Mahefa

Mahefa MAHEFA
08 Febroary 2010

MAHEFA dia anisan'ireo poeta tanora kanefa azo lazaina fa nanonga malaky satria tsy nitsahatra ny nahazo laka teo anivon'ny hetahetan'ny mpanjifa haikanto hatramin'ny fiandohan'ny taona 2000. Nisalotra lokam-pifaninanana maro izy, na ireo niarahany tamin'ireo Mpiray Faribolana aminy izany, na ireo namindràny samirery. Efa namoaka boky maro rahateo moa izy. Mampiavaka ny diam-peniny ary koa ny lohatenin'ny boky sy sehatra novolavolainy ny fampiasany sarin-teny. Ato anatin'ity TAPATAPAK'AHITRA ity no hamelabelarany an'ireo fahombiazana niainany.

  • Miarahaba anao MAHEFA mitsidika anay eto ary manaiky mizara ny mamy ho an'ny mpisera. Voalohany indrindra, inona no anton'ny nisafidiananao an'izany anarana diam-penina izany ?
Ny MAHEFA dia ampahany ihany amin’ny maha RAZAFIMAHEFA HAJA Nalson. Izany hoe singa fototra mameno ny mahaolombelona ahy ny aingam-panahy ka izany no antony nanombinako ny anarako ary nomeko ho hoentin’ireo soratra mitoetra rehetra izay atreha-MAHEFA, iamboho-mahavita. MAHEFA dia ilay zoro telon’ny fitoviana ka sahala avokoa ny isan’ny zana-tsoratra sy ny reniny.


Azonao lazaina fohy aminay ve ireo lalana nizoranao teo amin'ny tontolon'ny poezia sy ny haisoratra ?

Tena fohy tokoa ny lalana efa nizorako.

1999 : nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana tononkalo nokarakarain’ny FIMPAMAMA

2000 : namoaka ny boky VAZIZOTRA niaraka tamin’i MEVA ary noantsaina mivantana tao amin’ny CGM ny 24 mey 2000, rehefa izany dia nentinay roalahy nitety faritra maromaro ka anisan’ireny ANTSIRABE sy ARIVOMAMO.

2002 : teraka tamin’ny fomba ofisialy ny boky HOROVITSIKA amboaran-tononkalo niarahanay sy i Meva ihany.

2002 : MAHEFA SY NY ASASORANY. Fanolorana mpanoratra nataon’ny Galerie 6 (CEMDELAC) sy ny Faribolana Sandratra ho fankalazana ny iray volan’ny teny Malagasy.

2003 : MALALA ADALAKO, seho an-tsehatra tao amin’ny CGM niantsana ireo tononkalo ampahany vitsy tao amin’ny Horovitsika ary niangaranay indray ANTSIRABE avy eo.

Maro ireo boky niarahana namoaka tamin’ireo namana tao amin’ny Sandratra, singanina etoana ny MANAFO SAFO, ZAITRA AN-TSENA…

2006 : nahazo ny loka fahatelo tamin’ilay fifaninanana sombin-tantara nokarakarain’ny HAVATSA niaraka tamin’ny fianankaviana NIRHY LANTO. SISAM-BOALAVO no lohatenin’ilay soratra niambozonana ny loka fahatelo.

2007 : MIVOHA DIA MIHIDY – CGM. Niarahanay sy Ranôe nanatontosa ary ity no boky lany tamingana amin’izao fotoana izao. Hoeritreretina ny fanontana azy fanindroany indray raha sitrapon’ny kanto.

2009 : tanteraka ny fanamby ho amin’ny fametrahana vatolahy ho an’ny soratra. Tontosa soa aman-tsara ny boky VAKY SINY ary natolotra ny mpanao GAZETY teny amin’ny Tranovola teny Ambatoroka.


  • Hiresaka kely momba ny boky "Zaitra an-tsena" indray isika izay niarahanao niangaly tamin'ny namanao Nofy, Liantsoa, Avelo Nidor ary Rija Al-Jonah. Inona no foto-kevitra ijoroan'io boky io ?

Vazo sahalahala no niarahanay natambatra tao anaty amboara iray. Malalaka tahaka ny tsena tokoa ny lohahevitra novoizinay tao ary navela ho nanana ny haim-pamoronany ny mpanjifa saingy na izany aza noezahinay naseho ny tontolo misy eny an-tsena, indrindra ireo mpanao ny zaitra an-tsena. Tononkalom-pitiavana sy tranga mateti-piseho no navoitra. Noezahina naseho koa fa tsy azo atao toy ny zaitra an-tsena ny aingam-panahy fa tsy maintsy masaka hatrany am-potony. Tsy vonjy tavan’andro.

