Fantaro Ratsimba Georges — Ny Rahona — (1926 - 2005) Pôeta Mpanoratra Mpampianatra Mpanao gazety Mpikabary |
— Fandalinan'i Toetra Ràja —
"Mba
mafy asaina ny tanimbary Kanefa mikiry ny mpiasa tany. Ny tanany miepaka, maharary... Ikirizany anefa ka vita ihany!" Andalan-tononkalo
notsoahina avy ao amin'ny "Fikirizana" nosoratan'i Ny Rahona na
Ratsimba Georges no isarihana ny saina amin'izao fandalinana izao.
Fikirizana? Mahalaza tsara ny toetra fototra ananan'ny mpanoratra azy izay efa voalaza etsy ambony izany. Ankoatra ireo anarana roa ireo dia efa nisalorany tamin'ny tononkalo nosoratany koa ny NRRG, nanafohezana iretsy roa voalohany raha atao ny tombatombana. |
1. PÔETAN'NY FIKIRIZANA |
||
Nahoana
tokoa moa no lazaina fa pôetan'ny fikirizana Ratsimba Georges? Taratra
amin'ny anarany izany ary tsara koa raha hironana ny fandinihana ny
lalam-piainany: fianarana norantovina, asa aman'andraikitra, finoana
nofikiriny izay samy nahitany fahombiazana avokoa. 1.1. Ratsimba Georges no Ny Rahona Ny "Ra" amin'ny Ratsimba aloha dia "mpanoritra anarana zary tovona eo alohan'ny anaran-tsamirery milaza olona, indrindra amin'ny foko anivon-tany, ka atao ho mari-panajana" [Rajemisa, 1985]. "Tsimbalivaly" kosa no teny malagasy mifanakaiky amin'ny "tsimba", izay fitambaran'ny tovona "tsi" sy ny teny verindroa "valivaly". Ny tovona "tsi" dia "fanao eo alohan'ny anarana verindroa sasantsasany ka enti-milaza fanahafan-javatra, fa kelikely kokoa, mitovy amin'ny ki" [Rajemisa, 1985]. Mitovy hevitra amin'ny valy ny "Setry". Ny "Tsimbalivaly" àry, araka ny namaritan-dRajemisa azy tao amin'ny Rakibolana, dia "Teny ilazana fa misy ny valiny na setriny daholo izay atao". |
Ratsimba Georges pôeta |
Mety
ho izay tsimbalivaly izay ny "Fikirizana" nofihinin-dRatsimba
Georges teo amin'ny fiainana ka nitrandrahany ny tsaratsara hatrany ho
an'ny tontolony ka nahazoany fahombiazana. Heverina ho avy amin'izany
angamba no nisafidianan'i Alphonse Rakotozafy, mpampianatra toa azy, io
anarana io ao amin'ny bokim-pianarana "Ratsimba valo mianaka". Voalaza
ao amin'ny tari-dresaka mantsy fa "fianakaviana
tsara ry Ratsimba fa
tia asa, tia fandrosoana, antra namana, ary ohatra tsara ho an'ny
manodidina". Ny momba ny "Ny rahona" indray ve? Ratsimba Georges
ihany
no mamaritra azy ao amin'ny tononkalony "Nahoana ny rahona?". Ny
andalana roa voalohany dia manamafy ny hoe "ohatra tsara ho an'ny
manodidina": "Nahoana Ny Rahona
no haratsina?
Tsarovy fa izy no he nofidina" Nofidina ny rahona satria noheverina fa "Hanala hetaheta ny mponina an-tany", amin'ny alalan'ny voalazany fa "rano madio tsy vidina" sy voajanahary tsy mitampoka. Manana hery mampiavaka azy ny Rahona ka nilazany fa "... mamy ny rano avy amin’Ny Rahona". Toetra manavaka Ny rahona ihany koa ny fanetren-tena. Hamarinin’ny hoe: "nidina ambany" hamonjy ny olona. Izay ilay "antra olona" voambaran'i Alphonse Rakotozafy ary mifandraika amin'ny nolazain-dRatsimba Georges hoe "Hamangy 'reo resy eto ambonin'ny tany". Teraka ny 03 Septambra 1926 tao Antananarivo i Ny Rahona ary nodimandry ny 02 mey 2005 teny amin'ny Cité Ambohipo trano fonenany ao Antananarivo ihany. Zanaky Ravelomianjeva, Mpanjaitra sy Rasoamiarandray izy. Taranaky Ratsimbandahy avy eny Ambatomanoina-Ambohimalaza ry zareo, 20 km miatsinanana avy eto Antananarivo, avy amin’ny lafindray. Ilafy kosa no fiavian’ny reniny. Nanambady an-dRtoa Ranarisoa izy ny 9 desambra 1950 ary niteraka 6 lahy sy 2 vavy : |
NAHOANA NY RAHONA? Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Tsarovy fa izy no he nofidina Mba hitari-dalana ny Israely Tsy handevozin’ny mponin’i Neily. Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Saingy nietry ka bantibantina Fitiavana anefa no anton’izany Hamangy ‘reo resy eto ambonin’ny tany. Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Avy aiza ny rano madio tsy vidina? Rahona ireny no nidina ambany Hanala hetaheta ny mponina an-tany. Nahoana Ny Rahona no haratsina ? Tsarovy fa izy no he nofidina Hitondra ny Tompo hiakatra indray Ho amin’ny Toerany mandrakizay. Atambo mitranga dia rahona hono, Mba aoka ho lazaiko ny ngidin-dronono Tsy mety! Tsy mety! Mangidy ny Vahona Fa mamy ny rano avy amin’Ny Rahona Migaina ny andro mimenona izy Oadray ny hafanana, mandoro izaitsizy Dia avy Ny Rahona mitondra orana Oadray safodrano, hono, ka atahorana. Ny Rahona Mangarivotra-Mahajanga 26 Novambra 1948 |
|
Ratsimba
Ramamonjisoa Ravelojaona, Ratsimba Ranarison
Aivoniriana, Ratsimba Mamy Andriambololona Ramiaramanana, Ratsimba Haja
Lalao Harivelo Andriampamonjy, Ratsimbaharisoa Noro Hanitra Lilia,
Ratsimbaharisoa Voahangisolo Eva Ramanampamonjy, Ratsimba Amiela
Andrianarisaina, Ratsimba Benjamin Andriambelo Rajaonarisoa. 13 taona
tao aorian'ny nahafatesany izany hoe ny 25 desambra 2018 kosa vao
nodimandry teo amin’ny faha-87 taonany i Ranarisoa vadiny. |
Mariazin-dRatsimba
Georges sy Ranarisoa tamin'ny 09 desambra 1950 tao amin'ny Fiangonana
MPF Andrainarivo (FJKM Andrainarivo Fahasoavana ankehitriny) |
||
Ratsimba Georges sy Ranarisoa vadiny |
Ratsimba Georges sy ny zanany telo teny
amin'ny sekoliny Montaigne Antsahabe - 1955 |
1.2.
