Tiako ny sipako - SKUAL
Tiako ny sipako - SKUAL
Ny poeta raha miteny 14 Mey 2015
|
|
Tiako ny sipako, tononkalon'i
Skual, nofakafakain'i Arilala Andriamamonjy
TIAKO NY SIPAKO Na iza milaza ny tenany ho tsara Na zovy mandoka ny tenany ho favy Ny sipako ihany no tena amboara Ny sipako ihany no tena vehivavy Olombelona ihany aho ka tia maka fafiny Be fahotana, sy tia kolikoly Fa ny sipako kosa tsy asiko rafiny e! Na hikitikik'ahy in-jato ny devoly He! 'Ty fahantrako ikoizan-dry tary Kanosa velona sy maivan-doha Ny sipako kosa raha sendra marary Vitako hatramin'ny mangalatra akoho Raha mifanditra izahay sy ilay zandriko Kitoza iray aza ifamonoana Ny sipako kosa tsy iasan'ny sandriko Raha izy no diso dia izaho no mifona Heverinao fa raha lasa eo izy Ho vita mora izany hoe very lapa? Entiko ny entako ataoko am-balizy Tsy handalo pretra aho fa tonga dia Papa. Skual |
Maro
ny lehilahy no mora misaraka amin'ny olon-tiany rehefa mahita
tsaratsara kokoa. Misy indray ny tsy manary azy iny fa manampy hafa
fotsiny, izany hoe mampirafy. Tsy ny lehilahy rehetra anefa no toy
izany fa misy ny lehilahy tsy tia tena fa tia ny sakaizany ary tena
mahatoky. Izay indrindra no hirain'i Skual ao amin'ity tononkalony ity
izay nampitondrainy ny lohateny hoe: "Tiako ny sipako". Handeha àry
hojerentsika indray ny fanakantoan'ny mpanoratra izany foto-kevitra
asandrany ato izany. Ny fanakantoana eo amin'ny endrika no
hojerevantsika mialoha manaraka izany ny fanakantoana eo amin'ny teny
sy voambolana ary farany ny fanakantoana eo amin'ny fehezanteny.
ENDRIKA Voalohany, mirafitra ho andininy ity tononkalo ity ka andininy dimy no manorina azy; andalana efatra avy no manorina ny andininy tsiraira. Izany fitovian'ny isan'andalana izany dia maneho fa tsy miova ny fitiavan'ity tovolahy ny malalany, fa hajainy hatrany raha tsy haka porofo afa-tsy ny eo amin'ny andalana faha7 sy faha15 isika: "fa
ny sipako kosa tsy asiako rafiny e (...) ny sipako kosa tsy iasan'ny
sandriko".
Izany ka tena fitiavana,feno fanajana: Tsy mikasi-tanana, tsy mampirafy. Ity tononkalo ity moa dia tononkalo mirindra, rima mifaningotra ab ab no mandravaka ny faran'andalana, ohatra eo amin'ny andininy voalohany: ... tsara
... favy ... amboara ... vehivavy Eto
dia vanin-teny roa no mitovy rima: ara/ara, avy/avy izany hoe rima feno
no hita eto. Hita ao amin'ireo teny mirima ireo fa tsy misy atakalony
ny olon-tiany na tsara tarehy na ahoana. Aminy dia ny olon-tiany no
lafatra indrindra.
TENY SY VOAMBOLANA Anisany nanakanto ity tononkalo ity ny fampiasan'ny mpanoratra voambolana voasokajy ho fitenin-jatovo: toy ny "favy", "sipako". Izany rahateo no mamaritra fa mbola zatovo ao anatin'ilay fivelaran'ny fitiavana tokoa ny mpanoratra. "Favy" hoy izy nanatsotsotra ny teny vahiny hoe "favori", entina milaza fa tena efa raitra: tsara tarehy, tsara bika, mety koa hoe manam-pahaizana sy manam-bola kanefa tsy atakalony ny olon-tiana velively. Ankoatra izay fitenin-jatovo izay dia teo ihany koa ny voambolana tsy fampiasa andavanandro dia ny mpisolo manontany hoe: "Zovy" raha ny hoe "iza" no mahazatra ny besinimaro. Ity andalana faharoa ity no misy izany: "na zovy mandoka ny tenany ho favy". Io "zovy" tsy dia mahazatra loatra io no nampiasaina mba hanasongadinana manokana ny tena voalaza ao amin'ilay tohiny hoe "mandoka ny tenany ho favy" izay tsy ahoany, ho fanajany ny tiana malalany. FEHEZANTENY Ny mpanoratra dia nampiasa fehezanteny mitovy vahana teo amin'ny andalana efatra voalohany. Ohatra: "ny sipako ihany no tena amboara ny sipako ihany no tena vehivavy". Mitovy ny firafitry ny ireo fehezanteny ireo, samy mivadi-drafitra ary mitovy rahateo koa ny vahany. Izao fitoviana izao dia maneho fa tsy miova ny fitiavan'ilay tovolahy na misy tsara sy tena "favy" aza eo. Nampiasa fanontaniana ihany koa teto ny mpanoratra teo amin'ny andininy farany: "heverinao fa raha lasa eo izy ho vita mora izany hoe very lapa?" Io fanontaniana io dia nampivoitra fa fatiantoka tanteraka ho azy tokoa raha lasa ny malalany, betsaka nefa ny lehilahy no tsy mba toy izany fa mbola tsy lasa akory aza iny dia efa mahita ho azy ny solony izy. Mavesa-danja tokoa ny
fitiavan-dralehilahy ny sakaizany, manamafy izany ny valiny hoe:
"entiko ny entako ataoko am-balizy! Tsy handalo pretra aho fa tonga dia Papa." Nanasongadina ny tsy fahafoizany ny olon-tiany tokoa izay fanontaniana izay; izy ihany no namaly azy. *** Raha fintinina izany dia tononkalo mirindra izy ity, mirafitra ho andininy izay hain'ny mpanoratra ny nandanjalanja ny isan'andalana manorina ny andininy tsirairay ka nanakanto ny endriny. Teo amin'ny voambolana dia tsikaritra fa tanora tokoa ilay mikalo eto ary mbola noravahany tamin'ny voambolana tsy fampiasa andavanandro izany. Nahafinaritra ihany koa ny filalaovana ny fitovizan-drafitra sy ny vahana. Teo ihany koa ny fampiasany ny fanontaniana izay izy ihany no namaly azy. Kanto tokoa ity tononkalo ity, eny fa na dia ny votoatiny aza, mba firifiry amin'ny lehilahy tokoa re no manana toetra mahatoky sy fatra-panaja sahala amin'ny voalaza ato e? Arilala Andriamamonjy |
Pôetawebs©2015 -
poetawebs@gmail.com
|
Date de dernière mise à jour : 03/09/2023