Anisan'ny fomba hahatsapana fa miaina ny literatiora ny firobohan'ny tanora ao amin'ny fanoratana. Tovolahy pôeta vao herotrerony no mivahiny ato amin'ny Pôetawebs. |
Heriarilala Andriamamonjy Miarahaba anao tompoko ary miarahaba ny mpiseran'ny tranonkala. Iza no omem-boninahitra? Valitina Nasandratra Faly miarahaba ny Pôetawebs sy ny mpanaraka rehetra. RANDRIANASANDRATRINIAVO Valitina Fabien no tena anarako, misalotra ny anarana hoe Valitina Nasandratra eo amin’ny fanoratana. Heriarilala Andriamamonjy Faly mahafantatra anao Valitina Nasandratra! Tanora tokoa ianao kanefa efa pôeta sahady. Nanomboka oviana raha tsy mahadiso? Valitina Nasandratra Hatramin'ny 2012 aho no nanoratra. Ny antony dia ny fahatsapana fa Malagasy aho ary tiako ny teny malagasy. Tononkalo no tena ivoizako izany fitiavana ny maha Malagasy ahy izany. Heriarilala Andriamamonjy Efa ho folo taona be izao izany no nilonanao tamin'izany. Mpifanerasera amin'ny pôeta sy mpanoratra àry ve izany ianao? Valitina Nasandratra Tsy mbola ao anaty fikambanana mpanoratra aloha aho hatreto fa antoko pôlitika no misy ahy. Nofy Andrianjaka no tena mpifanerasera amiko raha resaka fanoratana. Manampy ahy izy amin'ny resaka tsipelina diso sns. Mbola tsy namoaka boky koa aho fa mbola am-perim-panoratana. Heriarilala Andriamamonjy Aminao, mitondra inona eo amin’ny firenena ny sorakanto ? Valitina Nasandratra Manampy amin'ny fampandrosoana ny firenena ny kanto satria miainga amin'ny kolontsaina ny tena fampandrosoana marina. Heriarilala Andriamamonjy Mampiavaka ny maha pôeta anao ny firotsahana amin'ny pôlitika. Inona no mety ho anjara toeran’ny pôeta iray eo amin’ny firenena? |
Valitina Nasandratra Miverimberina ato an-tsaiko ny toeran'ny pôeta eo amin'ny firenena, indrindra fa amin'ny fotoan-tsarotra diaviny. Pôeta niady ho an'ny fahaleovantena ohatra ry Leopold Senghor, Jacques Rabemananjara. Mpanoratra tononkalo koa ry Barack Obama, ry Dominique de Villepin. Nanana toera-miavaka tao an-dapa koa ny pôeta mianaka antsoina hoe Andrianaivoravelona. Raha raisintsika eo amin'ny tantara izao, ny pôeta teo aloha ohatra dia nahatsiaro voafehy sy voageja teo amin'ny lafiny literatiora. Ny pôeta ankehitriny kosa dia samy manana ny fijoroany amin'ny heviny, tsy misy geja fa malalaka ny fanehoan-kevitra, saingy ny pôeta dia tsy tokony ho pôetan'ny kanto ihany fa tokony ho mpitarika koa. Maro dia maro mantsy ny pôeta ankehitriny eto Madagasikara, anarivony na analiny mihitsy. Mety ho iray na roa anefa no hisongadina tsy ho faty ao am-pon'ny taranaka maro mifandimby, dia ilay nitarika ny vahoaka sy nampiova ny fiainany. Amin'ny ankapobeny aloha amin'ny maha mpanao politika ny tenako, dia manana andraikitra aho hijoro ho an'ny fireneko sy ny tanindrazako, amin'ny alalan'ny fampitana mivantana ny soratra no tiako hambara. MASINA NY TANINDRAZANA, MASINA I MADAGASI- KARA, MASINA NY HAISORATRA! |
"Maro
dia maro mantsy