Avara-pianarana Azo sokajiana ho anisan'ireo Malagasy avara-pianarana Ratsimba Georges. Tao amin'ny sekolim-pinoana protestanta no nanatanterahany ny ampahany voalohany tamin'ny fianarany. Teo amin'ny faha-8 taonany izy no niditra nianatra tao amin'ny sekoly Protestanta Ambohimiandra ary naharitra 4 taona tao (3 janoary 1934 - Desambra 1938). Notovonany herintaona tao amin'ny sekoly Protestanta Ambatonakanga izany (janoary - desambra 1945) ary nahazoany ny mari-pahaizana CESD (Certificat d'Etudes du Second Degré). Indroa miantoana kosa no nandrantoany fianarana mampianatra. Ny voalohany dia notanterahany tao aorian'ny nahazoany ny CESD tao amin'ny Ecole Normale Ambavahadimitafo (Janoary 1946 - oktobra 1948). Azony tamin'izany ny diplaoma CAE (Certificat d'Aptitude à l'Enseignement) izay ahafahana manomana ny "Brevet élémentaire". Nampianatra herintaona tany Mangarivotra Mahajanga aloha izy (novambra 1948 - septambra 1949) vao nanapa-kevitra hanomana izany tao amin’ny Ecole Normale Ambatomanga-Manjakandriana. Naharitra herintaona ny fampianarana (oktobra 1949 - desambra 1950) ka nahazoany an'io "Brevet élémentaire" io. Mbola ny fikirizana hatrany no nahavarany nanaraka fianarana momba ny Teôlôjia nandritra izany fotoana izany. |
NY FIKIRIZANA
Mba mafy asaina ny tanimbary Kanefa mikiry ny mpiasa tany. Ny tanany miepaka, maharary... Ikirizany anefa ka vita ihany! Mba sarotra lahy 'ty enti-mody, Ny saina domelina, ny andro lany, Kanefa ny mpianatra te-ho tody, Rehefa mikiry dia hainy ihany. Mahery ny rivotra an-tendrombohitra, Ny lalana sarotra aoka izany, Kanefa ny mpihanika mahatohitra Rehefa mikiry dia tody ihany! Na inona vato misakan-dalana, Na inona entana mahavizana, Zakako, afako miandalana Rehefa tafiko ny Fikirizana! Ny RAHONA RATSIMBA Georges Ambohidrapeto, faha 29 Martsa 1954 |
|
Tao amin'ny sekoly
protestanta ihany koa no nahavoatendry azy
hampianatra tao aorian'izany, dia ny Sekoly Protestanta Ambalavao
Antananarivo Atsimondrano. 14 taona taty aoriana dia nitodi-doha nianatra tao amin'ny Institut National Superieur de Recherche et de Formation Pédagogique (INSRFP) Ampefiloha - Antananarivo indray Ratsimba Georges. 3 taona no faharetany (oktobra 1964 - Jolay 1967. Marihina fa sekoly mifandraika amin'ny ENS ankehitriny izany. Mbola ny fikirizany ihany no tiana havohitra eto satria tsy moramora amin'ny taonany efa nandroso ny nampielanelana ny asany tamin'ny fanovozam-pahalalana. |
Ratsimba Georges tao amin'ny INSRFP
Ampefiloha |
1.3.
Asa fampianarana - asa fanabeazana Sady nianatra Ratsimba Georges no nampianatra ary indrindra nampiofana mpampianatra. Tsy nianina tamin'izany ihany anefa izy fa nivelatra tamin'ny andraikitra teo anivon'ny biraom-panjakana sy tamin'ny fanabeazana amin'ny radio sy gazety. 1.3.1. Fampianarana
Teo amin'ny faha 22 taonany izy no nanomboka nampianatra,
nandritra ny
herintaona tany Mahajanga aloha (1948 - 1949), ary nandritra ny 8 taona
(1950 - 1958) tany amin'ny Sekoly Protestanta Ambalavao. Voatendry tany
amin'ny sekolim-panjakana maro izy tamin'ny 1958 ka hatramin'ny 1964 :
Ambato-Boeny tampon-tanàna, Tsaramandroso Ambato-Boeny, Ankeribe
(Ambohidratrimo) ary Manalalondo Arivonimamo. Niato tamin'ny
fampianarana tany an-tsekoly izy hatreo ary tsy niverina raha tsy efa
tany ankatoky ny fisotroan-dronono (Jona 1981 - jolay 1986) tany
amin'ny CEG Ambohimalaza–Miray (Antananarivo Avaradrano). Marihina fa
nanana sekoly roa azy manokana izy, dia ny Ecole Montaigne tao
Antsahabe sy ny Ecole Rabelais tao Ambohimiandra. Nonina tany Masombahiny Ambatolampikely - tanàna kely tsy lavitra ny tanindrazany ao Ambatomanoina - izy tao anatin'ny fisotroany ronono. Tamin’izany no nanokafany trano fametraham-panafody antsoina hoe NYISMA, fanafohezana ny hoe "NY Ilaina Sy ny MAhasoa". 1.3.2. Fampiofanana mpampianatra
Ny fahombiazany tamin'ny fiofanan'ny INSRFP no vavahady
nirosoany
tamin'ny asa fampiofanana sy ny asan'ny biraom-panjakana. Tao
aorian'izany tokoa mantsy dia voatendry ho "Conseiller Pédagogique
Itinérant" tao Antsirabe izy (Oktobra 1967 - septambra 1968).
