Ny poeta raha miteny Dia mampita izay mba reny Sady saininy ombieny Amin'ny gadona avo lenta Mampitony hetaheta Bitsik'ivan'ny poeta |
|
NIKIMPY AHO - FANADIHADIANA NY TONONKALON'I RO ANDRIAMANEVA
NIKIMPY AHO Ambohipotsy 19 Mars 1963 – 21h |
Raha takarina tsotsotra izao ity tononkalo ity, dia mazava tsara izay raiketiny, ary tsy mila anaovana famakafakana akory, satria teny tsotra no nampiasain’ny mpanoratra ka tonga dia mahalaza izay tiany ambara. Ny fomba fiteny hoe "hiteny ny tsy fantatra" angamba, no manahirana kely. Azo lazaina fa sarin-teny io, ary fomban’ny tovolahy mpananihany, na koa tovolahy saro-kenatra. Amin’izao fotoana izao dia fomba iray hanambarana 'fitiavana' io. Raha tsorina mantsy dia misy ny maha samy hafa ny tany aloha sy ny ankehitriny. a) Ny taloha mantsy dia ilaina ny 'fitoriana fitiavana'. Ilaina mihitsy ny hitenenana amin’ny vava hoe "tia anao" aho. b) Ny ankehitriny kosa dia fomba fihetsika sy sarin’ankamantatra no mitory izany. Matetika aza dia ny "oroka" no mandeha aloha, ka mahatonga ilay zazavavy hiantsoan’Andriamanitra, izay vao miloaka « fitia » ilay zazalahy. Ary matetika dia fantatra foana eny ireo mpifankatia miara-dalana, satria ny maso toa manjola na mandrimandry dia tsy hay afenina. Isan’ny tsy tian’ny zazavavy mihitsy ny miteny aminy mivantana hoe "tiako ianao", indrindra ange fa miampy hoe "be" io teny io. Ny fihetsika fotsiny dia ampy ho azy ireny. Tsetsatsetra tsy aritra izay, ary indrindra filazana ankapobeny ny rakitry ny tononkalo, raha jerena amin’ny ankapobeny. Ny zavatra azo lazaina, raha vao avy namaky ny tononkalo, dia azo sary an’eritreritra fa nahita olona iray teo anoloany, ity olona ity (mety ho efa niaraka tany izy ireo, na nifamotoana teo amin’io toerana io). Tsy nino ilay olona nahita azy, dia nikimpy. (Ny indray mipy maso, toa vetivety foana, nefa nahitany zavatra betsaka) – Tsy nino izy hoe manoloana azy ilay olona efa nofinofisiny foana. Tao koa ny fanarian-dia, izay misarina zava-marina, satria toa naka sary azy an’eritreritra, ny tenany, ary izany sary an-javozavo izany no niainany. Tao anatin’izany indray mipy maso izany no nahazoany nankafia ilay endrika, izay tena nitiavany azy dia izy somary tsy rototra izay. Rehefa vita ny indray mipy maso, (izay vetivety foana, hoy isika) dia tena tiany nohamarinina ny zava-nisy, kanjo rehefa nihiratra ny tenany, dia tsiky izay tena lafovidy no nitranga, rehefa nifampijery, ry zareo. Niova tampoka ny fijeriny, ny masony, rehefa nihiratra izy, ary tsy tanany intsony fa toa nifandray ny fony sy ny masony, ka lasa ny masony no niteny izay tsy hain’ny vavany ambara, dia ilay TSIAMBARATELO, ary atolony, ho an’ity endrika iray ity. Fohifohy ihany no nataon’ny mpanoratra, nefa noho ny tononkalo izay loharano tsy mety ritra dia anjaran’ny tsirairay ny milaza izay handraisany ity tononkalo ity. Rô ANDRIAMANEVA
|
poeta©2009 - poetawebs@gmail.com
Raha misy mahatafintohina ny votoatin'ny tranonkala dia anoraty ny tomponandraikitra anamboarana ny tsy mety
|
Date de dernière mise à jour : 07/02/2019