Ny poeta raha miteny 26 Mey 2015
|
|
"Ho an'i JO", tononkalon'i Mbolatiana, nofakafakain-dRatsimbazafy Heriarilala
Ho an'i Jo Ela nifankahalalana isika Nivadibadika teny ny taona Ireo sarinao no voatahiry Fa anio aho nandre ny marina Indrisy ry nofy ririnina Nahoana no nafenina akia? Tsy maninona aleoko mionona Mbolatiana 10-04-15 |
Ny poezia dia vokatra avy amin'ny hery vaika manery ny poeta na tsy voatery ho niainany fa hitany teny amin'ny fiaraha-monina. Ity tononkalon'i Mbolatiana (Ny Orambaratra) ity izay nampitondrainy ny lohateny hoe "HO AN'I JO" izao dia mirakitra fahadisoam-panantenana nanjo ny tovovavy iray rehefa fantany fa efa vadin'olona ilay sakaizany. Ahoana indray ary ny fanehoany izany alahelo lalina izany tamin'ny fomba kanto? Handeha hoe aloha hojerentsika ny eo amin'ny endrika a! Raha efa izany dia hodinihintsika indray ny filalaovana feo ary hamaranantsika azy dia hofantarina ireo sarin-teny nampiasain'ny mpanoratra tao.
Voalohany, mirafitra ho andininy izy ity, andininy fito. Voarakitra ao anatin'ireo andininy ireo avokoa ny fizotry ny tantara nanomboka tamin'ny nifankafantaran'izy roa ka nanirian'ilay vehivavy ho anjarany: "Hatrizay aho no nitsiriritra, nanantena ny ho anjaranao", andalana 12, ka hatramin'ny nahalalany ny marina ka nahataitra azy sy nahavelom-panontaniana azy: "nahoana no nafenina akia? "andalana 21. Ao amin'ny andininy farany no misy ny fanapaha-keviny farany dia ny fiononana: "tsy maninona aleoko mionona", andalana 25. Andalana 28 no mandrafitra ny tononkalo ary voatsinjara ho 4 avy isaky ny andininy izany. Izany hoe mifandanja tsara ny nanaovan'ny mpanoratra azy, ny fahaizany nampifandanja izany dia maneho ny fahaizany mandanjalanja ny tokony hataony na dia mafy aza ny toe-javatra iainany, ka nahaizany nanapa-kevitra ny hionona tamin'ny farany: "tsy maninona aleoko mionona."
Rima mifanjohy aabb no hita eto: "Ela nifankahalalana isika Izany dia hita eo amin'ny andalana 1-4. Hita ao amin'ireo teny mirima ireo avokoa ny lafin-javatra iainany: ny fitsiriritana sy fanantenana ny ho anjaran'ilay lehilahy ka nanaovana ezaka araka izay vita mihitsy. Rima feno ihany koa no eto satria vanin-teny roa am-paran'andalana no mitovy: "Ireo sarinao voatahiry/Voajeriko efa ho impiry, andalana 9-10. "Iry" no faran-teny mirima eto. Fa any amin'ny andalana sasany koa dia misy rima feno mihoatra ihany, ohatra: "Indrisy ry nofy ririnina/Zary zavona tsy hita fihinina", andalana 17-18. Vanin-teny telo be izao no mitovy eo amin'ny faran'andalana : "inina". Hita ao amin'ireo andalana nakana ohatra ireo ny alahelon'ilay tovovavy ny olon-tiany izay tsy natao ho azy fa nofy ihany ka dia mijery ny sariny sisa nataony mba hahatsiarotsiarovany azy. Fa tsy ny rima ihany koa no feo lalaovina ato, eo koa ny tamberin-drenifeo "n" raha tsy haka ohatra afa-tsy ny eo amin'ny andalana fahafito sy fahavalo isika: "Nanandrana ihany nihaza na efa nolavinao aza". Intsivy miverina ny renifeo "n" ao. Io fehezanteny misy azy io moa dia manasongadina ny tsy fahafoizan'ilay tovovavy ny sakaizany ka dia mbola nisisika foana izy na dia efa natositosika aza. Izany hoe mbola niala nenina ihany ilay vehivavy, mbola tsy fantany koa mantsy ny antony marina tokony hanilihana azy teo.
Ny kantom-pisainana no taratra voalohany eo amin'ny sarin-teny, ahitana filaza masaka ato. Voalohany amin'izany ny eo amin'ny andalana faha 14: "Nitolefika saika tsy hiarina. "Mba hilazana fa tena ketraka "tanteraka izy, mila tsy hahery intsony". Dia lazainy fa nitolefika mihitsy ka tena saika tsy hiarina. Angamba na toa inona aza fatran'ny hadisoam-panantenana dia tsy misy mihitsy ny misafidy ny tsy hitraka intsony. Mbola filaza masaka ihany no eo amin'ny andalana faha 22: "ka navela aho ho adalam-pitia". Entina milaza fotsiny fa tena mafy ilay voafitaka ary misy fiantraikany eo amin'ny saina am-panahy dia lazainy fa adala izy, nefa tsy mbola adala velively izy matoa nahasoratra izao pôezia izao, matoa ihany koa nahay nionona rehefa farany. Ny tena tiany holazaina eto dia navela ho raiki-pitia tanteraka ary navela ho lalim-paka tao aminy ilay fitia kanefa dia tsy maintsy hafoiny. Misy fanovana endri-javatra ihany koa anefa eto: "Hitsabo izao ratrako izao", andalana 28. Tsy ratra hotsaboina angamba no marimarina kokoa fa alahelo hohamaivanina sy hofoanana mihitsy raha vita. Tsy hiantehitra amin'ilay olona iray intsony izy fa hanao izay mahametimety ny tenany sy izay mahatsaratsara ny fiainany. Iny mantsy efa an'olona tokoa ka tsy azo eritreretina ho an'ny tena intsony ary tsy afaka hitsabo ny tena akory fa dia ny tena no manao izay hahasitrana irery eo.
Raha bangoina izany dia betsaka ny singa mahakanto ity pôezia ity, teo ny fahaizan'ny mpanoratra nanova endri-javatra, nanao filaza masaka. Fa teo amin'ny endrika ihany koa dia nahafinaritra satria nirindra tsara izy: nirafitra ho andalana sy andininy. Eny, tonga hatrany amin'ny filalaovana feo mihitsy izany dia ny rima sy ny tamberin-drenifeo. Ity poezia ity dia mampalahelo nefa tsara satria mirakitra ny fitaka mety hahazo ny vehivavy eo amin'ny fitiavana. Manana adidy eo amin'ny fiaraha-monina ny Pôeta. Ity tononkalo ity dia nentina itandreman'ireo tanora vao mamelana ary manoloana ny sangodim-panin'ny fitia mety handalovany. Sanatria! Ratsimbazafy Heriarilala
|
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
|
Date de dernière mise à jour : 05/07/2021