Faribolana Sandratra miaina sy mampiaina ny Sandra-kalo... Zara- fanahy

Faribolana Sandratra - 35 taona

Faribolana Sandratra - 35 taona
Tatitr'i Tsikimilamina Rakotomavo - 13/01/2024 

FARIBOLANA SANDRATRA MIAINA sy MAMPIAINA ny SANDRA-KALO....ZARA FANAHY

Henika haravoana, ireo mpianoka haisoratra maro be tao amin'ny Efitrano Dox nandritra ny fanokafana ny faha-35 taona niorenan'ny Faribolana Sandratra. Nitsingerina ny 11 Janoary tokoa ny fotoana niorenan'ny fikambanana ara-panjakana na dia fiainam-paribolana hatrany aza no ifandraisan'ny mpiraifaribolana rehetra.


Ireo mpanorina ny Faribolana  antsoina hoe vatofototra toa an'i J. Nalisoa Ravalitera, ILAY, Niry-Solosoa, Ranoe (sary eo ambony) no nilazalaza ny tantara tsy fanadino tsara ho fantatry ny rehetra. Nivohitra nandritra izany fa maro ireo vokatra efa niotazana toy ny boky niombonana, boky kely navoakan'ny mpanoratra tsirairay, fanapariahana ny haisoratra tamin'ny alalan'ny tononkalo mitety vazantany, fanehoana endri-tsoratra vaovao teraky ny tononkalo sns. Tsy azo hadinoina ireo fomba fisainana ifampizarana ka ifampitondran'ny mpirai-faribolana tahaka ny hoe "Ny zoky manandratra ny zandry; ny zandry manandratra ny zoky" sy ny hoe "mamorona fa tsy mamerina"...

Ankoatra ireo  akanga sisa nanamborana nanao velakevitra dia tsy azo hadinoina velively ireo nanorina ka nanao ny ainy tsy ho zavatra tamin'ny fampiroboroboana ny Faribolana Sandratra toa an'i Elie Rajaonarison, Solofo José, Lidyary, Gérard Rakotonirina, AR.Ni, Rampanana Raymond.

Tsangambaton'izao fotoam-pankalazana izao ny famoahana Amboara izay ivondronan'ireo boky efa navoakan'ny Faribolana Sandratra toa ny Sandratra amboaran-tononkalo voalohany, Sandra-kalo,Tontolo Isainana, Sandratr'Antsa, Sombitantara voafantina. Koa nanolotra izany ho an'ny tranombokim-pirenena i Ranoe izay mpandrindra Nasionaly.

Antsan-tononkalo nataon'ireo mpanoratra avy any Antsirabe, Mahajanga, Tsiroanomandidy, Antananarivo  noelanelanin'ny hira avy tamin'ny tononkalon'i Jasmina Ratsimiseta sy Haingo no nandravaka ny fotoana. Ankoatra ireo dia naneho ny iavahany ireo taranaka indray mihira isam-banimpotoana nidirany ho mpiraifaribolana.

Nanome hasina ny fotoana ireo tompon'andraikitra samihafa teo anivon'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina, ireo vady navelan'ny mpanorina, ny fikambanana literatiora samihafa, ireo mpianatra,  mpampianatra, mpikaroka... Ny tranonkala Poetawebs dia miarahaba sy mirary ny fahalavorarian'ny fankalazana ny faha-35 taonan'ny Faribolana Sandratra mandritra ny taona.


Nirihaja nilaza ny andinindinin'ny fandaharam-potoana mandritra ny taona

Ireo sampana avy any amin'ny faritany niantsa tononkalo


Vehivavy Sandratra


Ireo mpanatrika


Sary famarana

Date de dernière mise à jour : 13/01/2024