Ny Hasina Ratsimbazafy : Mitady ny very !!!

Lahatsoratra - 20/02/2023

Pôetawebs - 20/02/2023

 

Ny Hasina Ratsimbazafy : Mitady ny very !!!

Anisan'ireo mpikambana nasondro-daharana ho mpiara-miombonantoka eo anivon'ny Akademia Malagasy i Ranoe, tao anatin'ny fivoriambe fanokafana ny taom-piasana akademika 2023-2024 teny amin'ny Lapan'ny Akademia Mlagasy eny Tsimbazaza.
“Atolotro anao ny Fanilo, asandrato ambony izany!” raha hadika tsotsotra amin’ny teny malagasy ny tenin’i J.-J. Rabearivelo, iray tamin’ireo mpanoratra malaza nanorina sy nitarika ny Hetsika “Mitady ny very” teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy.

Hetsika nahery vaika teo amin’ny tantaran’ny literatiora malagasy ny vanimpotoana “Mitady ny very” (1931 – 1934), efa zary tsianjery ho an’ny mpianatra sy mpikaroka momba ny literatiora izany saingy mbola nifantohan’ny fanontanian’ny mpikaroka iray ihany nandritra ny velakevitra izay nataony. Tsy diso anjara tamin’ny fizaram-pahalalana mikasika ny tantaran’ny literatiora tokoa ireo mpianoka ny tontolon’ny haisoratra. “Literatiora malagasy, ny niandohan’ny hetsika “Mitady ny very”” mantsy no lohahevitra nofakafakain’i Dr Ny Hasina Ratsimbazafy, Mpampianatra mpikaroka tao amin’ny Mozean’ny saripika.

Raha nilaza izany teny izany tokoa Rabearivelo ho an’ireo zandriny taty aoriana, mba iza kosa ireo mpanoratra tao anatin’ny vanimpotoana mifanesy ka nampita nitondra ny fanilon’ny fitiavan-tanin-drazana ka nanolotra izany ho an’ireo mpanoratra nanangana ny hetsika Mitady ny very?

Tsy nanao afa-tsy naka tahaka tamin’ny vahiny marina tokoa ve ireo mpanoratra tao amin’ny vanimpotoana kristianina sy ny vanimpotoana fakan-tahaka? Sa nisy ireo pôeta nitondra izay fanilon’ny fitiavan-tanindrazana izay saingy hadino sy tsy nasongadina teo anivon’ny tantaran’ny literatiora izay herim-po nananany izay? Karazam-panontaniana nisesy no napetraky ny mpikaroka ary antony nanapahany hevitra hizara izay fikarohana hitany.

