Ny poeta raha miteny Dia mampita izay mba reny Sady saininy ombieny Amin'ny gadona avo lenta Mampitony hetaheta Bitsik'ivan'ny poeta |
|
|
ANTSIVA | |||||||||||
05 novambra 2010 | |||||||||||
ANTSIVA, na Rasoamanarivo Solomampionona Marie-Angèle tamin'izy mbola mpitovo, ary nanjary Raharijaona Marie-Angèle nony nanambady, no vahinintsika etoana. Mamapasy koa aza no fiantsoana azy satria diso fantatry ny Malagasy maro any Frantsa izy amin'ny maha Mpitandrina azy. Maro dia maro tokoa moa ireo fiangonana malagasy any an-toerana no efa nitandremany. Mahafantatra azy koa anefa ny eto Madagasikara satria efa nisahana ny fampianarana teny malagasy sy frantsay teto izy. Araka izany dia manampahaizana manokana amin'ny teny malagasy izy ary nahavita fianarana teny amin'ny Anjerimanontolon'Antananarivo momba ny haisoratra malagasy. Nanita-pahalalana tany Parisy (INALCO) izy tato aoriana ka tamin'izany no nahazoany mari-pahaizana "doctorat". Poety koa anefa izy ary manana traikefa tokoa satria efa tany amin'ny taom-polo 60 no nanombohany namindra. Tsy tambo isaina araka izany ireo fahombiazana vitany teo amin'ny fiainana ka tsaratsara angamba isika raha hiroso etsy amorom-patana hitapatapak'ahitra miaraka aminy.
Ny anarana indrana “Antsiva” Tsy teraky ny kisendrasendra nefa koa tsy nosaintsainiko akory ny hitondra ny anarana indrana hoe “Antsiva” izay zary tandra vadin-koditra amiko ankehitriny.
Fahiny, teo amin’ny fiainana andavanandro dia karazana akorandriaka fampiasa hamoahana feo ho fanairana sy famoriana olona rehefa misy Andriana tonga ny antsiva. Amin’ny fomba ahoana no haha Antsiva ahy ? Rehefa nalaiko ambony, nalaiko ambany dia toa izao no fandraisako azy : izaho dia akorany ihany, fitaovana ampiasaina hamoaka sy hampita feo. Feon’inona anefa ? Feon’antsiva. Feo fanairana. Feo tsy mampitomoe-poana fa maniraka hihetsika.
· Inona moa no tena amaritanao ny hoe “olon’ny literatiora ?” · Tsiahivina eto am-panombohana fa tsy izay namoaka boky ihany no azo lazaina ho olon’ny literatiora. Misy karazany roa ny literatiora dia ny literatiora am-bava sy ny literatiora an-tsoratra. Anisan’ny literatiora am-bava, ohatra, ny lovantsaina, ny lovantsofina, ny kabary (toy ny kabary am-panambadiana sy ny karazan-kabary eo amin’ny vanim-potoana samy hafa amin’ny fiainana andavanandro) sy ny hafa tsy àry ho voatanisa eto avokoa. · Milona ao amin’ny fiaraha-monina misy azy ny mpitandrina ary manana anjara fitenenana na an-kafaliana izany na an-karatsiana. Teny voahevitra, voalanjalanja, mifanaraka amin’ny vanim-potoana sy ny tranga eo amin’ny fiaraha-monina izany. · Milona tanteraka ao anatin’ny literatiora ny Mpitandrina. Iarahantsika mahalala ny maha-mpitandrina sy mpanoratra an-dry pasitera Rabary sy Ravelojaona. Maro ny asa soratra vitany izay ifandovan’ny taranaka mifandimby. Tsy zoviana amin’ny mpitandrina ny literatiora kristianina raha ny Fihirana sy ny Toriteny vita an-tsoratra (na tsia) no itarafana azy. · Ny fahefa-mamoaka boky no tsy ampy na tsy misy fa raha ny mpitandrina rehetra, ohatra, no afa-mamoaka ho boky ny toriteny nataony hatramin’izay naha-mpitandrina azy dia maro no hiaiky volana ny maha-olon’ny literatiora ny Mpitandrina.