Nampianatra tao amin’ny Foibe fiofanana ho mpampianatra Ambaratonga
voalohany (Centre Pédagogique Niveau I) tao Fianarantsoa, ary
nampianatra sy nampiofana tao amin’ny FITATA izy nony avy eo (Oktobra
1968 - Septambra 1969). Efa voatendry nampianatra
nandritra ny 3 taona tany Toliary izy (marsa 1973
- mey 1976), tao amin’ny "Centre
Pédagogique de 2ème Cycle" (CP2C) Belemboka, ary nampianatra tao
amin’ny Lycée Laurent Botokeky. Nandritra ireny vaninandron'ny
fanagasiana ireny dia voatendry hiasa tao amin'ny BEP-OTEP (Bureau
d'Etudes de Programme Organe Technique d'Elaboration de Programme) tao
Ambatonakanga (Antananarivo) izy nandritra ny 5 taona (Jona 1976 - mey
1981). |
Ratsimba Georges sy ireo mpianany nanomana
CAP tany Toliary |
1.3.3. Asa fanabeazana an-gazety sy radio
Talen'ny "Radio scolaire"
tao amin'ny Radio Madagasikara
nandritra ny roa taona (oktobra 1969 - septambra 1971) izy ka
nitantanany
ny fandaharana "Dinika ho an’ny mpampianatra, ny sekoly sy ny
zanatsika, ny fitsipi-pitenenana, ny fanabeazam-boho ny teny, ny
fanazarana
hiteny". Notohiziny tamin'ny gazety sy boky izany fizarana
asam-panabeazana izany toy ny naha Tonian’ny fanoratana ny gazetin’ny
mpianatra azy, gazety famoakan’ny Minisiteran’ny fampianarana nandritra
ny herintaona sy tapany (oktobra 1971 - marsa 1973). Tao koa ny gazety
boky fampianarana an’ny Club UNESCO. Atoa Ranjivason Jean-Théodore no
talen'ny gazety tamin'izany.
|
Ratsimba Georges sy ireo mpiara-miasa
taminy tao amin'ny Radio Scolaire |
Izany fikirizany teo
amin'ny fiainany manontolo izany dia taratra teo
amin'ny fahamatoran'ny asa soratra ka nahatonga azy ho mpanoratra feno
sy nikoizana tamin'ny kalitaon'ny tononkalony. |
2- ASA SORATRA MATOTRA |
Maro ireo karazana asa
soratra voafehiny toy ny tononkalo, tantara
foronina, tantara filalao an-tsehatra, angano, bokim-pampianarana. 2.1. Mpanoratra feno Teo amin'ny faha-19 taonany (1945) Ratsimba Georges no nanomboka nanoratra araka ny hita ao amin'ny bokiny "Rotsirotsy". "Toaka-sigara-loka" no lohatenin'ny tononkalony nivoaka voalohany tamin'ny gazety bokin'ny Skoto tamin'izany. 2.1.1. Bokin-dRatsimba
Georges
Tsy mba anisan'ireo mpanao soa tapany Ratsimba Georges fa
aleony kokoa
ny fotoana no mandefitra toy izay ny hakanton'ny asany. An-taonany maro
mantsy no nanomanany ny bokin-tononkalony "Rotsirotsy".
Efa
hatramin'ny niasany tany Antsirabe (1967 - 1968) no namolavolany azy
ary
tsy voatontan'ny Librairie Mixte raha tsy tamin'ny 1976, taona
niverenany teto Antananarivo. Ankoatra ny bokin-tononkalo "Rotsirotsy" voalaza teo dia mpanoratra tantara, bokim-pampianarana sy fanabeazana koa Ratsimba Georges. *Tantara Tsy dia nigalabina tao anatin'ny fialan-tsasatra ny peniny nandritra ny 19 taona nisotroany ronono fa nikorisa hatrany ka nahafahany namokatra ireto bokin-tantara ireto: - "Ifaranomby", tantara filalao an-tsehatra, mbola tsy nivoaka boky - "Nody ventiny", tantara filalao an-tsehatra, ahitana fizarana 3, ravahin’ny hira noforoniny - "Lisy", tantara foronina, mbola tsy nivoaka boky *Bokim-pampianarana - Masomboly, boky ho an’ny mpampianatra any amin’ny Ambaratonga voalohany, niainga avy tamin'ny fandaharana tao amin'ny "Radio Scolaire" ary navadika ho boky *Fanabeazana Nahavatra namoaka boky misesy ho an’ny ankizy Ratsimba Georges; mpanabe moa izy hoy isika. Nahavita boky ireto boky telo ireto izy nandritra ny fotoana niasany tao amin'ny "Radio Scolaire" ary ny fanontana printy an'ny UNESCO no nenti-nanana izany : - Ilay akoholahikeliko (Angano) - Imaromaso sakaizako (Angano) - Ny tanimbolin’i Benja, tantara Ny foibe ara-kolontsaina Albert Camus (CCAC) kosa no nanonta an'Ambatomanoina, bokin'angano, nadika tamin'ny teny frantsay hoe "Roc aux échos". 2.1.2. Fampielezana an-gazety
Nampiely asa soratra tamin'ny gazety sy revio Ratsimba
Georges
nanomboka tamin'ny 1964: gazety Hehy, Madagascar Matin, Courrier,
Fampitaha, Fanasina, Talaky mandeha. |
2.2. Tononkalo -
Tononkira Maro amin'ny tononkalon-dRatsimba Georges no tononkira na nanjary tononkira mihitsy. - Ao aloha ireo hira iombonan'ny ankizy malagasy manerana ny Nosy, tafiditra ao amin'ny fandaharam-pianarana taranja malagasy ary voarakitra any amin'ny bokim-pianarana. Ratsimba Georges no loharanon'ny "Etsy babeko razandry", "Raosijamba," "Matoritoria!", "Antsangory", "Avy mangataka izahay", "Iza iry ambony iry?", "Tanin-katsaka, tanim-pary!", "Iny, hono, izy, Ravorona"... sns. Hita taratra avy amin’ireo tononkalo ireo fa mety ho ny tononkalony aza no fantatra kokoa noho ny anaran’ny mpanoratra. Izany indrindra no mahatonga ny tranonkala Pôetawebs hiantsoroka ny fampahafantarana ireny pôeta manana ny toerany eto amin'ny firenena ireny. - Manaraka izany dia misy amin'ireo tononkalony no navadiky ny mpihira fanta-daza ho tononkira toy ny "Raha ho avy ianao". Mety ho tsy ampoizina fa Ratsimba Georges no namorona izany tononkira izany. Takona ao ambadiky ny mpihira angamba ny anarany fa ny fantatry ny maro dia ny anaran'ny tarika voatonona ao amin'ny radio androtsirotsiana ny vahoaka. Tsy iza izany fa ny tarika Feo Gasy (Rakoto Frah sy ny namany) sy Ny Voninavoko. Ny mety ho tsy voalaza anefa dia ny toerana sy izay mety ho antony nanoratana ny "Raha ho avy ianao" : Hôpitaly Girard et Robic (Hôpitalin'i Soavinandriana ankehitriny). |
RAHA HO
AVY IANAO 1-Itondray tsikitsiky aho, raha ho avy ianao, Tsikitsiky tsy miharo tokelaka 'Zay ho bitsika tena malefaka Tsy ho ren'ny tia fosafosa Fa hanàko any anatiko kosa! 2-Itondray safosafo aho, raha ho avy ianao, Safosafo tsy re toy ny aloka, Hifitsahako eo mba hianoka Tsy sembanin'izay ahiahy Mampihoala ny fo sy fanahy 3-Itondray kalokalo aho, raha ho avy ianao, Kalokalo toa rotsy maraina, Hongononina fa tsy hiraina, Toy ny kalon'ny rivotra monja Raha mikalo fitia amin'ny onja! 4-Itondray sangisangy aho, raha ho avy ianao, Sangisangy hahadonto ny ratrako, Hamihinako anao eto an-tratrako, Hitobaham-pitia saraka ela Pahalefaky ny hery tavela! 5-Hafatrafatra ny ahy, raha ho avy ianao, Rediredin'ny tsy afa-manoatra, Ta-haniny no sady misaotra, Te-hionona anefa miangavy, Raha ho avy ianao ka ho avy Ny RAHONA RATSIMBA Georges Hôpital Girard et Robic, faha 13 mey 1965 |
Ny
volana mey 1965 mantsy dia narary Ratsimba Georges.
