Lahatsoratra : Faniry Ezeckiel |
![]() SEHO AN-TSEHATRY NY FARIBOLANA SANDRATRA BETAFO |
![]() Taorian'ny Antsa ho an'ny Fireneko sy ny Fanah'Ainga Lavitra dia seho an-tsehatra fanintelony hotontosaina tao anatin'izay dimy volana nijoroany izay ity VOLAMBITA ity. Tiana ny mampahatsiahy fa toerana efa nifampizarany aingampanahy ny Dobo'Art nandritra ny alin'ny 26 Jona 2022, niangaliana ny "Afonangatra", ka tsy vahiny loatra ho an'ireo mpilomano anaty soratra. Araka izany, tsapa ho miroborobo ny sahan'ny literatiora any amin'ny faritra Vakinankaratra any. |
©
Pôetawebs
|