Fantaro i Fredy Rajaofera

Fantaro i Fredy Rajaofera

Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
 T.Ràja

15 janoary 2019
FIAROVANA SANGANASA

"Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
Fredy Rajaofera, sary nindramina tamin'i F.J.Fantaro i...
Fredy Rajaofera
(1902 - 1968)
Poeta
Mpanoratra tantara tsangana
Mpanao gazety
Akademisianina

— Lahatsoratr'i Toetra Ràja 

"Akanga saraky ny ala anie aho : misento ny alan-tapia,
Miherikerika an-tanin-olona, tsy mba manana izay hantsoina"...
Fantatrao tsara izay fiantombohan'ny tononkalon'i Fredy Rajaofera hoe "Kalon'ny Ntaolo" izay. Tsy vitsy amintsika aza angamba no tsy hihambatrambatra sady ho mailamailaka hanonona tsy an-kijery ireo andininy enina ao aminy. Eny, ahalalana an'i Fredy Rajaofera ireo tononkalo mampanembonembona kanefa tsy afaka eo imolotra. Ankavitsiana ireo mpanoratra havanana amin'ny fandrafetana andinin-teny mafonja sady mora antsaina. Fa iza moa i Fredy Rajaofera? Raha tombanana dia lehilahy mirijarija sy ranjanana ary anisan'ireny Malagasy mitraka ireny izy... Fa alohan'izay aloha dia andeha hatao indray mitopy maso ny fototra niaviany.

Fredy Rajaofera, sary nindramina tamin'i F.J.FREDY RAJAOFERA TARANAKY RAINIZAFIMANGA

Fianakaviana lehibe fantatra eto anivon'ny aterineto ny Teraky Rainizafimanga ary maro tokoa ireo takelaka mahakasika azy raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ny tetiarana isika izay azo lazaina ho feno tokoa. Eny, ao anatiny i Fredy Rajaofera, nahita masoandro teto Antananarivo tamin'ny 22 marsa 1902 ary maty ny 7 avrily 1968. Tao anatin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany ny 90% ny androm-piainany. Fianakaviana avara-pianarana sy azo lazaina ho manana ny ampy no namolavola azy satria dokotera ny rainy, Atoa Rajaofera (1863-1930), zanaky Rainizafimanga izay mpamoron-kira maintimolaly. Dokotera manaraka ireo miaramila mpiantafika tany amin'ny faritany izy tamin'ny faha-mpanjaka araka ny voamarika tao amin'ny diarin-dRatsifandrihamanana manambara ny fiverenany teto Antananarivo, namita iraka avy tany Amorontsanga-Mahajanga tamin'ny 15 jolay 1883. Nanambady an-dRtoa Razafindrasoa ny Dr Rajaofera ary niteraka 10 mianadahy : dimy lahy sy dimy vavy. Mifanelanelana 29 taona ny lahimatoa Léon Ratsifehera sy ny faravavy Eléonore Rafarafera Rajaofera ary fahafito no laharana misy an'i Fredy Rajaofera.
 
Azo lazaina ho kamboty tanora i Fredy Rajaofera raha teo amin'ny faha-29 taonany no namoy ny rainy. Nanambady an-dRtoa Jeannette Rasoanalimanana izy ary niteraka an'i Lucienne Raferaharisoa sy Mamy Antonin Ramarovelo. Tamin'ny vadiny faharoa, Rtoa Razafindrainibe, no niterahany an'i Berthe Rajaofera, Marthe Rajaofera, Elise Rajaofera ary Liliane Rajaofera.

Azo lazaina ho nampiana-janaka i Fredy Rajaofera satria i Elise Rajaofera, ohatra, no vehivavy malagasy voalohany nahavita fianarana ambony momba ny fanaovan-gazety tao amin'ny Ecole de Journalisme de Paris. Tamin'ny alalan'ny bakaloreà sampana lalàna azony no nahafahany niatrika ny fifaninanana hidirana tamin'io sekoly io. Ankoatra izay dia ny gazety "Le Courrier de Madagascar" no niantoka ny fianarany.