Nandritra izany fotoana izany dia sarobidy
taminy ny fahatongavan'ireo mpamangy teo
andoham-pandrinany. Lehibe indrindra tamin'izy ireny ny
akaikiny, ianao,
ilay mpiray
fo aminy, nanafarany tsikitsiky.
Raha ny marina dia ilay tsikitsiky "tena izy" io nohafarany io, "malefaka" fa tsy ilay "miharo tokelaka". Ny tokelaka mantsy dia maherihery kokoa araka ny famaritan-dRajemisa Raolison [1985] hoe "Fihomehezana mikakakaka tsy misy hambahamba na indraindray koa somary maneso fanaon'ny ankizy kely indrindra". 2.3. Tononkalo raiki-molotra Mampiavaka an'i Ny Rahona ny famoronana andinin-teny tsy afaka eo imolotra, mora raisina ary misosa antsaina. Anisan'ny fantatra indrindra amin'ireny ny "Madio izahay". Manara-drafitra ny tononkalony ary toa voatsinjarany hitovitovy fatra ny isan'ny zanatsoratra efatra (a, i, o, e) eto amin'ity tononkalo ity. Voatsinjarany koa ny isan'ny vaninteny manana tsindrim-peo mafy eo amin'ny faran'andalana toy ny ery/bigody, koa/avokoa, kahie/ange... Mora tadidy sy antsaina ny tononkalony noho ireo tamberin-teny eny am-piandohan'ny isan'andininy hoe "Jereo ny..." ary noho ny fifehezany ny gadona telo isan'andalana. Ahitana izay angalin-tsoratra izay koa ohatra ny "Etsy babeko razandry", "Antsangory"... 2.4. Tamberina anaran-janaka Mampiavaka an-dRatsimba Georges ny fanononany ny anaran'ireo zanaka naterany ao amin'ny tononkalony miendrika fifanakalozan-kevitra. Ny tononkalo "Nahoana" ohatra dia novelominy niaraka tamin'ny zanany efatra : Noro, Voahangy, Amiela ary Benja. Ny ao amin'ny "Mpangoron-karena" aza dia izy 7 mianadahy mihitsy no nateti-piavy nanadihady an'i Benja, raha zohina tsara ny tantara. Tombony ho azy tokoa ny fifehezany ny endrika tononkalo mora raisina satria manafaingana kokoa ny fampitana anatranatra, tara-kevitra nimatimatesany teo amin'ny soratra. |
MADIO IZAHAY Jereo ny volonay: voahogo tsara ery! Sady izay indray nasiana bigody! Jereo ny tananay: madio tsara koa; ny hoho kosa indray voahety avokoa! Jereo ny tongotray: mandina aoka izany; ny faladia oadray! Toa tsy nandia tany! Ny reninay moa mpipasoka mahay: Voapasony avokoa ny fitafianay! Angaha ny tena ihany no diovinay ’zareo? Madio tahaka izany ny bokinay. Jereo! Boky sy kahie, sy kitapo koa, avia jereo ange: milamina avokoa! Tsy zaza be lalao fa hendry sy mahay ka moa ho gaga ianao raha toa madio ’zahay? RATSIMBA Georges |
3- PÔETAN'NY FANANARANA | ||
Amin'ny
maha pôetan'ny fanabeazana azy dia manamarika ny fiheverana Ratsimba
Georges ny fahafehezany ny fampitana anatra ao amin'ny
tononkalony. Maro mantsy ireo mety ho tafintohina rehefa misavovona ny
fatrany. Ratsimba Georges kosa dia miainga avy amin'ny fiainan'ny
ankizy ary maneho fitondran-tena mendrika amin'ny andavanandrony. 3.1. Modelim-piainana ny ankizy Tsy hiadian-kevitra intsony ny maha pôetan'ny ankizy sy ny sekoly an-dRatsimba Georges. Marina izany satria maro amin'ny tononkalony no hain'ny ankizy tsianjery ary ianarana any an-tsekoly. Modelim-piainana ho an'ny mpianakavy sy ny firenena anefa no tena taratra ao ambadik'ireny tononkalo ireny. Raha avy amin'ny hoe "reny" mantsy no niavian'ny firenena dia tsapan-dRatsimba Georges fa miainga ao an-tokantrano ny fanabeazana. Io no modely voalohany hita maso sy iainana isan'andro. Ny ray aman-dreny no mpanabe voalohany ny ankizy, izay misandrahaka hatrany amin'ny firenena avy eo. Fanaon-dry Jean de la Fontaine sy Jean Narivony ny mitodika any amin'ny fiainan'ny biby amam-borona hakana lesona ho an'ny fitsipi-piainana. Ratsimba Georges kosa dia fatra-pandinika sy mpanakatra ny fomba amam-pisainan'ny ankizy hanehoana anatranatra ho an'ny sokajin-taona rehetra. Izany indrindra no tonga amin'ny ilay fitenenana hoe "ny hevitra tsy azo tsy amin'olombelona" ary tsy azo tsinontsinoavina amin'izany ny maha harena ny ankizy ho fampivoarana ny fiarahamonina. |
||
Ratsimba Georges sy ny vadiny |
Ratsimba Georges teny Ambohitrinibe
Mahitsy 1959-1960 |
|
3.1.1. Fanapahan-kevitra
Mazàna amin'ny taom-baovao no fotoana
fametrahana tarigetra ho famahana
olana ka hirosoana amin'ny fahombiazana. Ratsimba Georges kosa dia
niainga avy tamin'ny fanapahan-kevitra ankizy izay heverina ho
mifanahantsahana amin'ny fomban'ny daholobe. Maneho izany indrindra ny
