| Lahatsoratra :
Heriarilala Andriamamonjy |
| IRAY VOLAN’NY
POEZIA ANY MAHAJANGA — Hiaka-tsehatra i RNT MPIKALO — |
Manolotra ho an'ny
mponin'i Mahajanga "Ny pôety sy ny alahelony" ny Fitaleavam-paritry ny
Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin'ny Tranombokim-pirenena eto
Madagasikara ny 2 Marsa amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny
Tranombokin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina “Akôry Haly”
Mahajanga. Tafiditra ao anatin'ny Iray Volan’ny Pôezia ity hetsika ity
ka ahitana velakevitra sy fiantsana tononkalo ary
fifanakalozan-kevitra. Vahiny nasaina manokana amin’izany i Rnt Mpikalo
izay pôeta sady mpanoratra. Anisan’ny hiantsa tononkalo sy hanao slam
koa ry Ombre de la plume, Setroka, Rianarivelo, Safidy Mihaja ary i
Kanto Mikalo. Mitohy hatrany ny fanandratana ny teny sy haisoratra malagasy ho an’ireto tanoran’i Mahajanga ireto ka manantena ny fanotronan’ny mpankafy rehetra izy ireo. Tsy misy ny vidim-pidirana. ![]() |
|
©
Pôetawebs
|



