FANKALAZANA NY FAHAZATO TAONA
NISAMBORANA NY MPITARIKA NY V.V.S Nanatanteraka hetsika ho fankalazana ny fahazato taona nisamborana ny mpitarika VVS ny SOAMIAKANGA, VOHITSERA, HAVATSA UPEM, SAMIS-ESIC ny Sabotsy faha 19 desambra 2015 lasa teo, tao amin’ny Grand-Amphi DEGS teny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo (Ankatso). Fanokafana Tamin’ny
9 ora maraina sy sasany no nanomboka ny fotoana ka niaraha-nihaino ny
hiram-pirenena. Ny Antoko mpihira avy ao amin'ny Fakiolté n'ny Siansa
mantsy no nihira izany tamin'ny fomba fihiran-dry zareo ny andininy
telo. Ramatoa ANDRIANASOLO Hajaina filohan’ny havàtsa UPEM no nandray
ny fitenenana voalohany ary nodimbiasan'Andriamatoa filohan’ny
Oniversite, izay nanokatra ny fety tamin’ny fomba ofisialy. Rehefa
izany dia nifandimby nanao lahateny ny filohan'ny vondrom-panabeazana
ACCEM RATREMA William. Famelabelaran-kevitra Rehefa izany dia nitarika ny famelabelaran-kevitra Andriamatoa RAHAINGOSON Henri (Di). Teboka efatra no novahavahana tamin’ny tapany voalohany :
Namaky ny Japana sy ny Japanesa nosoratan’i dokotera Rajaonah aloha i Dol’aj, voalaza fa io lahatsoratra io no anisan’ny nanetsika an-dRavelojaona hanoratra ny "le japon et le japonais" tamin’ny taona 1913. Ny Ami indray avy eo no namaky ny lahatsoratr’i RAVOAHANGY Andrianavalona Joseph ka teo no nitanisana ireo angady nananana sy vy nahitana ny fikambanana dia :
Izy ireo dia samy mpianatra tao amin’ny Ecole de Médecine Ankadinandriana daholo. Anisan’ny tarigetran’ny VVS ny hanandratana ny maha Malagasy. Nolazaina koa fa fikambanana tsy nanana fanekena izy, tsy nanana foiben-toerana satria fikambanana miafina sy tsy ara-dalàna ara-panjakana. Notandreman’ny V.V.S. fatratra ny tsy hisian’ny fampiasan-kery. Ny hitia sy hanasoa ny tanindrazana no voadin’izy ireo. Ampatsiahivina fa ity fikambanana ity moa dia teraka tamin’ny 1913 vokatry ny lahatsoratry RAVELOJAONA mahakasika ny Japana sy ny Japoney. Anisan’ny antony nitsanganan’ny Fikambanana ihany koa ny fandravana ny fanjakana malagasy tamin’ny 1896, ny nitifirana ny Printsy RATSIMAMANGA, ny nanaovana sesitany ny mpanjakavavy RANAVALONA III sy ny Praiminisitra, indrindraindrindra fa ny « code de l’indigénat » izay didy nahatonga ny Malagasy hiditra an-tranomaizina. Rindran-kira sy
vela-kevitra Vita
ny tapany voalohany, nampiditra ny tarika solika teo an-tsehatra
Ramatoa Hajaina, hiran'i NAKA RABEMANANTSOA roa no natolotr’izy ireo :
"ô ! raifody an’ala" sy "tandremo". Nandray anjara fitenenana kosa
ny avy ao amin’ny SAMIS-ESIC, ny SAMIS (Sekoly Ambony Momba ny Ita sy ny Serasera no dikany, amin’ny teny
frantsay kosa no hoe
ESIC na Ecole superieur de l’information et de la communication).
Nitohy indray ny vela-kevitra ka noresahana ny akon’ny V.V.S. teto
an-toerana sy tany Frantsa izay niroborobo ka niezaka nanao ny
hampijoro ara-panjakana ny fikambanany. Saingy indrisy fa nipoaka ny
ady lehibe voalohany tamin’ny 1914 ka tsy tontosa ny fikasana.
Nanomboka amin’izay ary ny famotehana ny V.V.S. tamin’ny 1915 ka
voasambotra voalohany tamin’izany RAJAOBELINA tao Ambalavao
Fianarantsoa. Ny 24 desambra 1915 dia voasambotra koa ny mpitandrina
RAVELOJAONA, Frera RAFIRINGA Raphael Louis, Frera Julien. Nisy natao
sesitany tany DZAOUDZI (Mayotte), Nosilava. Nisy ireo nogadraina
tetsy Antanimora, ny tsy ampy taona nalefa tany Anjanamasina. Antsa tononkalo
sy hiran'ny amboaram-peo Notohizana
tamin'ny fiantsana tononkalo nosoratana tany an-tsesitany indray ny
fotoana.
R’imbossa no nanao feo lafika nandritra ny fiantsana, ary nanao ihany koa ny hirany avy eo
Famaranana Teo ampamaranana ny lanonana dia nakarina teny ambony lampihazo avokoa ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fanafanàna ny fety, notolorana fisaorana izy ireo sy ny mpanatrika rehetra. Mbola hira sy antsa ihany no nisarahan'ny rehetra.
Nahafinaritra ity hetsika iray
ity,nahatonga saina ny tsirairay hamoha indray ny fitiava-tanindrazana,
nampitodika ny olona indray amin’ny tantara izay efa saika tsy
noheveriny intsony,indrindra indrindra fanampiana ho an’ny mpianatra.
Sitraka sy telina ho an’ny mpikarakara ! Angona : Njanja, Ny Ami, Heriarilala |
Teo
amin'ny hira rodobe famaranana |
Dol’aj, anisan'ireo
nanao famelabelaran-kevitra sy niantsa tononkalo |
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com |
Date de dernière mise à jour : 20/08/2019