tononkalo "Fikasana" nisintonany fananarana: “Tsy haditra
intsony aho, ry dada sy neny
manomboka anio: ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny sy hanao madio, ny boky tsy horovidrovitiko intsony, ny soratro kosa hokaliako tsara... ary isa ambony no ataoko miavosa!" Ny tsy fahatanterahan'io zandrikely io
ny fikasany anefa dia tsy maha
vahiny ny maro. Mitodika amintsika "rehetra" tsy misy an-kanavaka ny
mpanoratra eo am-pamaranana : "Samia ary miezaka
isika rehetra,
na inon-katao, Hanatanteraka ny tarigetran’ny taombaovao!" 3.1.2. Fiatrehana ny fiaraha-monina
Raha kendrena ho tanteraka ny
tarigetra, ny fahaiza-miainan'ny
tsirairay eo anivon'ny fiarahamonina kosa dia fihetsika sy fomba tokony
ho voafehy ary hombam-piteny mifanaraka amin'izany. Ny mpiara-monina
mantsy tsy hilaozana fanamarihana na fanontaniana mety hahatafintohina
ka ilana valin-teny hentitra am-pitoniana toy ny hita ao amin'ity
tononkalo "Mpangoron-karena" ity: “Tsy
mpangoron-karena aho fa mpanankarena,
satria tsy nifetsy anareo fa nomena!” Ireo andalan-teny roa ireo mantsy no
namaranan-dRatsimba Georges an'io
tononkalony io, nampisosa ny peniny teo am-pahitana ny zanany faralahy
Benjamina nandamina ireo kilalao maro be vao azony indray Noely. Tsy
fitantarana toy ny fahita amin'ny tantara na sombin-tantara no
nataon'ny pôeta fa fahaiza-maneho amin'ny alalan'ny andinin-teny
mampihetsi-po. Hainy ny nandahatra ireo fanontaniana sesilany
momba ny fiharian-karena. Ny tena marina dia izao: na olana saro-pady
sy manan-danja toy ny harena aza no foto-dresaka dia mahagaga fa any
amin'ny
fiainan'ny ankizy no mety hahitany ny fanalahidin'ny fanazavana. 3.1.3. Safidim-pianakaviana
Tsy moramora ny famaritana
modelim-piainana mahakasika ny tokony ho
isan'ny zanaka na ny fotoana tokony hirosoana amin'ny fiterahana.
Indraindray aza moa dia toy ny tonga tsy nantsoina ny vahiny kely. Ny
hita ao amin'ny tononkalo "Tiako ry dada!" kosa dia tranga zary
narindran'ny fanirian'ny mpianakavy, niainga tamin'ny resaka indray
noely: "Ny an-dry Zeze
kosa anefa ato ambany
tsy saribakoly fa olona angamba fa sady mihantsika no mitomany ary mandena ka soloana lamba" Voaray ny hafatry ny ankizy ka
tombanana ho tsy kisendrasendra ny
nahazoan'ny fianakaviana vahiny kely antsoina hoe Voahangisolo tamin'ny
Noely herintaona tato aoriana. 3.1.4. Fitandroana ny zavaboary
Taratra ao amin'ny tononkalo "Nahoana"
ireny "Nahoanan'ankizy" tsy
maintsy valiana ireny satria miantoka ny hoaviny sy ny
fiitaram-pahalalany: "Nahoana, ry dada,
ny masoandro iry
ny kintana mbamin’ny volana soa raha mba ampidinina koa ho ety? Angamba isika hafana kokoa! Raha iva, ry Benja, dia tratry ny tany ka mety halainy hosimbasimbany! "Nahoanan’ankizy” mba mamiko iky" 3.2. Fitondran-tena modely 3.2.1. Fikambanana sy serasera
Teo amin'ny faha-20 taonany izy no nitarika ny fikambanana "Mpifady toaka" nandritra ny roa taona (1946-1948). Amin'izany taona izany dia ny toe-piainana mifanohitra amin'ny fironan'ny tanora tsy tan-dalàna no narahiny satria fotoanan'ny andranandrana izany. Ankoatra izay dia anisan’ny mpitarika tao amin’ny Akany Cité Mandroseza izy. Teo amin'ny literatiora indray dia nifanerasera tamin'ny pôeta sy mpanoratra maro izy. Anisany i ED Andriamalala, Rado na Georges Andriamanantena sy ny rahalahiny Celestin Andriamanantena, Dox na Jean Verdi Razakandrainy, Ilay na Ralaisaholimanana, Di... na Henri Rahaingoson, Elie Raharolahy na Harioley, Juliette Ratsimandrava, Reine David Andriamiharisoa, Jean-Théodore Ranjivason... Nankafy mpanoratra vahiny koa izy ary mpamaky ny tononkalon'i Charles Baudelaire sy i Paul Verlaine. Natolony ho an'i Di... ho setrin'ny "Harivariva an-tanin'olona" ny tononkalony "Andeferako ianao". Izy no nanomboka ny "Herinandron'ny boky"
tany Toliary (La semaine du livre Malagasy), teo anoloan’ny
Tranompokonolona, sy ny fanapariahana ny fiadiana ny tompondakan’i
Madagasikara teo amin’ny lalao Fanorona, niaraka tamin-dRamanetaka
David ; ka ny zanany Ratsimba Aivoniriana no fahatelo tamin’izany. |
3.2.2. Asa sy finoana
Eo amin'ny lafiny finoana dia tsara ny
manamarika fa ny fiangonana
rehetra tamin’izay toerana niasany dia nirotsahany mivantana avokoa.
