Ho teraka ny boky Dindo
Faniry Ezeckiel - 18/04/2024

HO TERAKA NY BOKY DINDO

Fararanon'ny mpanakanto ny aty Vakinankaratra. Havoaka ofisialy ny Sabotsy faha-20 Aprily 2024 ho avy izao ny boky DINDO. Hanomboka amin'ny iray ora tolaka andro ny hetsika. Boky voalohany havoakan'Andriamanalina Ni Avatsa manokana ny DINDO, mirakitra tononkalo feno embona, tandindona, vinavina, mifono hevitra mafonja mihataka amin'ny fijerin'ny fiarahamonina. "Poezia voafono fahanginana misy lokony sy milafika ngadona tranainy eo amin'ny ankehitriny", izany no ho taratra ao anatiny araka ny fanazavan'ny mpanoratra.

"Hamelona ny poezia matory ao anatin'ny zavatra rehetra ny boky dindo".

Horavahana antsa tononkalo sy velakevitra ary fifaninanana horonan-tsary maneho ny sanganasan'i Ni Avatsa ny fotoana amin'ny Sabotsy ho avy izao ary eo ambany fiahian'ny fitaleavam-paritry ny Kolontsaina eto Vakinankaratra ny seho.

Tsy mitsaha-miroborobo ny fiangalian'ireo poeta ny kanto amin'izao vanimpotoana ankehitriny izao.



Date de dernière mise à jour : 18/04/2024