TANDREMO
NY ATAO Mpanoratra : Rafanoharana Loharano : Fandrosoam-baovao, 1932 Nanadihady : Faniry Ezeckiel |
||
Rafanoharana |
Faniry Ezeckiel |
Ilazana
ny fiverenan'ny natao ny tody, raha tsara ny natao dia ny soa no
hanarangarana fa raha ny mifanohitra amin’izay kosa dia hijinja ny
atambo. Miresaka momba izany indrindra ity tononkalo iray nosoratan-dRafanoharana ity, nalaina tao
amin’ny gazety “Fandrosoam-baovao” ny taona 1932, mitondra ny lohateny
hoe : “Tandremo ny atao”.
Misongadina indrindra ao ny finoan’ny Malagasy ny tody. Hovoaboasana ny
tononkalo ka eny am-piandohana dia hovelabelarina fa maivan-danja amin’ny olona sasany
ny tody, avy eo dia haseho fa mbola misy ireo olona manome
lanja ny tody ary farany dia hohazavaina ireo endrika isehoan’ny tody. *
* * Maivan-danja amin’ireo olona sasany ny tody. Tsy manisy hajany ny hafa intsony ireo nasondrotry ny vintana. Porofoin-dRafanoharana eny am-panombohana ny asa sorany indrindra izany manao hoe: “Mahita anay
lavi-kavana,
Ka miady mena-masoandro, Mahita anay sarak-olona, Ka manati-kabary vao maraina”. Mazava ny tiany hambara eto fa manao filana ady fotsiny an’ireo tsy manan-kianteherana ireo manan-katao, manao tsinontsinona ny hafa sy mila kisa andro aman’alina. Araka izany, manararaotra ny fahavoazan’ireo vahiny sary monina tsy manan-kianteherana ny mpiara-belona sasany. Tsy vitan’izay fa mbola mamono hasina an’ireo madinika ihany koa ireo olona manandran-tena ireo. Hoy indrindra ny tohin’ny tononkalo eto: |
TANDREMO NY ATAO ! Mahita anay lavi-kavana Ka miady mena masoandro Mahita anay sarak-olona Ka manati-kabary vao maraina Mahita anay votsa vava Ka mitoha ady fahavaratra Mahita anay vitsy teny Ka mihehy vory vahoaka! Izahay no tsy mamaly anefa ry lahy, Mahatsiahy ny ela niraisana Izahay no tsy manohitra zareo Mahatsiaro ny valala nifanapahana Fa vero taingenam-pody izahay Tsy folaka fa mandefitra Tsimbotry voasambo-jaza Ka manaraka ambokony tsy fidiny ! Koa lazao an-dRabekabary Ambarao an-dRalavavava Ny sotro no tsy tapahina hoe Ny vary no tsy azo haronina Ny lovia no tsy vakiana hoe Ny kibo anie ka tsy mba lamosina Ny kianja no tsy Asian-dratsy Ny lalao mbola ho ela Ny loharano no tsy lotoina Ny hetaheta raha maina andro! Fa na tsy misy aza ny tody Ny atao tsy maintsy miverina Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany! RAFANOHARANA (Fandrosoam-baovao, 1932) |
“Mahita anay votsa
vava
ka mitoha ady fahavaratra, Mahita anay vitsy teny ka mihehy vory vahoaka” Iararaha-mahalala fa vaninandro mafy ho an’ny Malagasy izany fahavaratra izany kanefa mbola manao tsindrio fa lavo amin’ireo sahirana ireo mahitahita ary tsy izay ihany fa manala baraka sy mifosa ihany koa amin’ny hafa. Tsapa tokoa eto fa manararaotra ny kileman’ny hafa ireo tsy mataho-tody. Niaraha-namantatra teo fa manao tsinontsinona ny hafa ireo zatra mpanao ny kely tsy mba mamindro kanefa ‘ndeha hojerena manaraka eto fa misy ihany koa ny olona manana toetra mifanipaka amin’izany. *
Tsy manana toetra tia mamaly faty ireo mino ny fiverenan’ny natao. Hoy indrindra ity sora-kanto ity eo am-panombohan’ny andininy faharoa: “Izahay no tsy
mamaly anefa ry lahy,
Mahatsiahy ny ela niraisana, Izahay no tsy manohitra zareo mahatsiaro ny valala nifanapahana”. Taratra eo amin’ireo andalana efatra ireo fa na nampizakaina ny tsy eran’ny aina aza ireo olon-kendry sasany dia manana toe-tsaina madio tsy mamaly ratsy ny ratsy natao taminy. Mandala hatrany ny fihavanana tokoa ireo valalatsimandadiharona voaresaka ireo. Tsy vitan’izany fa be fandeferana ireo iharan’ny tsindry hazo lena. Mipetrapetraka tsara aoka izany ny sarin-teny omban’ny hainteny ampiasain’ny mpanoratra enti-manamafy izany hevitra izany : “Fa very
