Créer un site internet
Pelasoa
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
12 Jona 2022
Lahatsoratra : Pôetawebs
PELASOA

I
o indray no hetsika kononkononin’ireo pôeta efa-bavy ho fankalazana ny iray volan'ny teny malagasy. Hotanterahina etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, efitrano Dox ny alarobia 15 Jona ho avy izao, amin'ny 2 ora sy sasany.

PELASOA? Voambolana iantsoan’ny any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ireo vehivavy manana hatsarana, iantsoan’ny eto anivon-tany ny felana koa ny hoe PELA. "Pelandriaka", iantsoana ny akorandriaka izay zavaboahary tsara tarehy eny amin'y torapasiky ny ranomasina. Mamelana ny zavakanto ka tonga boky entin’ireto andriambavilanitry ny literatiora ireto.

Fitaovana mampandroso tokoa mantsy ny boky raha toa ka “ho voavakinao hatramin’ny atifony, ka ny tsiron’ny fisainany hogohinao daholo", hoy i Hiaka. “Sompi-pahalalana” ny boky hoy i Heriarilala ka tsy maintsy atao izay hiverenan’ny tanora amin’ny boky na dia efa miroborobo aza ny fivoaran’ny teknôlôjia. Noho izany, indrindra no nahatonga an’ i Hiaka, Heriarilala Andriamamonjy, Ramatoakely Ivo’Art ary Ny Tsiaro hamolavola ity seho ity.

Ankoatra ny antsan-tononkalo izay hoentin’izy efa-bavy dia hisy koa ny famelomana an-tsehatra ny sombintantara “Tsontsa” nosoratan’i Hiaka. I Fanojo Arivelo sy i Manjopiaka avy ao amin’ny Mpizaka Stelarim no hilalao izany. Felam-bony avy amina saha samihafa ireo. Nisy ny naniry tao an-tsahan’ny Havatsa-UPEM, Faribolana Sandratra, fiarovana ny Zon’ny Vehivavy ary fampianarana ny teny malagasy. Noho izany, lohahevitra misandrahaka no ho hita ao amin’ny boky izay hivoaka amin’io andro io ka anisan’izany ny fiarovana ny teny malagasy, fanoherana ny herisetra atao amin’ny vehivavy, fiarovana ny tontolo iainana ary indrindra indrindra ny fanentanana ny olona hiverina amin’ny boky.

Pôetawebs




© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 12/06/2022