FREDY RAJAOFERA SY NY ASA SORATRA 

Teo am-pamaranana ny fianarany dia efa fantatr'olona ireo asa sorany tao amin'ny gazety maro toy ny Grande Ile, Telegrafy, Ranovelona.
Mpiasam-barotra izy kanefa nifantoka tamin'ny fiandraiketana ny gazety "Le Courrier de Madagascar" izay notantanany teto Madagasikara. Marihina fa hatramin'izao fotoana izao dia mbola maro amin'ireo taranany no miantsoroka ny asa fanaovan-gazety.
Anisan'ireo mpanoratra 10 lahy namolavola ny amboaran-tononkalo Kalokalo Tatsinanana izy, boky natao ho fahatsiarovana an'i Samuel Ratany, Pôeta maty tanora. Nifarimbona tamin'io amboara io ry J.-J. Rabearivelo, Ny Avana, Ignace Ratsimbazafy, Meteora, Joseph Rajaonah, Rafanoharana, Jean Narivony, Lusio B ary Rodlish.
 
FREDY RAJAOFERA, POETAN'NY ALAHELO

Mahavantana an'i Fredy Rajaofera ao amin'ny tononkalony ny tarakevitra momba ny ranomaso sy ny alahelo. Manana toetra "malefaka" izay izy ary tsy mba tia mitantara na mitaraina amin'ny olona. Any amin'ny soratra anefa no nahitany arofanina anabosesehana ny alahelony amin'ny endrika voakaly sy voarindra ka ahafahan'ny mpamaky mahatsapa marina ny halalin'ny alahelony.
 
Tranga telo no tena nampaory azy indrindra teo amin'ny fiainany.
- ny fahafatesan'ny rahalahiny Charles Rajaofera tamin'ny 1919.
- ny fisarahany tamin'ny vadiny voalohany Jeannette Rasoanalimanana tamin'ny 1931.
- Ny nahafatesan'ny zanany vavy Elise Rajaofera tamin'ny 1965, andro krismasy.

Nahavita tononkalom-pitiavana maro koa izy saingy maro amin'ireo nosoratany tamin'ny fahatanorany no notsinontsinoavin'ny akaikiny ka tsy voatahiry.
I Fredy Rajaofera koa dia mahay mampifandray ny lasa sy ny zava-misy na ny zava-boahary amin'ny andavanandrony. Mahavantana azy koa ny fampiasana ny singan'ny zavaboahary andravahany ny tononkalony toy ny hita ao amin'ny "Kalon'ny Ntaolo".

KALON'NY NTAOLO
Eo amin'ny takariva mahamanina

Akanga saraky ny ala anie aho : misento ny alan-tapia,
Miherikerika an-tanin-olona, tsy mba manana izay hantsoina.
Zanak'omby lavi-kijana, anaty toerana manavia :
Miraoka ahitra tsy voky, mimaona foana lavi-panoina.

Vitsika momba kitay anie aho, harivariva eto an-tanin'olona;
Manimanina! - Nefa ho aiza? Mbola lavitra irony bonga.
Singan'olona manirery : sento foana no mitambolina,
Mba nataoko ho very dia, ka embona re no tonga!

Tapak'ahitra entin-driaka anie aho, avalambalan'ireo antsanga.
Tsy mba tanjona ifaharana, tsy mba zahatra iaferana
Adrisa eny an-tanimbary, fietraketrak'ireo sompanga,
Manimbolo ny ahi-maitso sy kijeja eny an-tani-kerana.

Voronkely tratry ny orana aho, tapak'elatra manirery,
Te handroso fa efa tola, raha hijanona toa ho very,
Tsiriry kely nilaoza-namana, mbola hihazo iry vodilanitra,
Narian'ireo niara-dia, ka trotraka mbola lavitra.