notaingenam-pody izahay,
Tsy folaka fa mandefitra, Tsimbotry voasambo-jaza, Ka manaraka ambokony tsy fidiny!” Abaribarin’ny tononkalo eto ny fanararaotam-pahefana ataon’ireo nahazo toerana kely amin’ny madinika kanefa na eo aza izany dia manaiky ny hietry tena izy ireo manoloana ny taingim-bozona atao aminy. Izany no manaporofo fa manome lanja ny maha olona hatrany ireo mino ny tody ka mijoro ho olo-mendrika. Miantehitra amin’Andriamanitra ireo mizaka ny ataon’ny tsy mataho-tody. “Andriamanitra tsy andrinareo, andrinay ihany!” hoy Rafanoharana mamarana ny soratanany amin’ny tsoraka, mariky ny fiotanam-pon’ireo mafy ady. Hita tokoa eto fa manam-pinoana ireo Malagasy nandala ny fananam-panahy sy fatahorana ny tody ka niankim-po tamin’ilay nahary na mafy taminy aza ny zioga natambesatr’ireo manao an’Andriamanitra ho tsy misy. Araka izany dia niantoraka tanteraka tamin’ny Tompony ireo Malagasy madinika ireo. Fantatra indray teto fa mbola misy ireo olona manam-panahy nanome lanja ny finoana ny tody ka tsy folaky ny hakiviana nanoloana ireo maty eritreritra. Fa mba ahoana kosa ary ny endrika isehoan’izany tody ninoan’ny sarababen’ny Malagasy izany? *
Mety hivaly vetivety amin’ireo manao ny tsy rariny ny tody. Hoy indrindra mantsy ny pôeta eto hoe: “Ny sotro no tsy
tapahina hoe,
Ny vary no tsy azo haronina, Ny lovia no tsy vakiana hoe, Ny kibo anie ka tsy lamosina”. Fanoharana fotsiny ihany no anehoan’ny asa soratra azy eto. Ny lovia aman-tsotro tokoa mantsy miasa isan’andro ary intelo mihitsy aza raha kely indrindra teo amin’ny Malagasy, izany hoe ilaina matetika ka raha manimba azy dia vetivety ihany dia mihatra ny vokany ary miafara amin’ny mosary, dia toy izany koa, mety hiverina vetivety amin’ny nanao azy ny nataony. Mandrora mitsilany ihany izany ireo minia misompatra sy mampanjaka ny tsy rariny amin’ny fiarahamonina. Mety ho ela ihany koa anefa vao tonga ny todin’ny natao. Arantin’ity sanganasa ity eto mihitsy izany izay milaza fa: ”Ny kianja no tsy
asian-dratsy,
Ny lalao mbola ela, Ny loharano no tsy lotoina, Ny hetaheta raha maina andro!” Mazava ny hafatra ampitain’ny tononkalo fa fitsinjovana ny hoavy no antony tsy hisotasotana ireo nahitana soa, izany hoe ilaina ny mitsinjo ny ampitso fa tsy miantehitra fotsiny amin'ny ankehitriny. Finoana tokoa izany fa mety any afara mihitsy vao mijinja ny nafafy ny tsirairay ary raha tsy aminy aza dia mbola eo ny taranaka hiantefan’izany. Fehezin’ny mpanoratra amin’ny andalana roa eto ny tiany holazaina: "Na tsy misy aza ny
tody,
Ny atao tsy maintsy miverina“ Manamafy izany fa na ho haingana na ho ela dia mbola hilanja ny valin’asany ny tsirairay. *
* * Eto am-pamaranana dia fantatra tokoa fa misy amin’ireo nasondrotry ny vintana no manamaivana ny lanjan’ny tody ka manararaotra ny fahalemen’ny hafa. Na eo aza anefa izany dia mbola maro amin’ireo Malagasy no mino ny fisian’ny tody ka mitandrina hatrany amin’izay rehetra ataony ary manaja ny mpiara-belona aminy. Ny tody moa dia tsy maintsy mivaly foana na vetivety na mbola ho ela ka izany no itandreman’ny maro fatratra ny ataony. Ilaina tokoa ny famohazana indray ny tononkalo tahaka itony amin’izao vanim-potoana hahatarafana ny fitiavan-tena diso tafahoatra eo amin’ny tany ama-monina izao ka isehoan’ny herisetra maro isan-karazany. Mety hamerina indray ny fifampitsimbinana eo amin’ny samy Malagasy ve ny fampidirana anaty fanabeazana fototra ny finoana indray ny tody izay arahina fampiharana fa tsy an-tsoratra fotsiny ihany ? FANIRY EZECKIEL |
Mpandrindra ny takelaka : Toetra Ràja
©
Pôetawebs
|
Date de dernière mise à jour : 26/09/2020