Hoy indrindra ny zanany Ratsimba Benjamin mitatitra izany: "Anisan’ny mpandray
anjara mavitrika izy, ary tsy nataony
ambanin-javatra izany tamin’ireo toerana rehetra niasany, ary fombany
rehefa voatendry hiasa amin’ny toerana iray izy, dia ny mpitondra
fivavahana no anisany natoniny voalohany. Izy rahateo dia skoto
tamin’ny fahatanorany. Matetika izy no biraom-piangonana ary amin’ny
maha mpampianatra azy dia tsy nataony ambanin-javatra ny Sekoly
Alahady."
|
|
Ratsimba Georges maneho ny maha tily azy |
Trano fonena-dRatsimba Georges tany Toliary |
Taratra amin'ny tononkalony ny
fiorenany teo amin'ny tontolo ara-panahy toy ny hita ao amin'ny
"Vavaka": "Raha mitsoka ny
tafiotra
Ka miezaka hamongotra amin'ny heriny rehetra 'Zay manohitohitra azy, Ampianaro ahy kosa ny fetezana hilefitra Toy ny ahitra malefo" |
|
Ratsimba Georges tao amin'ny FLM Katedraly Toliary |
Namorona tsianjery sy hira maro ho
an'ny fiangonana sy ny sekoly
alahady izy. Nahavitany andinin-tononkalo manokana aza ny
fiangonan'Andranosoa (Ambohimalaza), nitaizana azy ara-panahy, ary tsy
izy ihany fa efa hatramin'ny rainy sy ny raibeny rahateo: "Dian’ny manina tsy
azo tohaina
Dodona mafy ka miainga maraina Diasan’ny tany ‘lay lalana tara Dia alan-kininina no hita ao afara Raha vao mitranga ilay tilikambo Ravo ny foko ka he fa tsy tambo ‘Reo vetsovetso sy sento misangy Roso ny diako mamelon-drarangy!" "Hazakazaka mafy" no hevitry ny
"mamelon-drarangy", teny nampiasain'i Jean Narivony koa amin'ilay hoe: "Ireo onja vaventy,
toa revo misangy
Mamelon-drarangy" Lalan-tany mikitoantoana no mampifandray an'Andranosoa sy Ambatolampikely, sahabo eo amin'ny 3km eo ho eo, rehefa mandao ny lalana vita tara mampitohy an'i Iarivo sy ny faritra atsinanana. Mialoha an'Andranosoa no misy an'Ambatomanoina niavian-dRatsimba Georges, vohitra an-tampon-kavoana manan-tantara kanefa tsy resahina firy intsony ankehitriny. Any amin'ny boky Firaketana sy ny Tantaran'ny Andriana no ahitana fa tao amin'ny rovan'Ambohimanga sy tao amin'ny rovan'Ambatomanoina ny loharanon'ny fanjakana malagasy tao aorian'Andriambelomasina: - Ambohimanga no niavian'Andrianjafy, Andrianampoinimerina, Radama I, Ranavalona III - Avy tao Ambatomanoina kosa Ranavalona I, Radama II, Rasoherina ary Ranavalona II Mpiangon'Andranosoa Ratsimba Georges, fiangonana nankalaza ny faha-150 taonany roa taona lasa izay (1868-2018). Tany lonaka niroboroboan'ny fiangonana protestanta mantsy iny faritra iny tamin'ny vaninandro nidiran'ny fivavahana kristianina teto amintsika. Niarakaraka naorina taminy ny tao Isoavina Ambanintsena. Ny tao Anonimasina Ambatolampikely mbola taty aoriana kely fa ny fiangonan'Ankadindravololona no zokiny indrindra, natsangana tamin'ny 1858. 3.2.3. Ny andavanandrony miavaka
Lehilahy lava, mitraka, mijaridina ary
miavaka hatrany amin'ny pataloha
sy palitao fitondra mianjaika izay tsy mahasaraka azy rehefa
mampianatra, izany no Ratsimba Georges raha atao indray mitopy maso.
Fomba fanajany ny fiarahamonina sy ny ankizy ankamamiany ny fitafiny,
izay "nananany maro" araka ny fitadidian'ny zanany Benjamin Ratsimba.
Pôetan'ny hatsarana tokoa izy ka na dia ny soratanany aza dia miavaka
ary anisan'ny iraiketan'ny fon'ny olona aminy hoy hatrany i
Benjamin
Ratsimba: |
||
Ny trano fonenany tao Ambohipo |
Tao anefitranony Ambohipo |
Eny, tia mifandray aman'olona mantsy
izy ary na ny fialamboliny aza dia
ireny kilalao iarahana sady mampiasa saina ireny toy ny daomy, karatra,
fanorona. Tsy mba anisan'ny olona mihiboka izy noho ny fankafizany pika
sary, ny fahaizany nanao mari-trano sy sary hosodoko, ny faharetany
amin'ny fiompiana sy ny fambolena. Mpikabary rahateo moa izy ary
antsoina matetika amin'ny raharaham-pianakaviana sy ny fangataham-bady.
Fa amin'ny maha pôeta azy dia misy ny mampiavaka azy hoy i Benjamin
Ratsimba: "matetika
ireny olona maka azy hikabary ireny dia nahaforonany tononkalo ny
ankamaroany".
Amin'ny maha mpanoratra azy,
hasongadina indray ve ny fitiavany mamaky
boky aman-gazety? Mahavantana azy avokoa na boky amin’ny teny malagasy
na teny vahiny. Tsy mahavahiny azy koa ny fahaizana mozika, araka ny
fanazavan'i
Benjamin Ratsimba: "Nahay namaky ireny
atao hoe naoty sy solfa ihany koa izy, izany no
nahafahany nampianatra ny zanany taty aoriana ny fomba fitendrena ireny
hiram-pivavahana ireny".
