Tatitra :
Vetson'ny Fanahy |
OM-GUI SY MAHEFA NANDRITRA NY POETAWEBS MISEHATRA |
![]() Nampahafantarina ny mpijery àry ny sorapiainan'i Om-Gui tamin’io alarobia io. Mpanoratra, mpihira ary pôeta izy, mpikambana tao amin’ny Faribolana Sandratra, nanana ny anjara toerana lehibe teto amin’ny firenena, nametraka ny anarany teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto ary nanangana ny tarika Ny Ainga. ![]() ![]() Voromanga nitera-boromanga no azo ilazana ny pôeta Mahefa satria nandray anjara tamin’ny fiantsana ny tononkalony ny zanany vavy izay mbola herotrerony tokoa. Araka ny efa nampoizina dia niantsa tononkalo koa i Mahefa nandritra ity tapatapakahitra ity. Nofaranan’I Lilie tamin’ny hira ny hetsika Pôetawebs misehatra. ![]() Nanome voninahitra ny fotoana ny Tale jeneralin’ny tranombokim-pirenena Njaka Raonison, izay sady nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy. Maro be ny mpijery; liana tanteraka ka tsy nampaninona azy ny maro tamin'izy ireo ny nitsangana sy nitalapetraka noho ny fahafenoan’ny seza. Tsy ny olona tao anatin’ny literatiora ihany no tonga nanotrona ny fa ireo mpianatra nanao andiany maro, nandranto fahalalana momba ireto pôeta roa lahy ireto. ![]() Nitondra ny teny famaranana i Léa Fandresena, ary tany am-pamaranana dia natolotra ho fantatry ny mpanatrika ny mpikambana iray vaovao ao amin’ny Pôetawebs antsoina hoe Vetson’ny Fanahy. Entoana ary dia maneho ny fisaorana ireo rehetra niombom-po tamin'ny Pôetawebs i Toetra Ràja izay namolavola ity hetsika ity: “Ny
fisaorana hono toy ny fary lava vany ka tsy lany hamamiana ary satry
haverimberina hitoetra ao am-pon'ny Malagasy rehetra mpandala ny
literatiora. Noho ianareo indrindra no antom-pisian'ny Pôetawebs,
mamelo-maso ireo nialoha lalana, manohana ireo pôeta namana mpiara-dia,
ary indrindra mamela mamy ho an'ny taranaka mifandimby. Hitohy hatrany
izany fanandratan'ny Pôetawebs ny literatiora izany ka hanomezany
fotoana indray eto amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy amin'ny alarobia
faha-17 Nôvambra 2021, hanatanterahana sorapiainana sy tapatapakahitra
an-tsehatra miaraka amin'ny pôeta roa manana ny maha izy azy. Misaotra
tompoko!"
Sary : Vetson'ny Fanahy |
![]() |
![]() |
Fy, Tonian-danonana |
Izy telo mirahavavy avy ao
amin'ny tarika Ny Ainga |
![]() |
![]() |
Do Rabesaiky nameno ny fintina momba an'i Om-Gui rahalahiiny |
Fy namintina
ny sorapiainan'i Mahefa ary nanadihady azy |
![]() |
|
Ireo mpanatrika, indray
mitopy maso. Eo anoloana ankavia ny tarika Ny Ainga. Anoloana
ankavanana ny pôeta Mahefa omban'ny fianakaviany, miaraka amin'i
Nalisoa avalitera |
|
![]() |
![]() |
Léa
Fandresena (Pôetawebs) nitondra ny teny fisaorana |
Léa
Fandresena, Tsikimilamina Rakotomavo, Mahefa, Vetson'ny Fanahy, Fy |
![]() |
![]() |
Gazety Taratra (Narilala) |
Gazety Les Nouvelles
(Joachim Michaël) |
©
Pôetawebs
|