Sorapiainan'i Randja Zanamihoatra
Randja Zanamihoatra
(1925-1997)Pôeta
Mpanoratra
Akademisianina
— Fandalinan'i Tsikimilamina Rakotomavo —
Hoy i Randja Zanamihoatra tao amin’ny
Vainafo tononkira tak
9 : "Ny teny sy ny sain’ny firenena iray dia mifaningotra aina hatrany". -------------------- "Ny Poeta anefa dia manana izao toetra izao : mora tohina, mora mientana, malady kokoa amin’ny feon’ny zava-boahary manodidina azy, ary mahiratra kokoa amin’ny fahatazanana izay tsy tratry ny ara-mason’ny sarambabe". Ny Poeta malagasy sy ny asany tak 6 |
RANDJA ZANAMIHOATRA MANORATRA |
Fony nitoetra tao Ankazomiriotra i Randja Zanamihoatra dia nanoratra ny tononkalo "Manina" : "Malala
any am-pita ka mahamanina !
Ny sento azy ihany no mahafanina ! - nahoana ny saina no korontanina ? Hanoatra hankaiza fa aleo mba mianina" Ako sy Feo tak 15
Nanana ny nampiavaka azy ny taona 1956 ho an-dRandja satria nanomboka nitondra ny anarana Randja Zanamihoatra izy io taona io. Hita taratra amin’ireo fanehoan-kevitra arosony anefa ny solon’anarana hoe : "DJ. Z". Tamin’izany fotoana izany no nanorenany ara-panjakana ny "Collection" Ako sy Feo izay revio manasongadina ny literatiora, fiteny sy ny foko ary ny tantara ao aminy, fahalalana samihafa. Toy
izao no nambarany fa nahasarika azy hitozo amin’ny fanoratana : "Anisan’ny fitiavako lehibe indrindra ny tononkalo sy ny nanoratra tononkalo ary namaky tononkalo". Talenta
nifandovana ny famoronana tononkalo hoy ihany izy satria be mpanoratra
ny fianakaviana nipoirana ary nianarana mihitsy. Raha ny fotoana
nanoratana indray no nasian-teny dia tsy mahavantana an-dRandja
Zanamihoatra loatra ny manoratra amin’ny alina. Hoy indrindra izy
: "Bedin’ny vadiko aho
raha manao izany" In Harivan-tafasiry tak 9
Fa
rehefa miboiboika tsy hay tanana iny ny
aingam-panahy indraindray dia te hanoratra mafy ity pôeta ity kanefa
tsy nankasitrahan’ny vadiny loatra izany noho izany fihetsika izany toa
manelingelina ny fifankatiavan’izy ireo. Hoy ihany izy manohy : "Ary
dia toy ny olona efa mihirim-belona amin’io soratra io aho : tsy tiany
izany - ny vadiko -, fantatro rahateo fa manembantsembana ny fiainana
ara-pilana".
In
Harivan-tafasiry tak 9
|
Samy
nahafantarana an’ity pôeta miavaka ity avokoa ny boky
nosoratana ankoatra ny tononkalo tan-gazety toy
ny "Vehivavy", "lehilahy",
"Ako sy feo", "Ary nihira aho", "tandindona sy rà",
"Vainafo tononkira", ny "2003". Nisy boky fandalinana
mikasika ny haifitenim-poko milohateny hoe "Avy aiza ny Malagasy"
niarahany nanatontosa tamin’i J.B.