3.2.4. Vato namelan-kafatra Fanirian'ny ray aman-dreny mazàna ny
handovan'ny taranaka ny asan'izy
ireo. Saika nisy mpandova hatrany, araka izany, ireo talenta
niainan-dRatsimba Georges. Lasa mpampianatra toa azy ny zanany
fahefatra, Ratsimba Haja Lalao Harivelo Andriampamonjy. Mpampianatra
amin’ny oniversite Toliary ny zafikeliny Ratsimba Ricardo. Mpanoratra
tononkalo ny zanany fahatelo, Ratsimba Mamy Andriambololona
Ramiaramanana. Mpikabary ny faralahy, Ratsimba Benjamin. Ny
fahafehezana ny teny malagasy dia tafapaka hatrany amin'ny zafikeliny
antsoina hoe Ratsimba Ando Stéphanie. Mpandray anjara amin'ny
soratononina karakarain'ny fikambanana Kolo any Parisy mantsy izy ka
nitanany laharana ambony hatrany: 2009 (faharoa), 2011 (fahatelo), 2012
(voalohany), 2013 (fahatelo). 3.2.5. Fahatsiarovana
- Tamin'ny taona 1995 no nankalazaina
ny faha-50 taona
nanoratan-dRatsimba Georges ka i Amadeus no vy nahitana an'izany
fankalazana izany. "Ny tanindrazana,
ry lahy, lova soa sarobidy
Tsy alam-baraka foana, tsy atakalo volamena Na dia ratsy tiavo ihany, raha tsy tiana “Aza amidy” Raha mba tiana ihany kosa, hasoavy ny an’ny tena." Nihotakotaka ny tany ary tsy
afa-nikofoka ny Malagasy tamin'ny lafiny
maro: fitenenana, fivezivezena, fivorivoriana. Anisan'ny tranga tsy
nampoizina ny nampiantsoan'ny polisy an-dRatsimba Georges hanaovana
fanadihadiana noho ilay fikambanana "Mifady toaka" natsangany tamin'ny
1946 ka niheverana azy ho nitarika fikambanana pôlitika. "Ny ampitso dia
saro-pantarina
Ka nikombona aloha ny vavako ‘Zao kosa dia tsapako marina Tena afaka ‘lay Tanindrazako" An-taonany maro koa no niainany ny
fahaleovantena sy ireo olana
naterany. Niteraka fihetseham-po tsy ankiato tao aminy izany ka
nampiainga hatrany ny fanahiny. Tsy navelany ho andro mandalo fotsiny
ihany ny zava-nitranga fa noraketiny an-tononkalo toy ny "Lasa ilay
mahery fo", nosoratana tamin'ny andro fahatelo tao aorian'ny namonoana
ny kôlônely Ratsimandrava: "Dia mitraka sy
midera
Ny herim-po nanananao Nentinao an-kasahiana Hanala ny olana rehetra Mamatotra ny firenena" Nifanakaiky tamin'ny vahoaka mantsy io
kôlônely io ka nantsoin'ny
fokonolona hoe "Minisitry ny ala-olana" tamin'ny fotoana naha
mpikamban'ny governemantan-dRamanantsoa azy (marsa 1973-desambra 1974).
"Manana ny teniko
aho ka tsy hindrana ny an'olona
Hitory ny famoizam-poko sy fitia mamololona Na handalina ny saiko na hivaofy foto-kevitra: Tenin'olona afaka izy ka tsy afaka handefitra!" Tsy vitan'izay fa mbola vavaka no
namaranany ny tononkalo: "Andriamanitra ô!
ry Teny! Izao no zavatra angatahiko:
Toy ny niharianao ny tena, saina sy fanahiko, Tonony re ny hoe: Foana! hahafoana ny fiainako, Raha ny teniko ka sahiko bantina ho tsy ampy mba hisainako!"
Raha fehezina dia tsy amin'ny anarana
ihany no ahatarafana ny maha
pôetan'ny Fikirizana
an-dRatsimba Georges fa heverina ho efa ao
anatin'ny rany mihitsy ilay fientanam-po hanao ny metimety sy ny
tsaratsara kokoa hatrany mba hahatanterahan'ny tarigetrany teo amin'ny
fianarana, fampianarana, asa fanabeazana, finoana. Matotra izy amin'ny
asa soratra heverina ho feno satria miseho amin'ny endrika samihafa
ary ampoizina tsy ho lefin'ny vanimpotoana mifandimby. Mahafehy sy
mandala ny teny malagasy ity pôetan'ny fananarana ity araka ny
tarakevitra
misongadina ao amin'ny tononkalony. |
TONONKALO | ||
ANTSANGORY Nahoana ry Noro ianao no renoka tahaka izao? Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory hitazana iry vodilanitra misoratra mahafinaritra. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory hitazana iry lohasaha mavana maha-te-hizaha. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory hioty ’reo fela-mirenty mandravaka tampo-tanety. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory hianatra hamisavisa ny haren’ny alin-kisa. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory hianatra hanohy fihavanana amin’ny ory sy manana. Mifohaza fa aza matory, etsy ataoko antsangory handray fahendrena amin’ny alina handinika ireo hevi-dalina. Ratsimba Georges In Etsy babeko, Dingana 1. Tak. 68 |
NAHOANA Nahoana, ry dada, ny lokon’ny lanitra no manga fa tsy mba natao menamena? Ny zavatra mena no mahafinaritra: manintona maso, mateza jerena! Ny manga, ry Noro, no lokon’ny lanitra fa mari-pitiava-madio sy maharitra! Tsara ny lolom-boasary kanefa nahoana ry dada, no nasiana elany? Mipetraka kely izy dia indro milefa, vovoka monja no sisa avelany! Voahangy a! Ny elany no itondrany ny lokony kanto hitety ny tany! Nahoana, hoy i Amiela, ny renintantely no misy fanjaitra manindrona koa? Nefa ny mamy sy savoka omeny mamy sy manitra, sy mahasoa! Raha ts’isy fanjaitra ny renintantely, tavanin’adala ny mamy ka kely! Nahoana, ry dada, ny masoandro iry ny kintana mbamin’ny volana soa raha mba ampidinina koa ho ety? Angamba isika hafana kokoa! Raha iva, ry Benja, dia tratry ny tany ka mety halainy hosimbasimbany! “Nahoanan’ankizy” mba mamiko iky. Ratsimba Georges |
|
