Créer un site internet
Tapatapakahitra nifanaovan'i Léa Fandresena tamin'i Tsiresy
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
22 Septambra 2021
HOPOROFOIKO AMINAO Pôetawebs
Tsiresy Léa Fandresena

Ny fitiavana no lehibe indrindra! Manambara izany ny lohatenin'ny fampisehoana izay atolotry ny namana efatra milaza hoe HOPOROFOIKO AMINAO. Mivahiny eto amin'ny tranonkala Pôetawebs ny iray amin'izy ireo.

Léa Fandresena
Faly miarahaba anao Tsiresy tongasoa eto aminay.

Tsiresy
Miarahaba anareo ato amin'ny Pôetawebs, dia miarahaba ny mpanaraka ity fandaharana ity koa ny tenako.

Léa Fandresena
Alohan'ny hilazanao ny vaovao dia ampahafantaro anay ary ny momba anao sy ny maha mpanoratra anao.

Tsiresy
Randrianarivony Tsiresy, na Tsiresy Kely eo amin'ny sehatry ny fanoratana, teraka tamin'ny 01 febroary 1998. Izany hoe 23 taona aho amin'izao fotoana anoratana izao, ary 4 taona izay no niseharana teo amin'ny literatiora. 3 taona kosa no naha mpikambana ahy tao amin'ny HAVATSA-UPEM. Hatreto aloha dia tononkalo, sombintantara, ary tantara an'onjampeo no nosoratako. Milalao an'itsy farany koa moa ny tenako.

Léa Fandresena
Tsiresy Kely,  misy tsiresy be izany any ho any?  Azonay fantarina ve ireo dingana vita sy mbola hotratrarinao eo sehatry ny literatiora?

Tsiresy
Hihi! Mety hisy any ho any ka! Raha fiakaran-tsehatra hoe amin'ny anarako dia voalohany ity. Ny fiantsana teny an'anonanona teny no efa be dia be. Anisan'ny tanjon'ny mpanoratra moa ny hametraka tantara ho lova ho an'ny taranaka, ary ohatra izay koa aho. Saingy hatreto dia mbola tsy namoaka boky. Fa efa eo am-panomanana kosa amin'izao fotoana izao, ary vinavinaina hivoaka amin'ny faran'ity taona ity.

Léa Fandresena
Andao àry isika hiditra lalina amin'ny fampisehoana hataonareo, toy ireo mpandray anjara sy ny endriky ny fampisehoana.

Tsiresy
HOPOROFOIKO AMINAO. Io no lohatenin'ilay hetsika hataonay, ary etsy amin'ny tranombokim-pirenena no hanatanterahana azy. 4 mianadahy moa izahay no mikotrika azy, dia tsy iza fa ny tenako, Ilo Sederamanana, Dimbin'ny Nofy, ary i Namby Mivetso. Inona tokoa moa no hoporofoinay ao? Tena be dia be... Hiresaka  lafin-javatra maro aminao izahay, saingy aleo tsy hoteneniko eto angamba fa any isika mahafantatra azy hoe inona tokoa ilay hoporofoina ? Ny anaovako amin-tsangisangy dia hoe raha misy olona  mila porofo ka efa fantany ilay porofo, dia mbola ho liana ny hijery izany ve izy? Ny azoko ambara dia ny hoe natao ho an'ny karazan'olona rehetra ity hetsika ity. Nezahinay nokendrena hahazo ny anjarany daholo izay olona ho tonga ao.

Léa Fandresena
Any izany isika hahita ireo porofo izay inoana fa ho betsaka. Ankoatra tononkalo, misy kanto hafa hampiavaka ny hetsika ve?

Tsiresy
HOPOFOIKO AMINAO. Antsa tononkalo sy “théâtre poétique” no hibahana, fa hisy koa hira sy soradihy, sns, handravaka ny fiarahana.

Léa Fandresena
Misy antony manokana ve ny maha roa lahy sy roa vavy ny mpandray anjara ao?

Tsiresy
Tena nosafidina mihitsy ilay lahy roa sy vavy roa. Raha mahatsikaritra isika amin'ilay sary fanehoana miparitaka any iny dia tanora daholo izahay 4 mianadahy. Izany hoe hisy tianay hosarihina misimisy kokoa ao, na dia hoe natao ho an'ny karazan'olona rehetra aza izy ity. Matetika manko rehefa zaza no hiteny zavatra amin'ny zaza, noho ny hoe Raiamandreny, dia liana kokoa ilay zaza, ary vetivety amin'ny sainy ny mandray ny tenin'ilay anankiray. Dia raha tanora izany dia... Hainareo avy hatrany ny tohiny, indrindra moa fa lahy sy vavy mitovy isa avy.

