| Tatitra :
Vetson'ny Fanahy |
| FANJANAHAN-TSAINA — Ny Iraka Rambolamanana — |
Niaka-tsehatra
tetsy amin’ny tokotaniben’ny Tranombokim-pirenena Anosy ny pôeta Ny
Iraka Rambolamanana, ny alarobia 10 Nôvambra 2021 lasa teo, nitondra ny
boky "FANJANAHAN-TSAINA". Nifanindran-dalana tamin’ny
tsenaben’ny boky ity hetsika famoaham-boky ity. Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky
faha-12 nosoratan’Ny Iraka Rambolama- nana. Dimy amby roapolo taona
nanoratana ny lehilahy, dimy amby roapolo taona nitolomana tanatin'ny
soratra. Tsy mitsahatra ny fanapariahana ny haren-tsaina ataony, fa dia
natolony ny Malagasy ny boky tononkalo "Fanjanahan-tsaina", mirakitra
tononkalom-pitolomana sy hiaka ho fiantsoana ny Malagasy hitodika
indray hisaina ny momba azy. Rehefa afaka ny fanjanahan-tany, dia mila
hialana ihany koa ny "Fanjanahan-tsaina" hoy ny mpanoratra.Tsy diso anjara ireo mpanatrika maro be, fa notolorana ny tsangan-tononkalo, izay ampahany ao anatin’ity boky vaovao ity. Tononkalo iray manamarika ity boky ity ny “Bado”, izay efa nampanandraman-tsira ny mpakafy tamin’ny famoahana ny boky “Tsangam-bato” iray volana lasa izay. Hetsika niavaka tokoa ity famoaham-bokin’Ny Iraka Rambolamanana ity. Teo ihany koa ny nanaovana azy an-tokotany, ka mety ho anton'ny fahamaroan’ny olona nanatrika. Nanongilan-tsofina mantsy ireo mpitsidika rehetra tao amin’ny tsenaben’ny boky, ka nankafy ny tsangan-tononkalo nataon’ireo mpisehatra. Nandravaka sy nanome hasina ny seho ihany
koa, ilay andrarezin’ny vazo miteny “Belahy”, izay nampisy tsirony ny
fampisehoana. Raha atao indray mijery ny hira nataony dia tsy
mifanalavitra amin'ny tononkalo nentin’Ny Iraka Rambolamanana sy ny
ekipany, satria dia hiram-pitolomana ny ankamaroan’ny hira nentiny, toy
ny “2013”.Tonga nanome voninahitra ny seho ny mpampiantrano, ny solotenan’ny Tranombokim-pirenena, ary tsy hadinon’ Ny Iraka Rambolamanana ny nanolotra boky ho tahiry mipetraka ao amin’ity toerana ity. Naharitra ora iray sy sasany teo ny fotoana, izay nahafa-po ny mpanatrika. Nalai-nisaraka ny roa tonta satria mbola liana ny mpanatrika, voafetra koa anefa ny fotoana. Mirary soa sy fahombiazana ho an’Ny Iraka Rambolamanana amin’ny fanapariahana ny tononkalom-pitolomana sy ny anatra ho an’ny mpiray tanindrazana ny Pôetawebs. |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
|
©
Pôetawebs
|

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky
faha-12 nosoratan’Ny Iraka Rambolama- nana. Dimy amby roapolo taona
nanoratana ny lehilahy, dimy amby roapolo taona nitolomana tanatin'ny
soratra. Tsy mitsahatra ny fanapariahana ny haren-tsaina ataony, fa dia
natolony ny Malagasy ny boky tononkalo "Fanjanahan-tsaina", mirakitra
tononkalom-pitolomana sy hiaka ho fiantsoana ny Malagasy hitodika
indray hisaina ny momba azy. Rehefa afaka ny fanjanahan-tany, dia mila
hialana ihany koa ny "Fanjanahan-tsaina" hoy ny mpanoratra.
Nandravaka sy nanome hasina ny seho ihany

ny “2013”.