Tao

Ny poeta raha miteny
  dia mampita izay mba reny
 sady saininy ombieny
 
amin'ny gadona avo lenta
  mampitony hetaheta :
 bitsik'ivan'ny poeta. (T.Ràja)

17 Febroary 2016

FETIN'NY MPIFANKATIA? HOY IZY IREO HOE...

Raha misaodisaody hono ny sidisidina ka misiosioka ny soimanga dia velon-tsikitsiky ny tsikirity ary velon-kalokalo kosa ny sarivazo. Fa ny mpikarakara ny hetsika tamin'ny 13 febroary kosa dia faly sy ravo satria tanteraka ny fampisehoana izay nataony.

Maneho ny fisaorana sy fankasitrahana ho antsika izy ireo eto ambany.

Tao amin'ny IKM ANTSAHAVOLA, Brench MBOLAMASOANDRO, FILOHAN'NY fikambanana DTM MBOLAMASOANDRO:

"Fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo no atolotro ho an'ny mpiantsa sy mpankafy. Lehibe tokoa ianareo ka tsy azonay atelina fa sitraka sy telina tokoa ny soa nifampizarana teto na dia nisy aza ny tsy tomombana teo amin'ny lafiny ara teknika. Enga anie hitohy sy hiatsara ny fifampizarana ny kanto ataontsika".

Misaotra anao nijery
 sy tonga nankahery
 tsy namela anay ho irery
 tsy novidina tsy antery
"

Tao amin'ny RASALAMA indray tamin'ny 13 febroary io ihany no nahitana an'i Fotopisaina Raoly izay mpikarakara sady mpiantsa:

"Afapo tanteraka tamin'ny hamaroan'ny olona na dia nisy seho nifanidry aza. Nahafinaritra koa fahavitsian'ny mpiantsa izay nifanohana sy nifanampy hatramin'ny farany. Misaotra antsika rehetra nanatrika sy nandray anjara tamin ny boky natao fahatsiarovana. Ny hafatro:

 raha tsy mbola tia
 mihatsaravelatsihy
 fa rehefa tena tia
 mihozona ho doria"

Raha ny avy tetsy amin'ny TAHALA RARIHASINA indray dia i Doda Razafindravelo no maneho ny fankatelemana amintsika:

"Tsy afa-po izaho satria raha afaka ny foko dia maty aho ka tsy afaka maneho ny kanto intsony hihi! Mahaiza mankafy ny kanto malagasy, dia mifanohana hatrany hanandratra ny maha isika antsika. Mankasitraka tamin'ny fanampiana sy fanotronana satria teo ianareo ho ahy dia eo foana aho ho anareo ka hoy aho hoe:

tsiky iray monja
 dia afaka manova
 ity taona vaovao ity
 ho taonan'ny fitia
".


Tatitra : Léa Fandresena

  
Brench Mbolamasoandro sy Léa Fandresena Doda sy Léa Fandresena RaOly Fotopisaina sy Léa Fandresena
Pôetawebs©2015 - poetawebs@gmail.com

Date de dernière mise à jour : 18/02/2016

×