Léa Fandresena
Lazao anay àry ny fandaharam-potoana sy fanentanana ny rehetra ho avy.

Tsiresy
Raha efa mpanatrika antsa tononkalo ianao, tongava! Raha mbola tsy mpanatrika mihitsy, tongava ihany koa fa efa vonona izahay hanome porofo ho anao. Hoento ny namana, olontiana, sns, fa misy porofo ho azonao omena azy koa eny. Amin'ny 24 Septambra izany ny fotoanantsika etsy amin'ny tranombokim-pirenena. Aza tara fa sao tsy hahita fanombohana an! Amin'ny roa sy sasany ny fotoanantsika. Tsy misy miala ao isika raha tsy samy afa-po!

Léa Fandresena
Asio fanandraman-tsira kely àry aloha amin'ilay tononkalo e!


Tsiresy
TANAM-POLO
Tanam-polo efa miempaky ny angady,
Tanam-polo efa trotraky ny ady,
 Iny no mba entiny amelomana
 Sy anajariany ny ankohonana.
Iny tanam-polo iny ihany,
Iny no mba amafàny tsemboka any ;
Fa tsy mba mahavidy izay mosoara,
 Sao tsy ampy ilay "mizara".
Iny tanam-polo iny ihany koa,
 Iny no mampanganohano azy vao mifoha,
 F'efa ho herinandro tsy nisasa
Noho ny fikirizany amin'ny asa
Iny tanam-polo iny foana,
 Iny no atambany mba hihaona.
 Dia andohalihany isa-maraina,
 mivavaka ho anao ilay sombinaina.
Iny tanam-polo iny zandry,
Iny mba ondany rehefa mandry.
Fa tsy misy na dia lamba iray manify.
I Dadantsika iny, indrisy !...
Ka raha azonao atao
Dia tadidio izao teny eto izao:
Tanam-polo ny azy no mba ananany,
Noho ny fitiavany anao zanany
Nefa...mbola ho avy ny andro,
Iny tsy maintsy hikainkona sy halazo.
Tsy haharay intsony, na dia hoe valizy.
Saingy amin'izay fotoana izay,
Ataovy tena tsapany fa manan-janaka izy!
 Tsiresy Kely


Léa Fandresena
Aleo mahita hono toy izay tantaraina! Inona moa ny tanjona amin'io hetsika hataonareo io sy ny ho avy?

Tsiresy
Tsotra ny tanjona, kanefa mavesa-danja, dia ny hampiroborobo hatrany ny literatiora malagasy, ary haneho ny fivoarany amin'izao vaninandro misy antsika izao. Faniriana tokoa ny mbola hanohizanay ny hetsika, ary mety ho amin'ny endriny hafa indray no hahitantsika azy amin'izay fotoana izay. Holazaina amintsika eto ihany moa ny vaovao. Ny boky no mbola tsy nieritreritra ny hanao miaraka izahay, fa ny tsirairay kosa dia efa samy miomanomana ny hamoaka.

Léa Fandresena
Mankasitraka anao nivahiny teto amin'ny fandaharana fa hamaranana ny fotoana día mba lazao anay ny hevitrao momba ny firoboroboan’ny asa soratra ankehitriny.

Tsiresy
Tena maro dia maro tokoa ny mpisehatra amin'ny literatiora amin'izao fotoana izao. Mahafinaritra izany, ary tena mahavelom-bolo; indrindra fa ny mahita hoe tanora ny ankamaroany. Tsapa izany any amin'ny tambajotran-tserasera rehetra any. Misy ihany lafy ratsiny, saingy kely raha mitaha amin'ny soa aterany. Mitombo hatrany mantsy ny mpiady ho an'ny fikajiana ny teny malagasy rehefa mitombo ny mpanoratra.

Léa Fandresena
Eny àry, mirary anareo hahavita soa dia manasa antsika rehetra hanatrika izany.

Tsiresy
Misaotra anareo nandray, dia misaotra antsika nanaraka hatramin'ny farany ihany koa. Hametraka ny veloma mandra-pitafa indray. Aza hadinoina ny 24 Septambra an! Amin'ny roa ora sy sasany eny amin'ny Tranombokim-pirenena. Manantena antsika rehetra ho avy. Tohano ny an'ny tena fa ny an'ny hafa, hono, tsy homeny! Mankasitraka!


© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja