Dox_100_antsirabe

 

Ny poeta raha miteny
Dia mampita izay mba reny
Sady saininy ombieny
Amin'ny gadona avo lenta
Mampitony hetaheta
Bitsik'ivan'ny poeta

22 Martsa 2015

HAVATSA UPEM : TABATABA AN-TONONKALO AN-TOKOTANY - 21 martsa 2015

 

Mbola ao anatin'ny iray volan'ny poezia isika amin'izao volana martsa izao. Tsy diso anjara amin'izany fankalazana izany ny fikambanana HAVATSA UPEM Madagasikara.
Ny 21 martsa izay andro manerantany ho an'ny poezia dia nanao hetsika TABATABAN'NY POETA nandritra ny tontolo andro teo amin'ny tokotanin'ny Tahala Rarihasina Analakely izy ireo.

Niara nifarimbona tamin'izany ireo poeta samihafa na ao anaty fikambanana na tsia niantsa poezia maro loko toy ny " slam ", ny tononkalo natao ho ren'ny mpankafy sy ny mpandalo.
Tao tokoa no nipetraka nihanoka teny ambonin'ireny dabilio ireny. Ny manodidina sy ny mpandalo dia samy naharay ny hafatr'izy ireo satria nampiasa fanamafisam-peo ny mpikarakara.
Tsy vitsy koa ireo afa-po tamin'ireo boky nalahatra teny an-databatra natao ho jifaina.
'Ndao ary hojerentsika ireo sary vitsivitsy tamin'izany.


Tatitra sy sary : Ikaloyna

   
   
   
   
   
   

 

poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety

Date de dernière mise à jour : 05/07/2021

×