Manembona tsy tamana aho, fa vahiny tsy zatra tany,
Izay rehetra taza-maso mampirotsaka tomany,
Aretin'ny olo-manina ny ahy, tsy ho sitrana raha tsy mody,
Avelao aho hanainga roy, fa izany no fanafody.

O! ry velona miara-monina, izany foko ka maizin'andro!
Mahita anay lavi-kavana, ka iadiana mena masoandro
O! nahoana no dia latsaina, nahoana no miolonolona?
Mahita anay sarak'olona, ka mandroaka anay maizim-bolana.

Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 93-94)

I Fredy Rajaofera koa dia poeta tsy manadino ireo mpiray tanindrazana taminy niaina tao anatin'ny fiainana feno fahatsorana. Mbola ny singan'ny zavaboahary hatrany no entiny hanaingoana ny eritreriny izay miainga amin'ireo fampiasa amin'ny andavanandro. Ao amin'ny TRANOBONGO ohatra no itanisany ireo singa mandrafitra ny trano sy namenoana ny atiny.
________________
TRANOBONGO
 
Tranobongo tafo herana
Varavarana zozoro,
Mora rava sy miserana
Vetivety toa hikoro.
 
Tranobongo, tokan'efitra,
Mihafihafy, teritery;
Toa voabaiko mba handefitra;
Sy hitoetra manirery.
 
Ny vovonana efa konka,
Nokikisan'ny fotoana
Tafon-trano feno loaka,
Ravarava, mihafoana,
 
Toko telo baingan-tany,
Manakaiky ny tokonana;
Eo ilay nongon-ny akany
Fahandroana, fanokonana.
 
Fanaka ao, miharihary,
Ratsiratsy, bangabanga :
Sotro tandroka, antsimbary
Tsangambava tanimanga.
 
Tsihivitrana mihorona
No gorodona ilasiana;
Ary saingona sy horona
No kidoro mba fandriana.
 
Akalana ao an-joron-trano,
Hany sisa hanampy izay,
Fitantaran'Idada angano,
Tantara ntaolo fahizay.
 
Ry tranonkelim-pihafiana,
Izay faneson'ny Tandapa;
Tranon-draza-niaviana,
Ilay voavely sy voakapa.
 
Raha tsinjoko e ny lasa,
Ka fongariko ny taona,
Dia tsaroako fa voarasa
Izany foko feno saona!
 
Ny olo-maron-ny tanàna
Manadino haja anao,
Tonga haolo tsy tamàna
Fa sodokam-baovao.
 
Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 98-99)


Ny fiheverana indraindray fa any amin'ny tantara na sombintantara sns. no fanehoana trangam-piaraha-monina fa tsy tena any amin'ny tononkalo dia azo ekena amin'ny ampahany ihany satria mahazendana ny fahaizan'i Fredy Rajaofera mamolaka izany amin'ny fomba mampiontana sy mampihetsi-po toy ny hita ato amin'ny MPANIHIKA.

________________
MPANIHIKA
 
Vehivavy maromaro
Mitsobo-drano an-tanimbary
Mifanila tafaharo...
Manadala mpaka sary.
 
Vehivavy avo akanjo
Misikin-damba miandahy
Manainga zipo ambony ranjo
Vory nofo sahisahy.
 
Vehivavy an-kitamby,
Rovidrovi-pitafiana;
Tsy miraika, tsy mitamby,
Efa votom-pifaliana.
 
Rano sisam-pararano
Irobohan'ny vahoaka;
Vorompotsy sy ny vano
Voakotaba ka mitsoaka.
 
Vovo kely na tandroho
Eny an-tanan'olon-droa,
Dia tarihina any ivoho;
Ka manaraka, manoa.
 
Haron-kely fanangonana,
Kinarinarina eny an-doha;
Ny mpandalo tia lanonana
Sondriana foana am-pefiloha.
 
