Faribolana Sandratra - Sakoroka avrily 2010
![]() ![]() Porofo izao fa velom-bolo sy miha-mahazo aina tokoa ny poezia malagasy. Hatramin'ny fiandohan'ny taona dia tsy tapaka ny Mpiray Faribolana no mamory ireo mpakafy poezia ao amin'ny C.G.M. isaky ny alarobia fahefatry ny volana. Vory lanona hatrany ny mpijery ary samy mianoka ny anjara niriny. Azonao vakiana ny tononkalo iray nantsaina tamin'io fotoana io : Firaisana voalohany Indreto misy sary vitsivitsy notsongaina tamin'izany fety izany. ![]() Hiboka tokoa ny efitrano ary betsaka ny nianoka teo ampitsanganana sy tany an-dalatsara. ![]() Tsikaritra tao i Hajaina, Filoha mpanampin'ny Havatsa Upem. ![]() Izy mirahalahy miara miantsa ![]() Mianoka tokoa ny mpijery. Misy ihany anefa ny mitakoritsika. ![]() Miovaova ny fanamiana; marevaka ny haingon-tsehatra Haverina ao amin'ny CEMDELAC Analakely ny Sakoroka tetsy amin'ny CGM ny zoma 11 jona ho avy izao. Tongava maro !
___________________ Nangonin'i Toetra Ràja |
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety |