Sorapiainan'i Bolespara
Ny
29 jolay 1901, tao Alakamisy Ambositra no nahalatsahan'ny
tavonin'i
Bolespara(1). Ramangarivo avy ao Ambohimasina
Betafo no rainy;
Rasoamanandafy no reniny. Rasoamiaramanana no anarana nomen'izy ireo
azy. Ny RAFANOHARANA indray
dia avy amin'ny tapaky ny anaran-draibeny
Rainizafifanoharana izay nasalotra azy teo amin'ny faharoa ambin'ny
folo taonany. Ny BOLESPARA
kosa dia avy amin'ny hoe "paraboles",
dikan'ny "fanoharana" amin'ny teny malagasy ary navadika ho "lobus
para" ka nahazoana io anarana diam-peniny io.
Nanambady an-dRtoa Razaimanoro Elise
izy tamin'ny 1927 ary niteraka 2
lahy sy 3 vavy. Ny 26 febroary 1981 izy no nodimandry ary ao
Androndrakely no milevina.
Kamboty fahakely izy satria vao roa taona monja dia efa maty ny reniny.
Ny rahavavin-drenibeny avy amin'ny rainy izay mponin'Antananjanaka
Antsirabe, no nitaiza azy ary noheveriny mihitsy fa tena reniny. Efa
lehibe izy vao nahalala ny marina ary tamin'izany fotoana izany koa no
nahafantarany ny tena rainy.
Nanorim-ponenana tany Ambositra ny ray aman-dreniny hatramin'ny
nanombohan'ny tolon'ny Menalamba. Anisan'ny Menalamba niaraka
tamin-dRainibetsimisaraka mantsy ny rainy.
Zanak'olona manan-talenta izy satria tena mahay mitendry valiha
Ramangarivo rainy.
FIANARANA NATAO
Nanohy ny fianarany tao amin'ny sekoly MPF Ambavahadimitafo i Bolespara tamin'ny 1919, nanomanany ny CAE ary tao no nanomboka nifankahazoany tamin'i Jean Narivony.
ASA AMAN-DRAHARAHANY
Niverina tao amin'ny sekoly Benjamin Escande Ambositra izy ny taona 1920 ary nampianatra tao hatramin'ny taona 1925. Filohan'ny maintimolaly tao nandritra ny 22 taona izy noho ny firaiketam-pony tamin'io sekoly io hatramin'ny taona 1981 nahafatesany. Ny taona 1925 izy no niato tamin'ny asa fampianarana noho ny antony ara-pahasalamana.Io taona io no nanombohany ny asa maha mpitam-bokim-barotra fitotoam-bary :
- 1925-1928 : Ulysse Gross, Antsirabe
- 1928-1933 : Rizerie Pochard Antananarivo
- 1933-1951 : Murat (tohin'ny Rizerie Pochard), Manakambahiny Antsihanaka
- 1951-1973 : Société Rizerie Française, Antananarivo
Efa niaraka niasa tamin'i Jean Narivony tao amin'ny gazety Ny Mpandinika izy ka naha tonian'ny fanoratana azy nandritra ny 3 taona (1930-1933).
FAMPIELEZANA ASA SORATRA
Mpanoratra tena manana ny maha izy azy tokoa i Bolespara hany ka gazety maro no namoaka ny asa sorany : Ny Sakaizan'ny tanora, Ny Lakolosy Volamena, Ny Akon'Iarivo, Ny Fandrosoam-baovao, Ny Kalokalo tatsinanana, Ny Tanamasoandro, Journal Franco-Malgache, Ny Mpandinika, Ny Trompetra Volamena, Teny soa, Merinalavasofina, La Tribune, Sitraka mamy, Midi Madagasikara.Nahaliana ireo mpanoratra mpanambatra tononkalo anaty boky koa ny asa sorany toy ny hita ao amin'ny :
- Takelaka Notsongaina (Siméon Rajaona),
- Fary Mamy (Rabemolaly Fanomezana sy ny namany)
- Etsy babeko (Régis Rajemisa Raolison)
BOLESPARA ANKEHITRINY
Ny pôeta hono tsy mba maty satria velona ao am-pon'ny tsirairay amin'ny andavanandrony ireo andalan-tononkalony. Ambonin'izay dia manana vato namelan-kafatra i Bolespara ankehitriny. Tsy iza izany fa Rakotozafy Antsa na i Lillac(2) mpikambana ao amin'ny Havàtsa-Upem. Manoratra izy ary miezaka mamelona ny anaran'ilay loharano nipoirana.
