Paotsatroka ho an'ILAY
Ny poeta raha miteny 30 jolay 2018
|
NANAPOAKA NY “IZY… ILAY” NY FARIBOLANA SANDRATRA
— Tatitr'i Tsikimilamina Rakotomavo — “Izy… Ilay“, fomba fiteny fandre matetika tany amin’ny taona 80 sy 90 izay hilazana hamanjana sy hatsarana no nisalorana ny hetsika Paotsatroka ho an’ILAY na Ralaisaholimanana Louis Dominique ny sabotsy 28 Jolay 2018 tao amin’ny CGM Analakely.
Na dia feno hipoka aza ny efitrano malalaky ny Foibe ara-kolontsaina Alemana dia tsy nahasakana ireo maro izay nijajirika naharitra ora telo teo ho eo ny fankafizana izany.
Lanonana manara-penitra no hita soritra tao an-toerana. Ankoatra ny fandraisana makotroka izay nataon’ireo Andriambavilanitry ny Faribolana Sandratra sy ny fanentanana nataon-dRiambola Mitia dia nisy ny fandraisam-pitenenana samihafa nataon-dRanöe, mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra, ny filohan’ny FMTS, Lalao Rabenandrasana ary Rtoa JOHASY Eleonore, Minisitry ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka. Nisantarana sy nanelana ny hetsika ny fiantsan’ny Mpiraifaribolana ny tononkalon’ILAY. Nandrotsirotsy ny rehetra tamin’ny alalan’ny hira ba gasy ny Mpihira Jean Yves.
“Izy… Ilay”, nampahafantarin’i Riambola Mitia tamin’ny mpanatrika ny mombamomba an’ILAY na teo amin’ny fianarana sy asa fivelomana, na ny asa soratra, na ny mampiavaka azy manokana toy ny solon’anarana maro, ny mari-pankasitrahana, ary ireo fikambanana nisy azy.
Fa ny ivon’ny fotoana dia ny fanolorana fanomezana an’ILAY. Taorian’ny lahatenin-dRamatoa Minisitry ny Kolontsaina dia nanolotra ny Boky Somambisamby ho an’ILAY izy. Boky mirakitra ny tantara foronina izay nosoratan’ILAY izany. Nampihetsi-po ny rehetra avy eo ny fanoloran’ny Minisitra mari-pankasitrahana ho an’ity sangan’ny soratra ity.
Novakiana taorian’izany ny sombiny tamin’ny tantara "Somambisamby" sy ny "Mikatsaka ny Fiadanana" izay samy tantara noforonin’ILAY avokoa.
Anisan’ny ampaham-potoana tsy fanadino ihany koa ny resadresaka tamin’ILAY sy ireo namana sy indray nihira taminy. Nanafana izany i J. Nalisoa Ravalitera, Niry-Solosoa, Ranöe izay samy mpanorina ny Faribolana Sandratra, Ranjatohery Harilala izay mpanoratry ny Havàtsa-Upem sady nifanerasera akaiky tamin’Ilay ary Tsiky Rakotomavo mpikaroka. Fanehoana ireo fihetsika sy fomba fiasa ary ny tontolony eo amin’ny famoronany no nisongadina tamin’izany. Toy ny dinidinika ambany tafon-trano tokoa no niainana satria tsy afaka mihitsy ireo vazivazy amin’ny maha gaonan’Antsihanaka.
Maro ireo olona tonga nanotrona ity fotoana ity toy ny Minisitry ny Kolontsaina sy Asa Tanana ary ny Fiarovana ny vakoka sy ireo mpiara-miasa aminy, ireo mpiara-miasa taminy teo amin’ny Tranombokim-pirenena, ireo naman’Ilay teo amin’ny sehatra maro samihafa, ny fianakaviany, ireo mpianatra amin’ny ambaratonga samihafa, ireo mpanao gazety.
Fiarahana nigoka ny fisotro mafana sy ireo tsaingoka vita malagasy no namarana ny fotoana izay nampalai-nisaraka ny rehetra.
“Izy… Ilay”, fotoana fitadidy eo amin’ny tantaran’ny Faribolana Sandratra, eo amin’ny tantaran’ny Literatiora malagasy, ary ho an’ny rehetra izay mankafy ny zavakanto arindran’ny teny. Koa raha toa ianao tsy nanatrika iny fotoan-dehibe iny dia manasa anao hianoka ny tononkalon’ILAY.
OMALY SY ANDROANY
Omaly ianao nitsiky
Nihiratra nitafa
Androany kosa iky
Niavona, hafahafa
Omaly ianao nihomehy
Narisika, niresaka
Androany kosa he
Nanjonitra sy reraka!
Anikeo nazava
Ny lalana nizorana
Izao ka maizim-bava
Takotry ny orana
Fa ahoana marina?!
ny vehivavy, lahy… sarotra takarina
ILAY, Sandratr’Antsa tak 7
Tatitra sy sary: Tsikimilamina Rakotomavo

Rtoa JOHASY Eleonore, Minisitry ny Kolontsaina sy Fampiroboroboana ny asa Tanana ary Fiarovana ny Vakoka |
Sary fahatsiarovana niarahan'Ilay tamin'ny Mpiraifaribolana Sandratra sy ireo namana niara-nisalahy tamin'ny fanatanterahana ny fotoana | |
"Paotsatroka" nosoniavin'ny Ministra | Teo am-panolorana azy indrindra... | |
Ireo niantsa ny tononkalon'ILAY | ||
Ilay boky "SOMAMBISAMBY" |
Pôetawebs©2018 - poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 31/07/2018