  • Tsy moramora ny mamoaka boky eto Madagasikara raha tsy hiresaka fotsiny afa-tsy ny sarany isika. Azonao tsindrina ve raha tsy mahadiso ireo dingana samihafa nolalovana mialohan'ny nahavitan'ny asa ?

Mila mifantina ny kanto ho atolotra ny mpanjifa aloha. Tsy sanatria varotra no atao fa fikatsahana ilay tsara ho an’ny mpanjifa. Ny dingana tsy azo ihodivirana koa ny fisalasalan’ny mpanonta boky satria ianao dia olona tsy fantatra eo amin’ny sehatry ny soratra hany ka voatery mizaka manontolo ny sarany. Etsy andaniny koa ny tsipelina isan-karazany, tsy maintsy trandrahana ny tena fomba fanoratra marina satria na ireo heverinao fa havanana amin’ny haifanoratra aza samy manana ny filazany. Avy eo vao mandalo amin’ny andrana boky aloha ary manitsy ny tsy metimety rehetra.

  • Mahaliana anay koa ny momba ny boky "TAM-BAVY" novokarinao niaraka tamin’i Meva sy Rija Al-Jonah. Azonao fintinina ve ny votoatiny ?


Seho niarahana niasa tamin’ny Fiangonana iny ka mazava ho azy ny votoatiny. Na izany aza anefa tsy nihafihafy nampiseho ny mahaizy azy tsirairay izahay telo lahy. Naseho ihany koa ny trangam-piainana akaiky tsy hitan’ny maso. Deraina ny Tompo e !

  • Ny Alarobia 26 martsa 2003 dia nisy antsantonokalo nanolorana ny sanganasanao sy MEVA. Tamin'izany indrindra no niantsana ny "VALOPY MISY OROKA". Tena niainanao ve io tononkalo io ?

Ho tantaraiko ity tantara ity dia samia maminany raha niainana na tsia io ainga io. Rehefa nifanena tamin’ilay malalako aho taty aoriana dia ankona raha nanontaniana hoe : « voarainao ve ilay taratasy nampanirahiko ilay mpanampinay. Tsy fantatro na hainy na tsia ny mividy « TIMBRE » fa dia nirahiko fotsiny izy »

  • Amin'ny fotoana ahoana no tena mampirongatra ny aingam-panahinao ?

 Tsy voafaritra. Indraindray mahasoratra maro ao anatin’ny andro iray, mazana tsy mahasoratra mihitsy ao anatin’ny iray volana.

  • Toy ny mahazatra eto amin’ny takelaky ny TAPATAPAKAHITRA dia mamela mamy eto ny vahiny amin’ny alalan’ny fehezan-tononkalo. FAHAIZAM-BONINKAZO kosa no atolotry Mahefa ho antsika. Manasa anao mpisera izahay hamadika ny takila hahafahana mankafy an’izany tononkalo izany. Mamerina fisaorana anao izahay eto amin'ny tranonkalan’ny POETA MALAGASY fa nahaliana tokoa ny dinidinika. Mahavità be tompoko eo amin'ny haisoratra.

 Amin’ny manaraka indray e !


FAHAIZAM-BONINKAZO

Tsy ny voninkazo intsony no omeko anao anio
Fa fo iray madio
Mantsy ireny voninkazo miloko menamena
Dia eritreri-dratsy mirakotra hafetsena
Mody hoe nomena
Kanefa ny any an-tsaiko
Ireny no dindon’ny fonao noratraiko
Nataoko kilalao
Sady nampiesoniko tamin’izao sy izao
Ny loko mavokely
No taratra iafenan’ny lainga izay naely
Kabary tsara lahatra
Kanefa teo ianao no niezaka namahatra
Saingy hazo boboka
Ny fo nanolotra raozy midoroboka
Ny fotsifotsy indray
No fanadiovan-tena tamin’ny heloka natao
Mody hoe fotsy kanto mahafinaritra
Kanefa anie ianao toa tsy nahatsikaritra
Tsy nataoko iray fehezana
Fa singany mazàna
Ireny no sarin’ny revy mahatamana
Nahavariana ahy tamin’ny asan’i Satana.
Ka tsy voninkazo intsony no omeko anao anio
Fa fo iray madio
Misaotra anao nihaino
ny fo sy ny tsiambaratelony
Ary sambatra ny olona izay voavela ny helony !

