Raozigasy "Mampandrezatra fitia"
Toetra Ràja - 07/04/2024

Raozigasy "Nandrezatra fitia"

Tsy vahiny amin'ny mpiseran'ny Poetawebs intsony ny poeta Raozigasy satria efa tamin'ny 2009, taona nitsanganan'ity tranonkala ity izy no nitapatapakahitra tamin'i Toetra Ràja. Vahinin'ny tranonkala koa izy tamin'ny 2019 nialoha ny antsan-tononkalo "Isika roa" tao amin'ny Lapan'ny tanànan'Antananarivo. Vao tamin'ny herintaona indray no notaterina teto ny antsany "Samy Tiana" teny Ankadikely Ilafy.

Toetra Ràja
Arahabaina nahatratra ny tsingerintaona faha-20 nilomanosana tao amin'ny kanto Raozigasy. Zava-dehibe tokoa izany ka hanao tohivakana hatrany anie ny fahombiazanao amin'ny taona rehetra ho avy! Raha atao ny kajy tsotsotra dia tamin'ny 2004 ianao no nanomboka nanoratra. Tadidinao ve ny lohatenin'ny tononkalonao voalohany ary aiza no mety hahitana azy?

Raozigasy
Miarahaba ihany koa ny tranonkala, ary misaotra indrindra amin’ny firarian-tsoa. Raha ny marina dia efa mihoatra ny 20 taona i Raozigasy no nanoratra fa tamin’ny 2004 vao nametaka ilay anarana hoe Raozigasy. Ny tononkalo voalohany nosoniavin’i Raozigasy dia mitondra ny lohateny hoe « Irery » ary efa nosoratany tamin’ny taona 2002. Zaraina amintsika eto ambany moa izany.

Irery

Seza sy latabatra
efitra mangina
karazandrazan-javatra
feno fitoniana

Fitaratra mirindrina
jiro tsy mirehitra
tandindondinon-drindrina
aizina dorehitra

Aloka sy rahona
fiainan-tsamirery
afero miharo vahona
mangidy ny irery

12/07/02

Tao amin’ny takelaka vetso.serasera.org foana moa i Raozigasy no nametraka ny tononkalony. Nanomboka teo no teraka i Raozigasy.

Toetra Ràja
Hankalaza izany amin'ny alalan'ny fitetezana tanàna any Frantsa ianao mandritra ity taona 2024 ity. Azo heverina fa havesatra ny fandaharam-potoananao?

Raozigasy
Havesabesatra tokoa ny fandaharam-potoana satria ankoatra ireo toerana voalaza dia maro ihany koa ireo hetsika atao any an-tokantranom-pianakaviana samihafa, izay tsy resahina eto moa mazava ho azy; kanefa mameno ny diary sy mampitombo ny kenonkenona sy ny karakara isan-karazany ihany koa. Hozaraina eto ireo fampilazana naparitaka ho an’ireo tanàna hotetezina, ho fampahafantarana ary ho fanasana sahady ireo mpankafy teny malagasy.

Toetra Ràja
Raha mbola misy tanàna hafa azo ampidirina ao anatin'ny lisitra, inona no fepetra takin'i Raozigasy amin'ireo maniry handray ny hetsika mba tsy hiandrasana ny tsingerin-taona manaraka indray vao hahita azy eny an-tsehatra?

Raozigasy
Tsy dia misy loatra angamba fepetra manokana takina, fa mba hahatsara ny fiaraha-miasa dia mila mpihira iray sy mpitendry zava-maneno iray handravaka ny hetsika hatao. Misy karazany roa ny fikarakarana. Ny voalohany dia misy ireo hetsika hatao any an-tokantrano izany hoe fivondronana na fikambanan’olona vitsivitsy, na fianakaviana no mikarakara. Ny faharoa, misy ireo hetsika hanasana ny besinimaro izay hatao any amin’ny toerana na trano filanonana.

Toetra Ràja
Vao tsy ela ianao no nanatanteraka seho tokana tao Antananarivo. Afaka manantena fankalazana ny faha-20 taonan'i Raozigasy ve anefa izy ireo amin'ity taona ity?

Raozigasy
Tonga angamba dia tsorina fa mba mandefitra kely indray aloha Antananarivo amin’ity fa tena tsy ho tody ny any an-toerana na dia faniriana aza.

Toetra Ràja
Momba ny lohatenin'ny hetsika "Nandrezatra fitia". Hamafisinao ve fa manambara fahavokisana tsy manam-paharoa amin'ny tononkalom-pitiavana izany?

