KONFERANSA MOMBA NY SORATRA 2022 Lahatsoratra : Heriarilala Andriamamonjy |
Nahatontosa Konferansa Momba ny Soratra (KMS) 6 hatreto ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko tamin'ity taona 2022 ity, hetsika natao hampiroboroboana ny teny sy haisoratra malagasy. Velakevitra iray avy no novahavahan’ireo mpikirakira ny teny malagasy tamin’izany. ![]() Velakevitra roa no nentina nandritra ny KMS tamin’ny 1 Jona ho fanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy (sary ankavia). I Sitraka Feno Tanteraka no nitondra ny lohahevitra hoe “Ny teny malagasy: mandroso sa mihemotra?” I Na Hassi kosa niresaka “Ny fifamatoran'ny reny sy ny aina ary ny tany tarafina ao anatin'ny boky Simple voyelle nosoratan'i Esther Nirina". Velona sy miaina ny literatiora malagasy ary nahitana fivoarana sy fihavaozana maro araka ny konferansa notarihin’i Riambola Mitia tamin’ny 6 Jolay ka namoaboasany “Ny haiforona mampiavaka ny literatiora malagasy nanomboka ny taona 1991 mandraka ankehitriny”. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny fiforonan’ny riankalo izay misy ifandraisainy amin’ny sombin-tsoratra, tononkalo, epistily. Ranoe no namorona izany riankalo izany. Anisan’izany haiforona izany koa ny tôkalo sy tôkandrigna izay asasoratra niforona tamin’ny alalan’ny fampivadiana ny an-tsoratra sy am-bava betsimisaraka. Taharo nampiasain’ny mpamorona ny tôkatôka sy tononkalo, ny riankalo sy tôkatôka. ![]() Tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy avokoa no nanatanterahana ireo konferansa ireo tamin’ity taona ity. Marihina fa ny ny teny hoe “Konferansa Momba ny Soratra” na KMS dia anarana hetsika fanaon’ny vondrona Koloiko sy Hajaiko ny Teniko hatramin’ny 2017. Nitohy hatrany izany ny taona 2018 sy 2019 izany raha niato noho ny fihibohana ny 2020 sy 2021. Efa eo am-panomanana ny Savaivon’ny Teny Malagasy na STM indray ankehitriny ity vondrona ity. |
![]() |
|
Ravorombato sy Hobiana |
|
![]() |
![]() |
Riambola Mitia |
Ravorombato |
©
Pôetawebs
|