Lahatsoratra : Pôetawebs |
NAREDONA NY VOLAMBITA |
![]() Ny tompon'andraikitra tao amin'ny Dobo'Art no nandray fitenenana voalohany izay naneho ny fitiavany manokana ny zava-kanto malagasy ka tsy nisalasalany tamin'ny fiaraha-miasa. Nitondra teny fankasitrahana ho an'ireo tompon'andraikitry ny toerana sy nanokatra ny fotoana tamin'ny fomba ofisialy i Faniry Ezeckiel, mpandrindra ny Faribolana Sandratra Betafo. Nifandimby niantsa tononkalo ireo pôetan'ny mpiraifaribolana. Tao anatin'izany koa no niakaran'i Mister Kye, "Mentaliste", nampiseho ny fahaiza-manao sy ny talenta manokana nananany. Nanao feo lafika tamin'ny gitara kosa i Elsen, mpanakanto jamba manana talenta ![]() Na dia nirava aza ny tao amin'ny Dobo'Art dia nitohy ny fihaonana nandritra ny fotoanan'ny AFONANGATRA izay niarahana niala hetaheta omban'ny antsa tononkalo teo am-pamindroana. Nanomboka tamin'ny 7 ora hariva mandra-maraina izany ary nafanain'ireo mpitononkalo maromaro. Marihina fa nanotrona ireo mpiraifaribolana avy amin'ny sampana toa an-dry Hajia Farany (Antananarivo), Tamberina (Tsiroanomandidy), Ras Varatra (Anjeva gara). Afapo sy ravo ny mpivoy ny pôezia rehetra izay tonga nampiaina iny VOLAMBITA iny ary tsipalotra ny fankafizan'ny maro ny mpanankanto anaty soratra sy teny. ![]() |
©
Pôetawebs
|