Ny Famoloana Telozoro tao an-TOKOTANY BE
Heriarilala Andriamamonjy - 25/04/2024

Ny Famoloana Telozoro tao an-TOKOTANY BE

Nanana anjara tamin'ny hetsika TOKOTANY BE nokarakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny Famoloana Telozoro ny sabotsy 20 Avrily 2024 lasa teo. Velakevitra no nandrasain'izy ireo anjara tamin'ny alalan'i Sitraka Feno Tanteraka. "Ny vaky boky : soliky ny fandrosoana", izay no lohahevitra novelabelarina teo an-tokotanin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena. Hery manosika sy hery mitondra amin'ny toeran-kitodiana no hevitry ny teny hoe solika tamin'ity velakevitra ity. Fizarana telo no nentin'i Sitraka Feno Tanteraka nanazava izany.

Voalohany, ny boky sy ny loharanony

Nasongadina tamin'izany ny niandohan'ny boky, nanomboka hatrany amin'ny nisian'ny taratasy voalohany ka hatramin'izao fisian'ny boky nomerika izao.

Faharoa, ny boky sy ny fandrosoana

Naharihariny tao ireo tombontsoa amin'ny vaky boky izay mitaky adidy lehibe avy amin'ny mpanoratra. Tokony ho boky feno fahalalana, fanabeazana ary manokatra tontolo vaovao ho an'ny mpamaky no atolotry ny mpanoratra. Tsy tokony hampifandrafy ny mpamaky amin'ny tontolo ny mpanoratra ary tsy tokony hamoky tahotra azy. Tao amin'ity fizarana faharoa ity no nitanisana ireo firenena mpamaky boky be indrindra maneran-tany sy ireo firenena manana boky betsaka indrindra. Firenena mandroso avokoa izy ireo ka voaporofo fa mampivoatra ny vaky boky.

Fahatelo, ny vaky boky sy ny tanora malagasy

Novahavahan'i Sitraka Feno Tanteraka ny vaky boky sy ny tanora malagasy. Tetsy andaniny, nasehony fa sahirana amin'ny famakian-teny ny ankamaroany amin'ireo olona any ambanivohitra, tsy dia ampy loatra koa ny fanentanana ho an'ireo mahay mamaky teny ary matetika aza dia boky tsy mifanaraka amin'ny filan'ny mponina no tonga any an-toerana. Tetsy ankilany kosa, naharihary indray fa be toerana famakiam-boky ny tontolo an-drenivohitra saingy ny tanora no tsy mahay mandamina fotoana. Indraindray koa dia voasongon'ny karazam-pialamboly samihafa ny vaky boky ary tsy mahafoy vola ho amin'izany ny mponina an-drenivohitra.

Raha atao bango tokana, dia azo antoka ny fandrosoan'ny firenena iray raha mahay mifameno ny mpanoratra sy ny mpamaky.







Date de dernière mise à jour : 26/04/2024