Créer un site internet

Solofo José, Iarivo mahafanina

Solofo José, Iarivo mahafanina
Felana Radoniaina - 07/04/2024

IARIVO MAHAFANINA

IARIVO MAHAFANINA

"Indro koa tovolahy, "walkman" an-tsofina
    Mirintona mitrifana a-môtô mafy
        Toa hitsena vava fasana
            Lasa toa tadio"
Solofo José, Anokantsa tak 9, and.2
_____________________________

9 Aprily 1947 no teraka i Solofo José, isan'ireo olona nanana ny lazany ary nametraka tantara teto amin'ny Nosintsika. Ankoatra ny fandaharana tetsy sy teroa nahalalan'ny maro azy dia nisongadina izy teo amin'ny literatiora satria dia fantatry ny maro ny diam-peniny anaty asasoratra. Anisan'izany ity andininy faharoa amin'ny tononkalo "Iarivo mahafanina" ity, notsongaina tao amin'ny boky Anokantsa tak 9, mampahatsiahy antsika ny anatra manan-danja momba ny fihetsika izay zary fahita eny amin'ny tontolo manodidina antsika, indrindra ireo izay monina an-tanàn-dehibe. Marihiny aloha ny fihetsika tsy mety. Ambarany manaraka izany ny mety ho vokany.

FIHETSIKA

Saika mahazo vahana amin'ny tanàn-dehibe ankehitriny ny fampiasana môtô. Efa feno azy ireny ny arabe ary efa tsy azo ihodivirana intsony ny tsy maintsy ampiasana azy amin'ny fotoana sasany noho ny fitohanan'ny fiara izay efa tena iaraha-mahalala. Ireo tanora no tena mankafy sy miangaly an'ity sehatra iray ity. Misy amin'izy ireo anefa entanin'ny fihetseham-po amin'ny maha tanora angaha ka tsy mahafehy tena rehefa mitondra ireny kodiaran-droa ireny. Hoy Solofo José :

"Indro koa tovolahy, "walkman" an-tsofina
 Mirintona mitrifana a-môtô mafy".

Eny, izany ny zava-misy etsy sy eroa. Manivatsiva anelanelana fiara, mandeha mafy amin'irony lalana migodàna, ny sofina anefa tampin'ny mozika izay azo antoka fa manampy ny fientanentanany handeha mafy hatrany. 

NY METY HO VOKANY

Tsy indray tsy indroa isika no mandre lozam-pifamoivoizana amin'ireny kodiaran-droa ireny. Asa setrasetra ve? Tsy fitandremana ve? Fa raha ilay fihetsika nolazain'ilay mpanoratra aloha dia mety hitera-doza tokoa. Hoy izy manohy ny asasoratra hoe:

"Toa hitsena vava fasana
 Lasa toa tadio"

Mampalahelo fa misy ireo namoy ny ainy noho ny loza vokatry ny tsy fitandremana. Iza avy eo no homena tsiny?

***

Lahy tokana ny aina, mampieritreritra izay mpampiasa môtô ilay tononkalo mba hanamafy ny fitandremana hisorohana ny loza.

Samia àry mitandrina!


_____
IARIVO MAHAFANINA
(Sary indray mipika Alahady 16 jolay 1995)

Posy itambesaran'ny ovy avy atsimo any
Mirezareza dia hananika an'larivo
Mampihisatra tsy satry ity fiara be velarana
Mirimorimo mafy
Mamangy ity tanànany
Tsy mahita akory ireto zaza manjoretra
Mitakoko an-tonelina mamelatra ny tanany
Jihitry ny hatsiaka
    Indro koa tovolahy, "walkman" an-tsofina
        Mirintona mitrifana a-môtô mafy
            Toa hitsena vava fasana
                Lasa toa tadio
Indreny koa anti-dahy, anti-bavy
Miresaresa mifanjohizohy milamina
Tsy rototra, tsy taitra, angamba avy niangona
Hamonjy iray vilia
    An-dalam-be fiara maro tsy voaisa
    Ao ny vao, ao ny tonta mahatanty lazon'ady
    Mameno ity tanana toa manana toa ory
        Tanana hafahafa
                   Itobian' ny hendry sy ny adala
               Tanana toa madio, toa maloto ihany koa
            Ivangongoan'ny fahoriana sy ny renty be arivo
            larivo mahafanina!

SOLOFO José
(Anokantsa - 24/04/96)

_______________________
Hahafantarana misimisy kokoa an'i Solofo José ny sorapiainany:
Fantaro i Solofo José (e-monsite.com)



Date de dernière mise à jour : 07/04/2024