Dia mandroso mianavaratra
Mianatsimo kely indray;
Dia miondrika milahatra,
Ka mandraoka raha efa izay.
 
Indray voasaron'an-tandroho
Izato babo manjoretra.
Mipelipelika ao ny toho,
Trondro kely sy tsinjetra.
 
Oriory anefa izaho,
Fa izavavy iretsy kosa,
Fakofako, tapa-taho,
No nangoniny miavosa!
 
Sangisangy kanjo izany,
Ry mpanihika eny ho eny;
Izao no izy, izao ihany,
Henoy ny foko fa miteny :
 
Ireto masoko mijery
Mankalaza sy midera,
Fa ireo fanaon-ny razana
He! mijoro tsy voazera.

Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 48-49) 
Manara-drafitra ny tononkalony; mipetrapetraka tsara ireo mari-piatoana... fa izany moa no ahafantarantsika ny an'i Fredy Rajaofera. Ny fifehezany ny rima sy ngadona dia manentana ny mpamaky, hany ka satry hatao tsianjery avokoa izay vinaky toa ity tononkalo manaraka ity.
________________
FAHAVARATRA

Fahavaratra ny andro, ka mihira indray ny tany;
Mitondra fo mitsikitsiky, falifaly manantena.
Indro izao tontolo izao fa mientana aoka izany,
Indray manofahofa hoby amin'ny endri-bolamena!
 
Tendrombohitra sy havoana ary lohasaha koa,
Mavomavo menamena, niongo-bolo teo ho eo;
Indreny fa niofo. Maty toy ny vary dia mamoa,
Mamoa vilaory maitso, manana aina, manam-peo.
 
Kianja be, vala maro, ampian'ny tanimbary
Nihafihafy lava omaly, nangetaheta rano ela :
Afa-po sy enin-tsoa ka miova haingo, miova sary,
Tonga Edena vaovao, Edena faharoa tavela.
 
Ny tarehy vilaory dia fihirana vaovao,
Ny bika soa falifaly dia fiderana tsy mitsahatra;
Izany hoe : Fihirana - Fiderana no atao;
Afa-ketaheta ny tany ka misaotra ny Mpandahatra.
 
Fredy Rajaofera
(Lahatsoratra voafantina, tak. 53)

Ny tononkalo toy izao dia satry mihitsy hoantsaina ary hombam-pahavitrihana noho ireo fanantenana asongadin'ny pôeta ao aminy. Hainy mihitsy ny manome loko samihafa ny fiovan'ny tontolo afaka hetaheta ka hanjary Edena vaovao.

FREDY RAJAOFERA SY NY TONONKIRA, VATO NAMELAN-KAFATRA

Mahatalanjona ny mety ho fitohizan'aina eo amin'ny talenta sy toe-panahy satria tsikaritra ao amin'ny tononkiran-drainy koa io tara-kevitra ranomaso sy alahelo io toy ny hita ao amin'ny Fihirana FFPM 578 manao hoe :

"Loharanon-dranomaso
izao fiainantsika izao,
ka misento lalandava
izay rehetra monina ao"
(...)
Dr Rajaofera (FFPM 578)
 
Eny, taranaka mpamoron-kira i Fredy Rajaofera satria anisan'ny mbola hiraina ankehitriny any amin'ny fiangonana Protestanta ny hiran'ny rainy, "Loharanon-dranomaso" (FFPM 578) io. Ary io boky Fihirana FFPM io aza dia mirakitra ihany koa tononkira maromaro noforonin-dRainizafimanga -
raiben'i Fredy Rajaofera - toy ny ao amin'ny FFPM 577, 780, 782.
Tsy mpamorona tononkalo ihany i Fredy Rajaofera, araka izany, fa mpamorona tononkira ihany koa. Misy amin'izy ireny no voarakitra an-kapila navoakan'ny Discomad tamin'ny fotoanan'ny "78 tours" toy ireto:

- "Ry alina", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine sy Henriette ary Raymond sy Bernard.
- "Fahavaratra", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine sy Henriette ary Raymond sy Bernard.
- "Kintan'ny mamatonalina", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine, Raymond ary Ossy.
- "Voronkely", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i J.J. Tseheno feony, nohirain'i Célestine, Raymond ary Bernard.
- "Mifohaza ry fahazazana", tononkiran'i Fredy Rajaofera, nasian'i Therack feony ary nohirain'i Jeannette.
 