Rakotomalala izay nindaosin’ny fahafatesana tampoka. Ireto avy ireo gazety
namoahany ny tononkalo : Fandrosoam-baovao, Asa vadi-drano,
Malagasy
Vaovao. Maro be ny
asa soratra hafa nosoratany toy ny
lahatsoratra tsotra, tantara foronina, saingy mbola tsy nivoaka: "Alina
farany" ahitana 100 takila, "Ny
diako tany an-danitra"… |
RANDJA ZANAMIHOATRA MANKAFY |
Maro
Ireo mpanoratra indray nihira taminy ary nifanerasera akaiky azy toa
an’i E.D. Andriamalala, S.BEM, DOX, RADO... Ankoatra ireo dia mirona
bebe kokoa amin’ny mpanoratra vahiny toa an’i J. Prevert, Léo Ferré,
Baudelaire, Paul Valery, Rimbaud, Lamartine, David Diop, Marcel Proust,
Angelus Sileus, izy. Mankafy boky i Randja Zanamihoatra ary nilaza fa : "Boky
! boky ! niaina sy nilona tao aminy aho… maro be tokoa amin’ireny no
efa novakina sy nahitana izay nahafinaritra tao aminy avy"
Harivan-tafasiry tak 5
Nankafiziny manokana ny Mpanoratra Rivo-Romuald ka nambarany tao amin’ny Boky Vainafo tononkira ny ampahan-kalon’ity farany manao hoe : "Nofiko
hono, ka hianao ilay Anjely tonga teto
Fe indray harivariva fanateran-tonom-bavaka : Izany olona re miraona mivoaly ny habakabaka Mian-kira izato "zovy" dia indraika indray misento Izany maso mifanena !" In Vainafo tononkira tak 104
|
Anisan’ny tononkalo nandona ny fo sy ny fanahin-dRandja Zanamihoatra ny Tononkalon’i DOX "Asa izany": "Ny
masonao no itiavako iny habakabaka iny
Sa ny masonao no tiako dia ny habakaba-manga ? Asa izany fa ny foko dia mihira ny hafaliany Anoloan’ny masonao sy ny lanitra mitranga" In Takelaka Notsongaina tak
25
Ankoatra ireo dia manome lanja ny taozavakanto izay maneho asa tanana vita malagasy izy. Mitendry gitara fatratra ny lehilahy ary manamarika ny Talentany manokana izany. Lalao tena tiany ny daomy izay kilalao mampiasa saina. Kilalao misy vato valo amby roapolo misy masony; zaraina mitovy isa amin’ny mpilalao telo ny iraika amby roapolo amin’ireo vato ireo, ka mifandimby mandahatra ny azy raha misy vato miady masony amin’izay mivoaka ny mpilalao. Izay mahalany vato any amin’ny voalohany no mahazo amin’ny indray mihodina, ka dia isaina ho azy ny masom-baton’ireo sisa tsy mbola nahalany ny azy. (Regis Rajemisa Raolison, tak 165). Marihina fa tia ity karazan-dalao ity ihany koa i E.D. Andriamalala izay indray nihira taminy. Malaza ho saro-takarina ny asa soratr’i Randja Zanamihoatra, ny mpamaky anefa no heveriny fa hanohy ny famoronana izay nataony ka hamantatra ny tian-kambara amin’izany. Ao anatin’ny tsindrimandry matetika no anoratan’ity pôeta ity izay heverina fa manokatra sy manakatra ny sain’ny mpandray izany. Voambaran’ity pôeta ity fa mitovitovy daholo ny fiainan’ny mpanakanto, ary nasehony fa adala mihitsy aza ka nanehoany fa : "eny,
adala tokoa mantsy izy ireny (izahay), nefa tsy maintsy manana ireny
olona adala ireny ny Firenena vao mety ho ngeza sy malaza olo-manga"
Ny
harivan-tafasiry tak 12
|
RANDJA ZANAMIHOATRA MIKALO |
Maro
ireo tara-kevitra tsikaritra amin’ireo tononkalon-dRandja Zanamihoatra.
Ambaran-dRandja ny adin-tsaina
mpahazo ny olona rehefa sendra ny olona
tena niantefan’ny fony sy ny safidiny. Miharihary amin’izany ny
fahavarianana sy ny ahiahy sao tsy tafita izay tanjona tian-ko
tratrarina. Misy fiantraikany lehibe eo amin’ny fihetsika ivelany, eny
hatramin’ny fihetseham-po izany ka ilazany hoe :
"Mandrera-tsaina ny mitia
Manadala mampahia Tsy ahavitana izay atao fa manjombon-dava izao mahalasa ambiroa mampirediredy koa" Ny
mitia, Vainafo Tononkira, tak 56
Mampiseho ny fitiavana tsy mety maty ihany koa ny kalon’ity pôeta miavaka ity ka mahatsiahy ny lasa izay tsy fanadino satria nitondra fahatsiarovana mamy ireo fotoana niarahana tanilan’olon-tiana "o ! malalako ! ry tiako ! mitodiha
Fa ny foko sy ny feon’ity valiha Indreto miantso sy mitory ankehitriny Fa tsy maty ilay fitiavana fahiny" Ary nihira aho, in Vainafo Tononkira tak 123 Manamarika ny fandinihan’ity pôeta ity ny zavaboary manodididna azy ny fanehoana ny lanjan’izany eo amin’ny fiarahamonina. Aharihariny fa manan-kasina ary tsy misy izay tsy misaina sy mitoetra anilan’ny vato na ny biby amam-borona eny fa na dia ny mpanao zavakanto aza. "vato !