Asa fanolorantena tokoa ny asa misiona. Kely dia kely raha ny fivelomana fandray isam-bolana tamin’izany fotoana izany. Tao ny tsy fisiana, ny fihafiana. Niaretana daholo anefa izany. Tsaroana eto ilay hira mamy dia mamy hoe :
Antony maro no nandrisika ahy hamoaka tononkalo ao amin’ny haisoratra.org. Raha fehezina dia azo tsinjaraina ho fito izany : 1. Nampahafantarina ahy ny fisiany sy ny antom-pisiany, ny karazana asa soratra azo ampidirina ao. Fomba ahoana tokoa moa no ahazoako mamoaka tononkalo ao raha tsy fantatro ny fisiany ? 2. Notaomina sy nampirisihana aho hanoratra tao. 3. Tsy hoe satria notaomina hanoratra tao aho no nahatonga ahy hanoratra tao. Tsia. Nifaniho faka tamin’ny fomba fijeriko sy fomba fisainako ny fisiany sy ny antom-pisiany. 4. Tia manoratra aho. Fomba iray ho fampahafantarana ny asa soratra sy ny aingam-panahy ny “haisoratra.org”. 5. Ankoatra izany, nitana anjara toerana lehibe tao amin’ny fisainako ny teny hoe “haisoratra” fa nampahatsiahy ahy ny fianarana fahiny teny amin’ny Anjerimanontolo teny Ankatso. Ny “haisoratra malagasy” manko no tena nifotorako teny amin’ny Oniversite tamin’izany fotoana izany. Hahagaga ve raha niantefan’ny safidiko ? Mety misy antony hafa koa fa tsy ho voatanisa eto avokoa ny antsipiriany. 6. Tiako homarihina koa fa nanohy fianarana tao amin’ny Institut National des Langues et Civilisations Orientales (Paris VIIe) aho taty aoriana ary iray amin’ny mpampianatra ahy tao no anisan’ny tompon’andraikitra amin’io tranonkala “haisoratra.org” io. Zava-dehibe amiko ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny fametrahana amin’ny maha izy azy ny teny malagasy sy ny haisoratra amin’ny ankapobeny. 7. Raha fehezina dia raisiko ho antson’ny Tanindrazana sy ny Tenin-drazana ny nisafidianako tsy am-pisalasalana ny “haisoratra.org”. Tonga eo amin'ny resaka tanindrazana indrindra isika. Ny tononkalonao telo farany nivoaka tao dia samy nosoratana tamin'ny 26 jona 2010 avokoa, andro fankalazana ny faha 50 taonan'ny fahaleovantena. Azo lazaina fa amin'ny alalan'ny poezia ve no isehoan'ny fitiavanao ny tanindrazana ? Maro ny fomba isehoan’ny fitiavan-tanindrazana. Iray amin’ireny ny asa soratra toy ny poezia. Tsy ny asa soratra ihany anefa no ahitana taratra izany. Fitsipi-piainana iainana mihitsy ny fitiavan-tanindrazana. Ny fiainana manontolo sy izay atao rehetra dia tokony ahazoa-mitaratra ny fitiavan-tanindrazana avokoa. Santionan’izany no homarihina fohifohy eto :
Santionany ihany ireo voatanisa ireo fa miseho amin’ny endrika maro ny fitiavan-tanindrazana. Miara-dàlana hatrany koa amin’ny fanoloran-tena sy fandraisana andraikitra ary fitsinjovana andro aman’alina ny soa ho an’ny daholobe sy ny taranaka mifandimby ny fitiavan-tanindrazana.
Raha tononkalom-pitolomana no asian-dresaka dia ny Adim-piainana sy ny Hadim-piainana no antenaina hisongadina ao. Mifamatotra ireo. Ny Adim-piainana dia tsy hafa fa ny anton-javatra rehetra raiki-tampisaka amin’ny fiainana ka mahatonga izany tsy hilamina, tsy hirindra, tsy hitondra fiadanan-tsaina ary tsy mampivelatra ny maha olona rehetra sy ny maha olona manontolo. Ny olona tsirairay dia samy manana ny adim-piainany. Ny Hadim-piainana kosa dia toy ny hadivory manodidina ny tanànan’ny fiainana izay misy ny adim-piainana. Hantsana manodidina ny hadim-piainana ka mety hanorotoro izay tsy mitandrina sy mandeha an-jambany satria tsy mahita ny vavahady fidirana sy fivoahana ao an-tanàna. Miseho amin’ny endrika samy hafa ny tolona atrehina amin’izany. Misy ny adim-piainan’ny olona tsirairay. Eo koa ny hadim-piainan’ny fiaraha-monina iray. Tsy azo odian-tsy hita koa ny Hadim-piainan’ny Firenena iray manontolo. Hantsana mivava hampiletsy vahana ny Firenena io ka mitaky ny fanahim-pahatsiarovantenan’ny rehetra hisorohana ny loza. Azo lazaina ho anisan’ny lohalaharana amin’ny fanairana ny fanahim-pahatsiarovantenan’ny tsirairay ny tononkalom-pitolomana amin’ny maha tononkalom-pitolomana azy. Ny hady koa anefa dia karazana arofanina, fiarovana ny tanànaben’ny fiainana izay misy ady mihoatra ny loha ka izay mivoaka sy miditra amin’ny vavahady ihany no ho velona. Ny vavahady dia tsy hafa fa resaka hay lamina sy fitsipi-pitondrantena. Matetika dia ny Fitiavan-tanindrazana no asongadina. Endri-pitolomanana manana ny maha izy azy ny Fitiavan-tanindrazana. Indraindray dia ny Fankamamiana ny Tenin-drazana no asongadina. Mifandray sy mifameno ny Fitiavan-Tanindrazana sy ny Fankamamiana ny Tenin-drazana. Samy mahasaro-piaro ny Tanindrazana sy ny Tenin-drazana, tiana ka arovana, tiana ka asondrotra, tiana ka hajaina sy tiavina ary katsahina hatrany izay ho fampandrosoana azy. Indraindray koa dia tononkalo manandratra ny Fahafahana no anehoana ny tolona. Mahafaobe io Fahafahana io. Eo ny Fahafahan’ny olona amin’ny maha olona azy : olona miaina, olona misaina, olona mila miakanjo, mihinan-kanina, olona mila mivelatra ihany koa eo amin’ny tontolom-piaraha-monina misy azy. Raha fehezina dia tokony hohamafisina ny Hadivory antoky ny tanàna; dia ny soatoavina tsy lany hamamiana ary ny Fanahy maha olona. Tokony hambolena be dia be ny vaha olana amin’ny endriny kanto, amin’ny alalan’ny haisoratra sy ny teny. Ho difotra ao anatin’izany ny adim-piainana ka hanjary ho zezika sy ho fanoitra hahatongavan’ny ho avy mamirapiratra ho an’ny Vahoaka malagasy tsivakivolo. Toy ny vary raraka an-keniheny izany ka ombay mitady, ombay mitsimpona, ombay mampirina.
