| Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel |
| HOTANTARAIKO VE? |
Nanakoako indray ny
literatiora noventesina teto an-drenivohitra ny sabotsy 20 Aogositra
2022 teo. Nampianoka tsangan-tononkalo ho an'ny mpankafy ireo pôeta
efatra mirahalahy, Aingan'ny Ala, R.H. Toky, Indrafo Tsihoarana ary Ela
Nihetezana. Tao amin'ny Cité Rose R+3 Ankatso II no toerana
nanatanterahana izany."HOTANTARAIKO VE ?" no lohateny finidin'ireo mpiangaly soratra nentina nambaboana ireo mpijery. Nikarakara sy nanomana ity hetsika ity ny AJES (Association des Jeunes Étudiants de la Sakay na Fikambanan'ny mpianatra avy any Ankadinondry Sakay). Tanjon'izy ireo ny handrisika ireo mpanan-talenta amin'ny fanoratana mba hiditra anaty fikambanana, hahafahany mampivoatra ny famoronany. Amin'ny ankapobeny, afa-po ireo nanatrika na dia nisy olana kely aza teo amin'ny lafiny fanamafisam-peo. Tiana ny manamarika fa vahiny nasaina manokana i Riva (sary ankavia), pôeta efa manana ny toerany eo amin'ny literatiora malagasy. Tsapa ho miroborobo hatrany ny tontolon'ny zava-kanto eto amintsika ary maro ireo tanora mpandimby ny anaran-dray mirona ao amin'ny tontolon'ny haisoratra. ![]() Ireo pôeta efatra mirahalahy miaraka amin'ireo mpanakanto mpanohana |
![]() |
||
| Pôeta miatrika
ny fianohan'ny mpakafy antsa tononkalo |
|
©
Pôetawebs
|