Tsy nipoitra hoazy akory ny vanimpotoana Mitady ny very fa nisy tantara sy fanilo niampita tao nahateraka azy. Samy nahitana ireo pôeta nitondra ny fanilon’ny fitiavan-tanidrazana ireo avokoa na ny vanimpotoana Kristianina mahazatra na ny vanimpotoana fakan-tahaka aza saingy hadino izy ireny matetika ary tsy voaresaka akory anatin’ny tantaran’ny literatiora ny tolona mafy nataon’izy ireny (na voatonona ihany saingy tantaraina fohy sy lalovana fotsiny), tolona ara-kolotsaina izay hita ihany koa tamin’ny tolona nataon’ireo mpitarika ny hetsika “Mitady ny Very”. Iza avy izy ireny? Tao amin’ny vanimpotoana fakan-tahaka dia niavaka i Justin Rainizanabololona (Jupiter). Nanangana ny gazety lakolosy volamena izy izay niova ho trompetra volamena ny anarany avy eo ny taona 1911. "Angamba tsy naneno kokoa ve ilay lakolosy fanairana dia novainy ho trompetra volamena?" hoy i Dr Ratsimbazafy Ny Hasina. Ao anatin’ny fanjanahan-tany no nanangana trompetra i Jupiter; dia nampametra-panontaniana hoe naninona taoriana kelin’io no lasa nanamafy dia mafy ny sivana atao amin’ny asasoratra tampoka teo ny governora tamin’izany fotoana? Naninona no tombanana ho niforona manodidina ny taona 1912 sy 1913 ny VVS ary maro mpanoratra voaroiroy tao anatiny? Nanangana ny sekolin’ny pôeta niaraka tamin’i Stella ny taona 1906 i Jupiter ary nivoatra hatrany ny fampianarany tao anatin’izany, raha niainga tamin’ny fakan-tahaka toy ny pôeta rehetra tao amin’ny vanimpotoanany izy dia nivoatra hatrany ka nampianatra ireo mpianany mba hitolona hikaroka izay tena gadona mety amin’ny Malagasy ary nomarihiny hatrany fa tsy tokony hanaraka an-jambany ny fampianarana atolotry ny vahiny. Ny gadona taralila sy ny kidombaramita niaraka tamin’i Ny Avana Ramanantoanina izay mpianany no isan’ny natolony tamin’izany. Tafita tamin’i Ny Avana Ramanantoanina izay mpianany ny hafatra fa tokony hojerena ilay tena malagasy ary tokony hitohy hatrany ny fikarohana izay tena malagasy izay. Nanohy hatrany ny fanoratana hainteny i Jupiter ary ny asasorany dia maro no lavitry ny atao hoe vanimpotoana fakan-tahaka kanefa dia nosaronan’ny mpikaroka ao anatin’izany vanimpotoana izany izy, noho ny mety tsy ho fahazoana loatra ilay tena fototry ny hevitra rehetra nambarany, dia ny : “tsy fanarahana an-jambany ny an’ny vahiny sy ny fikarohana izay mety ho an’ny Malagasy izany”. Tsy nipoitra hoazy araka izany ny hetsika Mitady ny very fa nisy fitaizana tao, na tsy hita mivantana aza dia tsy maintsy nisy fiantraikany tamin’ny mpianany ny fambolena tsikelikely ny fitiavan-tanindrazana tao anatin’izy ireny, fitaizana izay hita tamin’ireo famakafakan-kevitra nosoratan’i Jupiter fa tokony hikaroka ny mahaMalagasy isaky ny hamorona asasoratra fa tsy tokony hanaraka an-jambany ny an’ny vahiny izay hatrany. Tsy voasongadina anatin’ny tantaran’ny literatiora loatra anefa ireny tolona sy ezaka nataony ireny fa ilay fakan-tahaka talohan’ny 1911 hatrany no nitsarana an’i Jupiter kanefa nanomboka ny 1911 (izay mbola tafiditra anatin’ny vanimpotoana fakantahaka) dia nitondra fihavaozana goavana eo amin’ny famolavolana ny mpanoratra sy ny hoavin’ny literatiora rehetra i Jupiter. Marihina fa tsy nitsahatra nanoratra ny Hainteny i Jupiter ary isan’ny namorona ilay hira “Lakan-drafitra” ihany koa izay nivoaka tao anatin’ny vanimpotoana fakan-tahaka kanefa mifanalavitra tanteraka amin’izay mety hahafantarana izany vanimpotoana izany. Vanimpotoana dimy, hoy ny mpanao velakevitra, no nodiavin’i Jupiter (vanimpotoana kristianina, vanimpotoana fakan-tahaka, vanimpotoana Fiforetana anaty, vanimpotoana mitady ny very, vanimpotoana hita ny very) mialoha ny nikimpiany ny taona 1938. Somary voailik’i J.-J. Rabearivelo izy tao amin’ny vanimpotoana Mitady ny very satria maika hitsara ireo mbola fitavozavozana teo amin’i Jupiter tamin’ny fomba fikarohana ilay mahaMalagasy izy fa tsy nahatsapa ilay ezaka goavana rehetra vitan’ity raiamandrenibeny ity teo amin’ny fampandrosoana ny asa famoronana vokarina malagasy.