NY BOKINY
 
- Kintan'ny mamatonalina, 1930
- Sahondran'Avoko, 1931
- Iarivo menamasoandro
- Patralalan'ny foko
- Kopak'elatra
- Fara-hafatro 
 
Misy ny tononkalon'i Fredy Rajaofera koa any amin'ny amboaran-tononkalon'ny mpanoratra maro toy ny Takelaka Notsongaina I (Rajaona S., 1962) : "Mandrenesa Razanaboromanga" (pejy 77) sy "Kalon'ny Ntaolo" (pejy 86). Ao koa ny Lahatsoratra Voafantina (Rajaobelina P., 1958) ary ny Kalokalo Tatsinanana voambara etsy ambony.
 

Fredy Rajaofera, sary nindramina tamin'i F.J.TANTARA TSANGANA
 
Nanoratra tantara tsangana mitondra ny lohateny hoe Razanaborobanga i Fredy Rajaofera ny taona 1940. Nolalaovin'ny Tropy Jeannette tao amin'ny CC ESCA Antanimena tamin'ny fankalazana an'i Fredy Rajaofera ny volana aogositra 1994 izany.
 
ASA FIKAROHANA
 
"Fredy Rajaofera sy ny maha-Malagasy" no Mémoire de CAPEN nataon-dRtoa Razafindrahaniraka Reine Aurore tao Ampefiloha tamin'ny 1996 ka nahazoany ny Mention Très Bien tamin'izany.

MARI-BONINAHITRA

- Commandeur de l'Ordre National Malagasy
- Officier de l'ordre des Palmes Académiques, 1938
- Chevalier de la Légion d'honneur
- Officier de l'instruction publique, 1943

Marihina fa nampitondrain'ny Fanjakana Malagasy ny anarany ny lalana iray eto Antananarivo mirefy 223m ao Faravohitra, anelanelan'ny Fiangonana EKAR Faravohitra sy ny Jovena Antaninandro.

FIKAMBANANA NISY AZY

- Mpikambana mahefa tao amin'ny Akademiam-pirenena Malagasy izy nanomboka tamin'ny taona 1938
- I Fredy Rajaofera sy i Pierre Rapiera no vy nahitana ny Fikambanan'ny mpanao gazety sy mpanoratra malagasy.
 

Loharano nanovozan-kevitra
* Boky
- Siméon Rajaona. 1962. "Takelaka Notsongaina I Tononkalo", Antananarivo : Imprimerie Nationale.
- Prosper Rajaobelina. 1958. "Lahatsoratra Voafantina", Antananarivo : Trano Printy Loterana.
- FFPM (Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara). 2001. "Fihirana", Antananarivo. Edisiona fahadimy.
* Tranonkala
http://rajaofera.free.fr/HistoriqueBranchemere/diary1861_1934p2.htm
http://thomasotto.e-monsite.com/pages/thomas-otto-gensen/theodere-othon/othon-louis/rakotomalala-eugene-louis/
http://rajaofera.free.fr/rue/ruerainizafimanga.htm
http://simplicerazafindrazaka.randev.ovh/page7.php
http://archive.is/VwejK (ahitana ny lisitry ny kapila 78 tours, collection Schmidhofer)
 
Lahatsoratra : Toetra Ràja
Sary : FJ

poetawebs@gmail.com
 
 

Date de dernière mise à jour : 14/01/2019