Lahatsoratra : Pôetawebs |
Voasava ny Ivon’ny Teny Malagasy |
Nifamotoana tetsy amin'ny IKM Antsahavola tamin'ny ny 9 Novambra 2022 ireo mpanoratra sy mpandinika haisoratra. Namotopototra ireo fomba hahafahana mampivoatra ny literatiora izy ireo nandritra izany. Velakevitra mifameno no notontosain'ireo mpandinika efatra tamin'izany dia Hobiana AndrianimerinA, Rahezarisoa Sannie, Ratsimbazafy Heriarilala ary Ratobihasina Viviane. Ny pôeta Ravorombato Ony Lantoarimamy no nofidin’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko handrindra ny Savaivon’ny Teny Malagasy. ![]() Nanolotra mari-pankasitrahana ho an’ireo mpikaroka 4 nandray anjara ireo ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko ary nilaza fa mbola hanohy ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny teny malagasy hatrany. Nahasarika ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny soratra ny Savaivon’ny Teny Malagasy. Anisan’ny tonga nanome voninahitra izany ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Teny Malagasy eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamifidy Harivelo Bakolalaina (sary ankavia), ny mpanoratra sady tompona trano famoaham-boky Johary Ravaloson, ny mpikaroka eo anivon’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy Fanja Razafimamonjy. Zava-dehibe ho an'ny fameloma-maso ny teny sy ny soratra ny takalo toy izao satria nahafahana nifandranitra talenta sy nifampizara izay hampahomby ireo sehatra voalaza teo. ![]() Izy efatra mianadahy mpanao velakevitra.
Miankavanana : Hobiana AndrianimerinA,
Rahezarisoa Sannie, Ratobihasina Viviane, Ratsimbazafy Heriarilala |
![]() |
Miankavanana :
Feno Malala Rondro, Ravorombato Ony Lantoarimamy, Sitraka Feno
Tanteraka, Ratsimbazafy Heriarilala, Rahezarisoa Sannie, Fanja
Razafimamonjy |
![]() |
Johary
Ravaloson |
![]() |
Sary fahatsiarovana niarahana tamin'izy
efatra mianadahy mpanao velakevitra |
©
Pôetawebs
|