Misy tranonkala vitsivitsy mety hahitana ny tononkaloko. Hotanisaiko eto ambany izany :
· Ao amin’ny Heli’s Madagascar § Ao amin’ny Rahely’s Blog - Tous ensemble pour Madagascar - Madagasikara, Malagasy miara-misikina § Misy koa « blog » hafa maka sy mampiasa ny tononkaloko, santionan’izany ity : tritriva.unblog.fr/antsiva-poetesse-malgache/ § Ao amin’ny vohikalan’i Antsiva : http://antsiva.webs.com § Misy olona hafa koa maka ny tononkaloko ka mampiditra izany ao amin’ny tranonkalany noho ny antony samihafa.
Aingam-panahy moa ny tononkalo ka mety hanao fijery mitanila ihany ny tena raha hilaza hoe izao no tsy ampy na izao no tokony ho iziizy kokoa. Na izany na tsy izany dia tokony hanome vahana misimisy kokoa ny fandalana ny tontolo iainana sy ny zava-boary ny tononkalo malagasy. Ankoatr’izay dia maro no manan-talenta amin’ny famoronana tononkalo saingy tsy afa-mamoaka izany ho boky avokoa noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana. Tsy voatery hiady rima daholo koa vao azo lazaina ho tononkalo. Mandoko ny zava-misy sy ny kanto, izany hoe ny faniriana lalin’ny mpamaky sy mpihaino (antsan-tononkalo) ve ny tononkalo malagasy ankehitriny ? Moa maneho ihany koa ny ngidin’ny fiainana manodidina ny hady izay misy ny ady atao isan’andro ? Tsy hoe mandoko ny zava-misy sy ny kanto ihany ny tononkalo fa manana andraikitra lehibe hanolotra vaha olana sy tolo-kevitra ihany koa ahitana ny vavahady hany ahazoana miditra sy mivoaka amin’ny lalana tena izy, izany hoe, ahazoana mandresy amin’ny ady. Ady tokoa manko ny fiainana. Manoloana izany dia manana endrika arofanina koa ny tononkalo amin’ny maha hady azy. Arofanina izy ka fara faharatsiny dia tokony hitondra fampanantenana fa mbola tsy ritra ny rano ao anaty lava-drano. Ny soatoavina maha Malagasy no tian-kolazaina amin’izany. Tsy lany koa ny sakafo voatahiry ao anaty lavabary. Tsy hafa ny sakafo mitondra fahavelomana fa Ilay Fanahy maha olona. Mpaneho ny zava-misy sy mpanolotra vaha olana ary mpitondra fampanantenana ny poeta. Hita taratra eo amin’ny tononkalo malagasy ankehitriny ve izany ? Atsipy, hono, ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy kosa ny teny am-pon’ny mahalala…
Hararaoty e ny fotoana,
(Antsiva, “Ny aina tsy mifametra”, 13 oktobra 2008)
Misaotra indrindra fa tsy nataonareo voasary ivelan’ny voly mpanoratra tononkalo malagasy aho. Ny tavan’ny rahalahy tokoa mandranitra ny tavan’ny rahalahy. Firariantsoa no amaranako ny teniko ho an’ny tranonkalan’ny poeta malagasy dia izao : ho toy ny rano am-bodivondrona anie ny tranonkalan’ny poeta malagasy ka tsy ho diso ny sambatra sy ny manan-jara hatrany !
|
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety |
Date de dernière mise à jour : 05/07/2021