Miaina anatinao ilay SAINA MANINTERAKA Ny ati-fo indrindra tsy takatry ny feo ; Injany fa voaentana izao voahary izao Ka taza-mifandimby mankeo an-dohanao Voronkely indreny miteronterona eo Raha ny mahery kosa mametraka eo ny akaniny Poeta sy mpisaina, mpihira sy mpitia, Samy efa tsinjo teo namonto ny eritreriny" Vato, in Vainafo tononkira tak 13 Miresaka ny tontolon’ny fahafatesana ny pôeta ka manambara fa misy alahelo, sento noho ny fifandaozana eo amin’ny olona izay nihanerasera tamin’ny tena. Mahakivy ny fo ny mieritreritra ny fiovana sy ny tsy fitovian’ny fiainana anaty fahavelomana sy ny fahafatesana ka mahavalaketraka : "Ary lasana izy !
Antsoina tsy miteny Miteny fa tsy heno Votoatim-peo Mihararetra anaty Aina avy amin’ny maty Mamerina ny tsy eo Ao anaty fo Miova tsy tokoa Satria tsy ny tokoa !" Lalamben’ny maty, in Vainafo tononkira tak 99 |
Manasongadina ny anjara toeran’ny pôeta i Randja Zanamihoatra. Olona manana ny sata manokana ny pôeta araka ny fiheverany. Noho ny fananan’izy ireny ny fanahy izay tsy itoviany amin’ny maro no mahatonga izany. Ny pôeta mantsy no afaka mamboraka izay tsy voalazan’ny rehetra eo amin’nyandavanandrony. Ny pôeta no manana fahasahiana mampiseho ireo voambolana tsy fandre matetika eo amin’ny samy mpiara-belona. "Ianao Poeta irery no manana fanahy,
Raha saina monja ihany no entin’ny rehetra Fa ankoatr’izao misaina, mitia sy manahy Dia mbola misy « ianao » fisaina tsy mifetra" Poeta, in Vainafo tononkira tak 12 Maneho ny hasarobidin’ny teny izay akora fototra iasan’ny pôeta i Randja Zanamihoatra. Avy amin’ny teny avokoa no hipoiran’ny hakanton’ny famoronana. Avy amin’ny teny no hamborahan’ny pôeta ny hetaheta sy ny tsikaritra eo amin’ny fiarahamonina. Ny teny araka izany no mampisy sy mampaharitra ny tononkalo. "Tsia , ry Poeta !
Izaho no fisiana Nampisy anao ho ngeza Fa raha ialako ianao Dia zava-poana sisa Sy tena vaingan’aloka" Izany ka Fitia, in Vainafo tononkira tak 105 Ny endrika isehoan’ny fitiavan-tanindrazana dia miharihary an-tononkalon’ity pôeta ity. Ny hakanton’ny valiha izay zava-maneno manasongadina an’i Madagasikara no manamarina izany. Ambarany fa mitondra hafatra lehibe ho an’ny fo sy ny saina ary indrindra ho an’ny fanahy ny feo atosaky ny valiha. Izany ako izany no itarafana ny lanjany eo amin’ny fiarahamonina ary mampisy lanja azy ka tsy azo hamaivanina. "Valiha sombintsombin’ilay FANAHY MANERANA
Fototra mizara no sady koa famato Mitana tsy ho very « ny saina sy ain’ny vato » FANAHIN’NY TONTOLO iompanana, itoerana Mampitepo hatrany Ny fo - ny fon’ny tany -" Ny valihako in Vainafo tononkira tak 17 Pôeta sarotiny amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy i Randja Zanamihoatra ka nisarika ireo taranaka aty aoriana mba ho tonga saina ary hanome lanja ny maha Malagasy. Tsikaritra amin’ny kalon-dRandja ny fanasongadinana ny fomba malagasy izay efa fanao fahiny ka noheverina fa mampiombona sy mampiorina ny fihavanana. Iray amin’ireny ny famadihana izay asongadiny fa fomba hikajiana ny soatoavina malagasy. "Nefa mbola misy loatra, eny, fa tsy izany
monja
No zavatra azo tsoahana ao, mbola misy iray mafonja Hevi-dalina sy ambony, lehibe ka tsy azo foanana Asa raha voadinikao : "FAMELOMAM-PIHAVANANA" Ako sy feo tak 8 Manafatra ny pôeta ny amin’ny tokony hanomezan-kasina ny teny sy ny fomba amam-panao malagasy. Koa na eo aza ireo fivoarana mety mandalo sy miserana eto anivon’ny riaka dia tokony hanaja sy hitahiry ny maha Malagasy ny rehetra. "Eny ho’aho, Ramalagasy ! Malagasy be
fivoarana !
Tsara haingo tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana ! Tsy hanozona ny Ntaolo n’inona n’inona natao Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO" Malagasy mankany, in Vainafo tononkira tak 23 Ankoatra ireo voambara anefa dia miharihary hatrany ny finoana an’Andriamanitra mpahary sy mpandahatra ny fiainana izay heverina fa manampy sy manohana eo amin’ny ady maro atrehina amin’ny andavanandro. Angatahana fitahiana sy fanambinana izy mba hahazoana fahombiazana tsy tapaka amin’ny ho avy : "Vokiso famindram-po, aza avela hanjoretra
Mba hihoby sy hifaly amin’ny fiainanay rehetra" in Vainafo Tononkira Tak 39 |
RANDJA ZANAMIHOATRA MIKANTO |
Rehefa
atao topy maso ny endrika ivelan’ny tononkalon-dRandja dia ahitana
andalan-tsoratra Masina notsoahina avy amin’ny Baiboly hatrany
aorian’ny fametrahany ny lohateny. Andalan-teny toa misarika ny mpamaky
hanohy ny tian’ny voambara hampitaina izany. Ohatra amin’izany : Ny
havandra Mena
"Tefeo ho sabatra ny fangadinareo" Joela 4-10 Ady hevitra Ady vava Ady aman’aina Adim-panahy… in 2003 tak 6 |
Hita taratra tamin’ireo
tahirin-dRandja fa nilona tanteraka tamin’ny
famakiana Soratra Masina izy. Porofon’izany ny fanoratany ireo
andalan-tsoratra Masina izay manohina azy ka soratany anaty kahie
fitahirizan-kevitra. Fanampin’izany dia tsikaritra ihany koa ny tenin’olona heveriny fa azo tsongoina sy ampitana hafatra. Manamarina izany ny "Fa volana no rava" tak 21 izay nahitana ny voalazan’i E.D. Andriamalala hoe "Rahariva, rehefa miposaka ny diavolana" e.d andriamalala-antso "fa….
Rahampitso angamba Hihintsana ny volana Ary aizina ny lamba" in 2003 tak 21 Mahavariana ny maso ny mahita ny filalaovan-dRandja ny fiverimberenan’ny teny an-dohan’andalana, izay indraindray toa teny tsy tsaroana kanefa misy ifandraisany amin’ny fiainana andavanandro. |
RANDJA ZANAMIHOATRA MIHEVITRA |
Randja Zanamihoatra dia namaritra ny
literatiora hoe SORAMONINA izay nosokajiany ho hery
manentana ny olombelona ahafahany nanome
hasina ny fiainana, ary namelombelona izay olona mivalaketraka. Maneho
sy nampisongadina endrika sy ny
hakanton’ny
zavaboary ihany koa izany. Nambarany ihany koa fa ny literatiora
dia : "ny
asan’ny saina mendrika hivela ho an’ny taranaka amin’ny alalan’ny
fitadidiana
aloha, manaraka ny soratra ary farany ny printy ; raha tsorina dia
ny tena
asa mendrika ; voarakitra amin’ny soratra manara-dalàna araky ny
fitsipiky
ny fiteny." Teny fanolorana, Ako sy Feo
Ny fanandratana ny literatiora araka
izany dia ny
fitandremana tsara ny fandaharana ny kanto avoaka satria ny mpanoratra
dia
manana andraikitra lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny
alalan’ny
famoronany. Ao amin’ny haisoratra mantsy no ahitana ireo karazana hery
tsy hay
refesina mitondra fiadanam-po sy saina ho an’ny mandray azy. Rehefa nandinika ny karazam-boky sy gazety i Randja Zanamihoatra dia tsikariny
fa tsy miova sy efa hita matetika ny endrika isehoany sy ny
votoatin-kevitra
ambara ao toy ny fisentoana sy ny fahadisoam-panantenana tsy
ahafaha-mivoatra
eo amin’ny fiainana. Heverin’ity pôeta ity fa ny fifotorana amin’ireny
endri-tsoratra ireny dia tsy hampahomby velively ny taranaka amam-para
any
aoriana. Araka izany dia karazana literatiora tokony hanondrotra ny
fomba
amam-pisainan’ny mpiara-belona no ampitain’ity pôeta ity fa tsara
haroson’ny
mpanoratra ankehitriny. Fomba fijery sy fisaina vaovao no
aroson-dRandja
Zanamihoatra ho fanandratana ny literatiora. Tsy irery anefa ny pôeta fa mifameno
mandrakariva ny anjara
asany sy ny mpamaky araka
ny hoe : "na toinona na
toinona heverina ho fiezinezin’ny talentan’ny Poeta, dia tapany
ihany : ny
talentan’ny mpamaky no hanovona azy ho erany" Vainafo tononkira
tak 6
— ny teraky ny fo sy
ny saina — Raha miresaka ny karazana asa soratra
indray i Randja
Zanamihoatra dia nilaza fa misokajy roa
izany dia ny teraky ny fo sy ny saina. Mifameno anefa ireo
sokajy roa
ireo satria misy ny fotoana ilan’ny olona ireny fahasamihafana ireny. Na izany aza anefa dia notsindriany fa
na eo aza ny
fahasamihafana dia miavaka na eo amin’ny endrika na eo amin’ny lafiny
faharetany sy fitetezana vanimpotoana ny soratra teraky ny saina. Koa
na
averimberina aza ny famakiana izany dia ahitana zava-baovao hatrany sy mahafa-po ny maso sy ny saina. Ho an’ny
sokajin’olona zatra toloram-potsiny anefa dia mahatsapa fa lalina sy
saro-takarina ny soratra teraky ny saina. Izay indrindra no anehoany fa
: "Izay
hita ho mampavesa-danja indrindra ny tononkiran’ny Poeta mihoatra noho
ny
lahateny tsotra dia noho izy mahaseho zava-maro amin’ny fomba
mifintina :
toa horonan-tsary mivaha ny nahiny ao an-tsaina" Vainafo tononkira tak
8
"Ny ilaina dia ny hahazatra ny zatovo
hahay
manakatra hevi-dalina sy hahatsinjo izay miery ao ambadiky ny
fisainan’ny hafa,
na toinona na toinona endrika isehoan’izany" Vainafo tononkira tak 9
Marihina moa fa noraisin’ny mpanoratra
ao amin’ny Faribolana
Sandratra ho zoky mpiantsoroka i Randja Zanamihoatra. Koa
tamin’ny fankalazana
ny faha 46 taona nanoratany dia nanao tsangan-tononkalo ho azy ny
Faribolana
Sandratra izay nilohateny hoe : "2003, Andro gaigy"
izay
notontosaina tao amin’ny tranom-pokonolona Analakely. Tamin’ny 11 jolay
2007
kosa dia nisy ny fahatsiarovana ny fahafolo taona nahafatesany tamin’ny
alalan’ny antsantononkalo "Lalambe mihoatra". |
HAFATRA MIAMPITA | |
Randja Zanamihoatra "Mikiriza
hahay ny asa voatendry ho anao : ny antsasany talenta, ny antsasany
fahaizana na inona na inona sokajin’ny zavakanto ataonao dia be ny
zava-misy hainao momba izany asanao izany. Tsy ny ho olo-malaza araka
ny "fankalazana" fa ny ho tonga olo-malaza noho ny fahaizany tsy azo
lavina".
Rakotomandimbiarison Holy, Ambioka
lah 59
"Fa ny lalamben’ny
maty
Mahery sy masiaka Tsy mamela hitodika O ! mandrirodrirotra Tsy ananana safidy" Ilay
"Midadasika
ny tahalan’ny fahaizana sy fahalalan’ity zoky mpanoratra ity ny teny
malagasy. Tsy nitsaha-nikaroka izy ary sarotiny dia sarotiny"
Nobel
Randrimananjara
"Pôeta nanana ny nampiavaka azy i Randja Zanamihoatra teo
amin’ny fomba fanehoana ireo teny malagasy matotra sy mateza jerena.
Mampalahelo anefa fa tsy manohy izany ezaka izany ny ankamaroan’ireo
mpanoratra aty aoriana"LOHARANON-KEVITRA Boky samihafa
- Faribolana Sandratra, 1991, Tontolo Isainana, Antananarivo- Lala-Rakotoson RAOLISOA Julienne Agnès, 2003, Lovako T12, Ambozontany Antananarivo - Randja Zanamihoatra, 1956, Ako sy Feo, Antananarivo - Randja Zanamihoatra, 1969, Vainafo Tononkira, Ambozontany Fianarantsoa - Randja Zanamihoatra, 2015, * Samy manana ny
literatiorany (Fahatsiarovana
ny faha-90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo
- Siméon Rajaona, 1972, Takelaka Notsongaina,
Ambozontany Fianarantsoa* Ny Poeta malagasy sy ny asany (Fahatsiarovana ny faha 90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo * Ny harivan-tafasiry (Fahatsiarovana ny faha 90 taonan’i Randja Zanamihoatra), Antananarivo Gazety - Ambioka, lah 38, septambra 2001 - Ambioka, lah 90, Desambra 2007 Rakibolana - Regis Rajemisa-Raolison, 1985, RAKIBOLANA MALAGASY, Fianarantsoa |
|
Tranonkala
- Issi Heridiny, "Portrait : Randja Zanamihoatra : le poète couturé de cicatrices". Midi Madagasikara. 5 jolay 2019. Tsikaritra ao amin'ny :
http://www.midi-madagasikara.mg/culture/2019/07/05/portait-randja-zanamihoatra-le-poete-couture-de-cicatrices/
- Randriamananjara Edmond. Tsikaritra ao amin'ny :
http://mondemalgache.org/bins/teny2/randriamananjaraedmond
- Randja Zanamihoatra. Takelaka Facebook "Association A.M.AHO". 11 jolay 2018. Tsikaritra ao amin'ny :
https://www.facebook.com/764064863704107/posts/11-jolay-1997-no-nahafatesani-edmond-randriamananjara-mpanoratra-poeta-fantatry-/1611549185622333
Fankasitrahana |
TONONKALO |
"Ary indro aho efa nihinana
ampongabendanitra, voasary, longoza,
voantsilo, sakoa… tamin’ny tany rehetra efa nalehako, dia hoy Jehovah
tamiko : mandehana indray, tiava vehivavy izay tian’ny vadiny nefa
mijangajanga" (Hosea 3 ,11)
HIDY FOLO Aza manana olon-tiana fa izaho ihany Aza manana endrika voarakitra ho anao Na avy amin’ny topimaso na ny vetsom-po mankany Na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao Aza mitsiriritra, aza mijangajanga, aza manadino… Dray !tsia : aza mivoaboaka, aza mijerijery. Aza saro-piaro, aza… ny eritreritra fihino Tsy hahalala, tsy handre afa-tsy ny feoko irery Tovinao ny sitrapoko sy ny adidy momba ahy Ireo rehetra ireo tsy maintsy tanterahinao daholo Ny hasambaranao kosa aza ananana ahiahy Fa efa vita manda mafy sady vita hidy folo Saotra ! teliko ry lala ! indro kely anafarana : Raha maty aho tompoko, aza avoaka varavarana : Zavatrao ny tenabeko ! ary fara Faniriako : halevina eo am-parafara" Randja Zanamihoatra
2003, tak 5 Fandalinana : Tsikimilamina Rakotomavo Nandrindra ny takelaka : Toetra Ràja |
© poetawebs@gmail.com
|