ASA SORATRA
Nenti-nanabe ny zanaka malagasy rehetra koa ity tsianjery ity, nahaizany ny fahalalam-pomba kely indrindra tokony hananana dia ny fisaorana. Fahombiazana izany satria azo lazaina ho ny Malagasy rehetra no mahay azy, farafahakeliny ilay andininy voalohany, izay manampy amin'ny fitondram-painana.
Manavanana an'i Bolespara koa ny manoratra tononkalo lava, anisan'izany ohatra ity tononkalo misy andininy enina ity.
O ry ala be tapia
Eny atsimotsimo eny
Foko manina ny tia
O ! Henoy fa mba hiteny
Iangavio ry vorondreo
Raha mandalondalo any
Mba hitatitra ny feo
Feon’ny saraka ny akany !
Satrinay anio ihany,
Tsy ho rahampitso akory
‘lay fotoana tena mamy
‘lay mpanala ny mahory,
Dia ‘lay ora izay hodiana
Hiaraha-mikorana ;
Eny, ora mahaliana
‘tony foko tsy tamana !
SATRINAY anio ihany
Ny ho hita vetivety,
Tsy ny gara fivinany,
Tsy mba ivohitra fa Antety
Tsy ny ranovisy ‘ntsony
Na ‘roa rano be mafana
Fa ny eo manolotrony
‘lay fonena-nialana !
SATRINAY anie, zalahy,
Eo ankilan-dray malala
Falifaly ny fanahy
Tafaverina ao am-bala !
SATRINAY ‘reo zandry tiana
Hanoloana maso anay,
Dia mba hisy hitsikiana
Sy hiaraham-paly ahay !
Saingy indrisy “ny mosary
“Maharoaka ny amboadia
“any an’ala“ O ! ry vary
No andaozana olon-tia
NEFA
Any volana, any taona
Zay tokoa no faniriana
'Sika manko ho tafahaona
O ! Maitia, ry fifaliana
MITADY NY VERY
Avy eo ambony miankavanana :
• Bolespara
• Charles Rajoelisolo
• Jean-Joseph Rabearivelo
•Ny Avana Ramanantoanina
TONTOLON'NY SORATRA
Nahazo ny laharana faharoan'ny loka "Les Belles-lettres" izy ny taona 1933 tamin'ny alalan'ny bokin-tantarany hoe "Ilay veromanitra". I Auguste Rajaonarivelo moa no nahazo ny loka voalohany (Ranaivoson, 2004)
LOHARANO NANOVOZAN-KEVITRA
- RAJEMISA RAOLISON, R. (1976). Etsy babeko Dingana 1 : taona faharoa. Fianarantsoa : Ambozontany- RASOARIMALALA F. (2015). Bina nosoratan'i Auguste Rajon, sy ilay Veromanitra asa soratry Rafanoharana, tantara foronina maneho ny vanim-potoana mitady ny very. Mémoire de CAPEN, ENS Antananarivo.
- ANDRIAMAMONJY, H. (2018). Fantaro i Eliza Freda. Tsikaritra ao amin'ny :
http://poetawebs.e-monsite.com/pages/fakafaka/page-42.html
- RANAIVOSON, D. (2004). Rafanoharana. Tsikaritra ao amin'ny :
http://malagasyword.org/bins/teny2/rafanoharana
- RAKOTOARISOA, F. (2019). "Fanomezan-kasina mpanoratra. Hanaovana hetsika fahatsiarovana Rafanoharana sy ny diam-peniny". Tsikaritra ao amin'ny :
https://aoraha.mg/…/fanomezan-kasina-mpanoratra-hanaovana-h…
_______________________
(1) Na dia 1900 aza no taona nahaterahany misoratra ao amin'ny karapanondrom-pireneny dia ny 1901 no voalazan'ny voka-pikarohana taty aoriana.
(2) Isaorana Rakotozafy Antsa na i Lillac mpanoratra nanampy ny torohay momba an'i Bolespara.