Tahaka izay ihany koa ny vanimpotoana Kristianina hoy i Ny Hasina Ratsimbazafy, iza indray no nampita ny fanilon’ny fitiavan-tanindrazana tao? Nanaraka an-jambany ny fampianaran’ny vahiny ihany koa ve ny rehetra tao sa nisy ny niavaka tao anatin’ny maro? Mpianatry ny misionera avy amin’ny LMS ny mpitandrina Rajaonary. Nampianarina hanaraka ny gadona anglisy ny famoronana tononkiram-pivavahana tamin’izany ary saika nanaraka izany avokoa ireo mpianatra misionera. Tahaka ny mpianatra rehetra dia nanaraka izany koa Rajaonary. Tahaka ny fivoaran’i Jupiter anefa dia nivoatra ihany koa izy taty aoriana ka nahatsapa fa tsy tokony hopotehina ny gadona malagasy. Raha toa ka tokony hierana amin’ireo Misionera ny fampidirana hira anaty fihirana dia nisy hira nampidirin’ny Mpitandrina Rajaonary sy ireo namany tao tsy nierana satria fantatr’izy ireo fa tsy hoeken’ny Misionera noho izy tsy nampanarahana ny gadona vahiny fa natao gadona sy tononkira zafindraony kosa. Nanomboka teo dia nisy ny disadisa teo amin’ny Misionera sy ny mpianany sasany izay notarihin’ny mpitandrina Rajaonary. Niitatra amina karazana olana isan-karazany izany avy eo ka nakatona mihitsy aloha ny farany ny fiangonana FJKM tao ambatonakanga izay nisy azy ireo. Nisintaka tamin’ny Misionera vahiny ny mpitandrina Rajaonary ka nanangana ny fiagonana FMTA Ambatonkanga izay namolavola mpitolona maro. Rehefa fantatry ny mpanjaka Ranavalona izany fitiavan-tanindrazana nananan’ny mpitandrina Rajaonary izany dia nanampy ny fiangonana avy aty ambadika izy (nanome orga sy fanampiana hafa). Hiraina hatramin’izao ny gadona zafindraony amin’ny hira maro ao amin’ny FMTA Ambatonakanga, nanoratra hira zafindraony betsaka koa i Jupiter. Tononkira tokoa mantsy no endrika nisehoan’ny literatiora malagasy an-tsoratra voalohany.

Raha fintinina izay voalaza izay dia nandray anjara lehibe tamin’ny famolavolana ireo pôeta tsy hanaraka an-jambany ny fakana tahaka ny literatiora vahiny ireto pôeta roa ireto. Izany hevitra sy tolona nijoroany izany no mbola voizin’ny mpitarika ny hetsika Mitady ny very taty aoriana na dia efa lasa lavitra sy avo lenta kokoa aza ity farany. Tsy misy hidiran’ny fanovana daty akory hoy ny mpanao velakevitra ny fikarohana naroso saingy hanaitra ny mpianatra sy ny mpandalina ny amin’ny fisiana tranga tsy tokony hotsinontsinoavina anatin’ny tantara. Tsy tokony ho voatery anaty lasitra iray avokoa ny mpanoratra anaty vanimpotoana iray fa mety misy miavaka amin’ny betsaka ao, mety ho sarona ao izy kanefa mety tena kihon-dalana lehibe teo amin’ny tantaran’ny literatiora ny fisiany. Azo atao tsara ny mametraka ny anaran’izy ireny ho “mpanoratra niavaka” ao anatin’ilay vanimpotoana izay nisy azy.

Rehefa avy nitety ny vanimpotoana vitsivitsy ny mpanao ny velakevitra dia nanamafy ny zava-dehibe izay mety hadino amin’ny ampahany ihany koa tao anatin’ny vanimpotoana “Mitady ny very” dia tsy inona fa ilay endrika fahaiza-manoratra hafakely naroson’ny mpitarika ny hetsika “Mitady ny very”. Raha asian-teny manokana ny pôezia hoy ny mpikaroka dia ankoatra ny gadona kidaombaramita hitan’i Ny Avana dia namerina ireo literatiora nentin-drazana tamin’ny alalan’ny pôezia ihany koa ny mpanoratra raha haka ny ohatra nomen’i J.-J. Rabearivelo. Maro izy ireo fa ohatra dimy no tena nisongadina dia ny famoronany ny : pôezia miendrika angano, pôezia-hainteny, pôezia-ankamantatra, pôezia-hosodoko vita amin’ny teny ary ny pôezia-sarimihetsika an-teny. Nanomezany ohatra vitsivitsy tamin’ny tononkalon’i J.-J. Rabearivelo izany :
 

"Angano angano, arira arira ……..
 Mbola mifatotra eo amin’ny vahin’ny alina va ny lakana tranain’ny angano?
 Nitondra anay avy aty amoron’ny torimaso ho eny amin’ny tanjon’ny maraina?”