MAHEFA
2008


FIRAISANA VOALOHANY

Tononkalo anisan'ny nantsaina tao amin'ny Sakoroka - 28 mey 2010


Latsa-dranomaso mihitsy aho
Tamin’iny andro iny
Fa tena naharary mafy
Kanefa, naleoko dia nihafy
Ho fahasambaranao malala
Izaho nivoajamala
Tsy hitanao akory
Ny rotsa-dranomaso
Nandrakotra ny tavako
Fa ny anao ihany
no nahamaika anao
nasisika amboletra
o, o, tonga ...
tonga hoy ianao
ilay ora niandrasana
ka ilay fitiavako
ho anjaran’ny fasana
narary mafy mihitsy iny fotoana iny
ary tsy ho adinoko mandrakizay
ilay isika...
niray toerana fa tsy nifankahita
ianao moa tsy nitodika tery am-pita
tsy nahatsinjo akory ity maso nipitra
oh! Lalina iny fa tsy anganoangano
nahita anao nisoratra tetsy Soarano
... firaisana voalohany ... tena narary!

MAHEFA
29/10/09

SMK
(Sampana Manja Kristianina)
 
Ianao ilay lany andro
Amin’ny asan’Andriamanitra
 
Ianao ilay zanak’olona
Iririavan’ny finoana
 
Ianao ilay tia mivavaka
Sakaizam-baiboly
 
Ianao ilay tsy hita mihitsy
Amin’ny andron’Alahady
 
Ianao ilay tsy mihira
Afa tsy hiram-piderana
 
Ianao ilay manja indrindra
Amin’ny mpitarika lamesa
 
Tia anao Jesosy
Dia izaho koa!
 
MAHEFA 14/10/10

LAZARISTA

Môpera lesy ialahy!
Ilay mpiara-mihosom-bovoka tamin’ny tataviankena
Ilay mpampiesona mpivarotra fony teny an-tsena
Ilay mpangala-tahaka fony tany am-pianarana
Ilay fatra-pitsikilo amin’ny hidim-baravarana
 
Môpera lesy ialahy!
 
Ilay fatram-pilomano ny tontolon-jazavavy
Ilay faingafaingan-tanana amin’ny manga sy ny goavy
Ilay tia laingalainga  tamin’ny olona ao am-bovo
Ilay mpitsena sipakely tery Ambohijatovo
 
Môpera lesy ialahy!
 
ilay mpitondra sary mihanjaka  tao an-dakilasy
ilay manadala olona amin’ny sombin-taratasy
ilay nisotrosotro kely eny an-tsefaky ny bota
taloha tokoa izany… Mivavaha ho anay mpanota
 
MÔPERA VINCENT!

MPIVAROTENA MISOTRO RONONO

Neny !
Tsy vazivazy raha miteny
Fa manomboka androany
Na ho any na tsy ho any
Dia mijanona amin’izay
Aleo izaho indray
No hizaka sy hisedra
Ny hirifirin’ny alina
Irakofanao, eny am-pijoroana
Amoron’arabe

Neny !
Aleo mba hiaretako
Ny ngidin – torimaso
Tsy hita anaty alina
Fa nosandaina vola
Ny rabirabin – dehilahy
Raha vao mahita anao
Miravaka akanjo
Mampidera ranjo
Sy ny ambonimbony
Manalavitra lohalika
… aleo mba hozakaiko…

Reko ihany ange
Izany ianao miala maina
Rehefa tonga ny maraina
Tsy nahazo vola akory
Nefa niari-tory
Niaritra ny moka
Sy ny rivotra mitsoka
Ny esoeson’olona
Ny enji-piarahamonina
Aleo mba hihatra amiko
(ary aza mitomany)
Ka tsy misy honohono
Fa misotroa ronono

Amin’ny asanao ianao
Reko mantsy izao
Izany ianao, tsy misy maka
Mijoro mivanaka
Miandry ny maraina
Anaty fidorohana

Koa minoa sy matokia
Fa vonona ny aty
Hanohy ny asanao
Na ho mafy na ho mora
Fa I Neny mahonena
Vonona tanteraka aho
Handeha hivaro – tena
Ho mpandimby anao
Izao alina izao

Anaka !
Aza hadinoina ny mivavaka
Mba ho antitra avokoa
Izahay rehetra ireo
Satriko aza izany, zarako
Fa raha ianao zanako
Tsy ekeko, laviko
Handia izany lalana nodiaviko

MAHEFA
12 OKTOBRA 1999

Ajouter un commentaire