Tatitra :
Vetson'ny Fanahy |
ZAHA HETSIKY NY VEHIVAVIN'NY FANILON'I MADAGASIKARA |
![]() Seho niavaka no nentin’ireto vehivavin’ny kanto ireto. Ankoatran'ny pôezia, slam ary ny dihy sy ny hira mantsy dia niteny ny sehatra, izay voaravaka tamin’ireo karazana haingo maro samihafa. Sady sakafon’ny maso izany no nitondra ny saina hifantoka tamin’ny seho teny an-tsehatra. ZAHA, nitondra ny olona hizaha, fa foha talenta kosa ho an’ny hafa, fanehoana an-tsehatra ny talenta tany anaty ho an’ireo mpisehatra. Nitondra ny hafatry ny zavaboahary izy ireo, ary nampiseho fa manana ny maha izy azy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny kanto malagasy. Fampifandraisana ny kolontsaina malagasy sy ny kolontsaina skotisma no isan’ny nanosika ireto tovovavy ireto hampizaha. Nampita hafatra ho an’ireo skoto namany ireto farany ho tia ny tanindrazany sy ny tenindrazany. Manabe sy mamolavola ny ankizy hisehatra amin’ny kolontsaina malagasy sy ho tia vaky boky, mivelatra sy mifandray amin’ireo mpisehatra ara-kolontsaina rehetra ry zareo. Nitondra ny teny fisaorana manokana ho an’ny Pôetawebs i Di’art Tsifoina niara-nisalahy tamin’ny serasera. Tsy hijanona hatreo anefa ry zareo, raha araka ny voalazany hatrany, fa mbola hizaha hatrany. Afa-po ny mpanatrika, izay tonga maro nanotrona sy nanome voninahitra ny seho. Nifampizaha ny mpisehatra sy ny mpankafy. |
![]() |
![]() |
![]() |
|
![]() |
©
Pôetawebs
|