anay.... Ary indro atolotro eto amin'ny tranonkala POETA.WEBS, ho an'ny olona tsy mitsahatra fa vonon-kianatra mandrakariva sy ho antsika rehetra : TEHAKA HO ANAO
Miarahaba anao
nahavita izato dingana
tsy efan'ny rehetra,
Mety ny natao
na nisy fingampingana
to ny tarigetra.
Reo memy nifanesy
no mainka koa namelona
ny herim-po hisandratra,
Ianao no ilay Mpandresy
ka sitraka sy telina
ny kirinao nianatra.
Ilay ilo mby an-doha
tsy ararakao intsony
fa solika vaovao,
Ka dia mirary soa
hisondrotra ambony
TEHAKA HO ANAO
Hajaina
|
| poeta©2009 - poetawebs@gmail.com Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety |



