Rô Andriamaneva, mpisolovavan'ny mpitrongy
Fandalinana tononkalo
RÔ ANDRIAMANEVA
MPISOLOVAVAN'NY MPITRONGY
Iaraha-mahalala fa mihamahantra andro aman'alina ny Malagasy maro? Mihalalina hatrany ny hantsana manasaraka ny ory sy ny manana. Taratra ato amin'ity andinin-tononkalon'i Rô Andriamaneva ity izany, notsongaina tao amin'ny "Satria nasondrotry ny vintana?", nosoratany tamin'ny taona 1975. Hofaritana aloha ny fomba fanehoan'ity poeta mpisolovavan'ny mpitrongy ity ny halalin'ny fahoriana. Rehefa izany dia hasongadina ny fiavosan-karenan'ireo mpanana manoloana izany.
*
* *
HALALIN'NY
FAHORIANA
Eny am-piandohana dia misarika ny
mason'ny mpamaky i Rô Andriamaneva hijery ka hahatsapa ny olana amin'ny
hoe "Jereo
anie...".
Toy ny manambara izany fa tsy mba misy mpijery izy ireo fa tranga efa
mahazatra ihany ny tolona. Mitolona amin'ny fiainana tokoa izy ireo;
ohatra vitsivitsy no noraisina eto. Ao aloha ny boto izay "zazalahy kely... Mpiasa an-trano
fanirakiraka sy mpanao raharaha, mazàna voasisi-kevitra fanambaniana"
hoy ny Rakibolana. Miharihary eny an-tsena ka itafiany
henatra anefa izany maha boto azy izany: "Jereo anie 'reo
boto an-tsena". Ny borizano indray dia "mpitondra posy sy filanjana ary mpitaona
entana". Ambonin'izay, tsy ny kisoa koa ve moa no mitrongy tany
amin'ny alalan'ny molony sy nifiny vao homana? "Borizano sy
mpitrongy".
Faran'izay mahantra fadiranovana araka izany izy ireo ary tsy
manan-tsafidy fa manaiky ny onjam-piainana araka ny voalaza hoe "Nefa tsy afaka
midongy".
Mitokona noho ny tsy fahafaha-manatanteraka intsony no hevitry ny
midongy. Manampy trotraka ny porofon'izay fara-fahantrana izay koa ity
voalaza ity:
"Ny anio
tadiavina, zahana
Tsimponina
eny an-jaoridira."
Tafahoatra izany amin'ny maha olombelona azy ireo. Handroso ve ny
firenena raha toa ka "mameno firenena" izy ireo? Ilana mpisolovavan'ny
fiainana izany mba hitaonana ny fiarahamonina hijery ifotony ary
hiantsoantso hoe "Ny hafa anefa...".
FIAVOSAN-KARENAN'NY
HAFA
"Isan’andro, isan’alina
Vola an’hetsiny, aman’alina"
Taona 1975 no nanoratana an'ity tononkalo ity. "Satria nasondrotry ny vintana" ihany ve ireo mpanana tamin'izany sa mety ho efa nasondrotry ny tsy fahamarinana?
* *
Mikatsaka
fatratra ny fahamarinana ny Malagasy hatry ny ela noho ny tsy
fitovian-tsaranga
amin'ny lafiny maro. Ny tsy fifandanjan'ny fari-piainana no resaka eto
amin'ity
tononkalo ity. Etsy andaniny ireo boto an-tsena, borizano, mpitrongy.
Etsy
ankilany ireo mpikorana sy mpikirakira. Lalina ny hantsana manasaraka.
Raha
hitsambikina amin'ny vanim-potoana ankehitriny indray dia mety hisy
tranga efa
nilaozan'ny toetr'andro no voambara tao. Tsy anio intsony no itadiavana
ny
hanina anio fa ny ampitso. Ny vola "an'hetsiny" nokirakirain'ny
mpanana tamin'ny taona 1975 dia efa sarotra isaina ankehitriny satria
mbola
nisanda ariary folo ny farantsa frantsay iray tamin'izany. Tsy ampy
intsony ankehitriny
ny fanomezana rariny ny vintana, entina hanazavana ny tsy
fitovian-tsaranga.
Poeta
mitolona i Rô Andriamaneva ary tsapa ho mpisolovavan'ireo mpitrongy ka
iharan'ny hetraketraka sy fanaporetana. Mety ho noho izy niantsoroka ny
asana
mpitandrina angamba no nahatonga izany na noho ny antony hafa mety ho
taratrao
ao amin'ny sorapiainany.
SATRIA NASONDROTRY NY VINTANA ?
Jereo anie 'reo boto an-tsena
Borizano sy mpitrongy
Fa mameno firenena
Nefa tsy afaka midongy
Ny anio tadiavina, zahana
Tsimponina eny an-jaoridira.
Ny hafa anefa mikorana
Sy fantatra mikirakira
Isan’andro, isan’alina
Vola an’hetsiny, aman’alina
Satria nasondrotry ny vintana?
Rô Andriamaneva
30 Oktobra 1975
Satria nasondrotry ny vitana? Andininy voalohany
Date de dernière mise à jour : 02/03/2024