MAMIKO LOATRA Maro ny boky izay be mpankafy fa mamiko loatra ity boky ity izay novinidin-dry dada sy neny ary nianarako namaky teny! Boky manify sy kely velarana kanefa dia mamiko mangarangarana fa fanalahidy namoha varavarana ny fahalalana sy fahasambarana! Haiko vakina tsy misy avakavaka ny tarehintsoratra, reny sy zanaka! Avy eo dia haiko soratana koa miaraka maro na tsiroaroa! Tiako dia tiako ’ty bokiko ity izay ianarako ny a, b, d! Matoa aho afa-misondrotra hatrany ity boky ity re no fototr’izany! Raha toa tafasondrotra ianao any aoriana, ny “Fiandoha-mamaky” re aza ariana. Ireny no atao hoe akoho mavon-drazana: aza atsipy toa vato natsindry ahazana! Ratsimba Georges |
FIKASANA - “Tsy haditra intsony aho, ry dada sy neny manomboka anio: ho tia ny zandriko, ho tsara fiteny sy hanao madio, ny boky tsy horovidrovitiko intsony, ny soratro kosa hokaliako tsara... ary isa ambony no ataoko miavosa!” - “Fa inona anefa, hoy dada sy neny, no anton’izao?” Dia hoy Ikotokely namaly an’ireny: - “Ny taombaovao !” Kinanjo ny ampitso hadinon’Ikoto ny voadiny omaly! Ny isany? - Atody. Ny tena? - Maloto. Rainy tsy faly!... Ry zoky sy zandry, fidera tokoa ny tsara fikasa; Kanefa ny teny mba inona moa Rah’tsy arahina asa? Samia ary miezaka isika rehetra, na inon-katao, Hanatanteraka ny tarigetran’ny taombaovao! Ratsimba Georges |
|
TANINDRAZANA Raha vorona ny vorona ka mba manana ny akaniny Raha biby koa ny biby manan-davaka isitrihana Ny olombelona dia olona ka mba manana ny taniny Nahariana, nitaizana, nitomboana, ipetrahana Fotsy hoditra izy angaha? Any Eoropa no fonenany Raha vony kosa indray dia Azia no nihaviany Any Afrika hoe irony Mainty no iorenany Fa ny mena hoditra dia Amerika no fodiany Reny tany niaviana ka hodiana rahatrizay Nahalatsahan’ny tavony sady tany nahabeazana Sarobidy ka omena ity anarana iray Fantatro sy fantatrao no atao hoe tanindrazana! Izy manana ny teniny vita boky, an-taratasy Dia ny tanin’ireo razany izay manana tantara? Fa izaho sy ianao dia isika Malagasy Aiza kosa ange ny antsika? Ny nosy Madagasikara! Madagasikara hoe? Sao tsy fantatrao izany? Voahodidin-dranomasina, miendrin-tongotra havia Voarakotra ala kanto, manam-batosoa tsy lany, Be mpisompatra tokoa, nefa koa mba be mpitia Ny tanindrazana, ry lahy, lova soa sarobidy Tsy alam-baraka foana, tsy atakalo volamena Na dia ratsy tiavo ihany, raha tsy tiana “Aza amidy” Raha mba tiana ihany kosa, hasoavy ny an’ny tena. Ambanidia, 15 Avrily 1950 Ny RAHONA RATSIMBA Georges |
MPANGORON-KARENA Tonga ny Noely ka vory daholo ny fianakaviana iray manontolo! Ambonin’ny rary ’zay efa fanao dia tao ny sakafo sy ny kilalao! Tsy vitan’izany fa mbola indreny, na zanaka izany na ray aman-dreny, fa nifanolotra zavatra kely lazaina fa avy amin’Ingahibe Noely! Rehefa nahazo dia samy namaha ny zavatra azony ka nampitaha. Ny tsara, ny maro, ny tena nirina. . . Mba rafitra koa Ingahy Benjamina: Nalahany ireo kilalao vao voarainy ka tonontononiny sady isainy. . . ’Reo zokiny fito, raha nahita izany dia samy nanatona ka nanontany: “Firy ny fiarakodian’i Parany? Ilay tatsambo itsy, mba iza no anarany? Iry trano iry izao, aiza no miorina? Io vorona io ve azo tifirina?” Tsy tambo isaina ny fanontaniana sy resaka feno fananihaniana, nisy mihitsy aza sahy nilaza hoe: “Benja, mpangoron-karena malaza!” Fa fantatr’i Benja ny dikan’izany ka dia novaliany ilay mpananihany: “Tsy mpangoron-karena aho fa mpanankarena, satria tsy nifetsy anareo fa nomena!” Ratsimba Georges |
FITENY MALAGASY Tsapanao va re ny hakanton'ny fiteny malagasy, Na andaharana an-kabary na atao an-taratasy? Toa tsotra am-pamoronana, malefadefaka eo am-bava Nefa kosa mahavoaka foto-kevitra mazava 'Zany raha arindra izy, mova tsy ny feon-dokanga: Milantolanto raha tononina, kaloina mainka mihamanga Ny hanoharako azy angaha dia orana mijononoka Mamonto tany; ary ny heriny; ony be misononoka Variana foana ny vahiny mandinika ny hainteniny! Endrey izany tononkalo sy ankamantatra afeniny! Ny ohabolany manoatra ny vatosoa voasisy fatratra, Ny halalinan'tsain'ny Razana no abaliakany hitaratra! Manana ny teniko aho ka tsy hindrana ny an'olona Hitory ny famoizam-poko sy fitia mamololona Na handalina ny saiko na hivaofy foto-kevitra: Tenin'olona afaka izy ka tsy afaka handefitra! Andriamanitra ô! ry Teny! Izao no zavatra angatahiko: Toy ny niharianao ny tena, saina sy fanahiko, Tonony re ny hoe: Foana! hahafoana ny fiainako, Raha ny teniko ka sahiko bantina ho tsy ampy mba hisainako! Ny RAHONA RATSIMBA Georges Mandroseza faha, 17 Marsa 1965 |
ETSY BABEKO, RAZANDRY Etsy babeko, Razandry, etsy babeko, ianao: Ny saiko tsy mety tafandry, tia ka tsy afa-mandao! Etsy babeko, Razandry, etsy babeko ianao: Tazano fa sasa-miandry ’Reo namana te hilalao! Etsy babeko, Razandry, etsy babeko ianao: Atsory malaky ny sandry, eo babeko amy ’ty lamba vao! Etsy babeko, Razandry, etsy babeko indray: Ny olona tapitra mandry, ’ndeha isika hody amy ’zay! Ratsimba Georges 14 novambra 1964 |
Fandalinana : Toetra Ràja
© poetawebs
|
Date de dernière mise à jour : 16/05/2020