ny pôeta ankehitriny eto Madagasikara, anarivony na analiny mihitsy. Mety ho iray na roa anefa no hisongadina tsy ho faty ao am-pon'ny taranaka maro mifandimby, dia ilay nitarika ny vahoaka sy nampiova ny fiainany" |
Heriarilala Andriamamonjy Manahoana àry ny fijerin’i Valitina ny literatiora ankehitriny? Valitina Nasandratra Amiko manokana dia miroborobo tokoa ny literatiora ankehitriny satria betsaka no liana amin'ny asa fanoratana, misy manko ny asa soratra natao hanalana hakiviana sy natao hanalana sorisory, misy kosa natao ho fampaherezana ranoray fotsiny. Heriarilala Andriamamonjy Hono, ho’aho, satria tsy mbola am-boky ny asa soratrao ary tsy mbola anaty fikambanana ianao, aiza izany no ahafahan’ny mpankafy mianoka ny asa soratrao raha liana izy ireo? Valitina Nasandratra Eny, mbola tsy anaty fikambanana aho. Hatreto aloha dia mbola mijanona eto amin'ny tambajotran-tserasera ihany ny fianohana ny asasoratro. Manana eritreritra aho anefa ny hiditra anaty fikambanana fa saingy ny fotoana hoy aho tsy ananam-piry. "Aleo milamina dia misesy", hoy ny tanora ankehitriny. Heriarilala Andriamamonjy Mba omeo andinin-tononkalo àry hankifizinay e! Ireny fanentanana hitia ny tany sy ny kolontsaina ireny ohatra. |
|
Valitina Nasandratra |
Masina
ny teny, masina ny tanindrazana Madagasikara, maro Malagasy: masin-teny, masim-bava Malagasy toa jerena dia malomalo-tava Malagasy malahelo, fahantrana no mba namany Malagasy, Madagasikara izany ve no tantarany? Maro ny aretina tsy zoviana amin’ny maro fa mandripaka olona Maro ireo marary no miatrika ady sy mitolona Ka mangata-bavaka amin’Andriamanitra ny maro amin’ny ireo aretina fa tena mifangaro Madagasikara tanin'Andriamanitra, tanin-Janahary ary tena tsy fanary Madagasikara tany mahavokatra ary tena lonaka ka mamy toy ny fary Madagasikara maro fady ary tena masin'olona Madagasikara miady ny tena ady ary tena mafy tolona Fa maninona ny Gasy no anaty ady ary sarotra mandresy ny zavatra mitranga? Sa hoe fivavahana no hilaina fa maro ireo tsy mivavaka ary tena bangabanga? Sa zavatra hafa tsy filaza sa ny fadifady mipetraka amin’ny tany? Mila mivavaka isika ary tena miankin-doha amin’ny Zanahary Malagasy toa mijaly anaty faharesena tsy mba manana iankinana Malagasy mihininana ny zavatra tsy fihinana Malagasy tsembo-tava, tsy mba manana na dia mpandrotsirotsy "Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy" Manana harena anie izany Malagasy izany Manana harena fa any ambany tany Trandrahin'ireo vahiny izay mpanararaotra Vola kely no omeny dia indreo ireo Gasy kely fa tonga indray misaotra Malagasy namako sarotra ny ady kanefa ianao mijoro Andeha hanampy ireo namana izay tena bobongolo Andeha isika hanampy ireo marary sy mijaly Mba ho mirana izy ireo ary tiana ho falifaly Fahantrana, aretina, ekonomia sy sosialy Ireo zavatra ireo no tena mampijaly Andeha isika hijoro aza manaiky ho tambazana Masina ny teny, masina ny tanindrazana Valitina Nasandratra |
"Andeha isika hijoro aza manaiky ho tambazana Masina ny teny, masina ny tanindrazana" |
©
Pôetawebs
|
Date de dernière mise à jour : 04/12/2021