Izany no sombina Pôezia miendrika angano nentin’ny vanimpotoana mitady ny very ho antsika, hoy izy. Indraindray koa anefa mifanena amina karazana tononkalo tahaka izao ianao:
 

“(…) indro lehilahy mainty iray, feno voamaso ny tenany manontolo
 Mijinja amim-pitiavana ilay sangan’akoholahimena (…)


Moa tsy izany ve no atao hoe Pôezia-ankamantatra? izay matetika miharo angano ihany amin’ny farany izay noforonin’ny mpanoratra tao amin’ny Mitady ny very hatrany. Nitanisa ohatra maro izy saingy tsy ho votanisa eto fa noraisiny farany ilay tononkalo manao hoe:
 

“indreny andiamborona marobe
 avy eny amin’ny fivezan’ny lanitra,
 ny iray tamin’ireo nandray ny lefony ary nanakombona ny elany
 ka nandratra ilay hany masotokan’ny lanitra”.


Tahaka ny mijery hosodoko na sarimihetsika ‘filma’ isika hoy ny mpamelabelatra raha maheno izany andalan-tononkalo izany. Tsy filma mivantana anefa no hita fa sarimihetsika na hosodoko vita amin’ny teny ihany izy ireny. Mbola marobe hoy izy ny endrika famerenana ny very tamin’izany fa sombiny ihany no nentiny.

Ny Faribolana Sandratra hatreto, hoy izy, no nahitako ny “Riankalo” izay faritako amin’ny hoe endriky ny “Pôezia - Hosodoko vita amin’ny teny”. Ry zareo ihany koa dia mampiroborobo ny resaka Tsangankalo izay ampivondronana ny tsangan-tononkalo sy ny Teatra pôetika ankehitriny. Ary mahavelombolo hoy izy izay fikarohana ataona mpanoratra tahaka ny fanaovana ny Sôvaramita sns… izay famelomana ny pôezia amin’ny alalan’ireo literatiora nentin-drazana izay.

Nahaliana ny mpanatrika, indrindra ny mpanoratra tonga tao ny velakevitra ary nisy mihitsy aza nilaza fa ny tahaka izao no tsy ampy amin’ny tontolon’ny literatiora ka nisy ny naneho ny hetahetany ny mba hisian’ny fihaonana matetika eo amin’ny mpikaroka avy eny Ankatso sy ny fikambanan’ny mpanoratra amin’ny karazan-javatra tahaka izao ho fiaraha-mientana amin’ny fampandrosoana ny literatiora.

Ny hitovizan’ireo mpanoratra nitondra ny fanilon’ny tolona ho an’ny literatiora malagasy hoy hatrany izy, dia ny hoe tsy tokony hanaraka an-jambany izay fampianarana aroson’ny vahiny fa tokony hamorona literatiora mifanaraka amin’ny maha Malagasy hatrany.

Vokatr’izay fahalianan’ny mpanatrika izay dia tsy tambo isaina ny fanontaniana naroson’izy ireo. Anisan’ireny ny akon’ny vanimpotoana mitady ny very amin’izao ankehitriny diavina izao, ny anjara toeran’ny literatiora eo amin’ny andavanandrom-piainan’ny olona, ny fahitan’ny mpikaroka ny literatioran’ny vanimpotoana ankehitriny… Marihina fa ankoatra an’i Pr Narivelo Rajaonarimanana izay mpikamban’ny Pôetawebs, dia maro ireo mpikaroka, taranaka mpanoratra, mpampianatra, mpanoratra, mpianatra, olon-tsotra … nanatrika ity andro manan-tantaran’ny hetsika “Mitady ny very” ity.

 

 

 

 

 

 

 

 

Date de dernière mise à jour : 02/12/2023