Raozigasy
Nosafidina ny lohateny « Nandrezatra Fitia » noho ny antony vitsivtsy.
. Efa misy tononkalon’i Raozigasy mitondra io lohateny io
. Io lohateny io no tena mahafehy ny zavatra tiana ambara sy zaraina

Mizara roa ny hetsika. Ny tapany voalohany dia miresaka ny fitiavana sy ny fifankatiavana ao amin’ny ankohonana. Ny fifankatiavan’ny zanaka sy ny ray aman-dreny, ny fifandraisana, ny alahelo, ny hafaliana, ny fifampizarana iombonana izay tsiambaratelon’ny mpiray vovonana.
Ny tapany faharoa, dia fitiavana sy fifankatiavan’ny mpivady ao an-tokantrano, na tsy mpivady aza moa satria efa betsaka izao ny tanora no manao tokantrano maso, indrindra fa aty ivelany. Ny fiarahamonina andavan’andro, ny adiady madinika, ny fifankatiavana vaventy ary voaresaka ao ihany koa ny tontolon’ny firaisana.
 
Toetra Ràja
Eo amin'izay "tontolon’ny firaisana" izay indrindra Raozigasy, maro ireo ray aman-dreny omban-janaka rehefa mijery lanonana. Ho zakan'ny ankizy tsy ampy taona avokoa ve ny atin'ny "Nandrezatra fitia"?

Raozigasy
Somary hanahirana tokoa izy io raha any an-tanindrazana satria samy mahafehy ny teny tiana holazaina daholo na ny ankizy aza. Indrindra moa ny kolontsaina malagasy mbola misy ilay mpifady mahamenatra ka mety ho sadaikatra tokoa ny mpijery.
Tsy misy olana kosa anefa aty am-pita satria, ny olona mahafolaka ny teny malagasy aty dia ankizy efa lehibe daholo satria olona nanohy ny fianarana, na olon-dehibe efa mahaleo tena. Efa fomba fijery hafa ihany koa ny aty ka tsy ao amin’ilay mahamenatra no hitondrany azy fa ao amin’ilay fitia te hahalala hoe inona no voambolana nofidina, ahoana no fomba hilazana azy.
Ny fehiny dia izao : tsy mbola zakan’ny ankizy tsy ampy taona ilay hetsika raha any an-tanindrazana. Tsy mahaliana ny ankizy tsy ampy taona ilay hetsika raha aty am-pita.

Toetra Ràja
Tononkalo miharo hatsikana, araka izany, no ahafantarana an'i Raozigasy. Azo lazaina ho mirona bebe kokoa amin'izany endrika izany ve ianao ankehitriny?

Raozigasy
Raozigasy dia manoratra karazana tononkalo maro, ary io dia arakaraky ny vanim-potoana lalovana sy ny tranga miseho. Rehefa manoratra tononkalo misy hatsikana i Raozigasy dia mametraka fantsy kely eny antsefatsefany eny hanairana sy hanindronana ny mpamaky. Rehefa manoratra tononkalo matomatotra i Raozigasy dia asiana tsikitsiky kely eny am-pamaranana. Raozigasy koa anefa dia tsy misalasala milaza sy manoratra izay tranga hitany eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny.

Toetra Ràja
Fantatra ny fahaizanao mikirakira fitaovana manaraka ny teknolojia vaovao. Haharaka an'izany avokoa ve ireo mpandray ny hetsika any amin'ireo tanàna hotsidihinao sa efa manana ekipa matihanina mpanaraka azy i Raozigasy?

Raozigasy
Mandeha irery foana Raozigasy rehefa manao zavatra. Ny mpandray sy ny mpiara-miasa any an-toerana no mikarakara ny fandraisana. Efa misy lamina sy rindra alefa mialoha, ary ireny no iarahan’i Raozigasy sy ireo mpiara-miasa mandinika alohan’ny hirosoana amin’ny fanatanterahina rehetra. Tsy dia manano sarotra loatra satria efa mivoatra be ny fomba fifaneraserana sy ny fifandraisana.

Toetra Ràja
Momba izay mpanaraka anao izay indrindra. Tsy ho irery i Raozigasy eny an-tsehatra ka azo fantarina ve ny anjara toeran'izy ireo?

Raozigasy
Tsy irery tokoa i Raozigasy eny an-tsehatra, fa misy mpihira iray sy mpitendry iray mandravaka an-kira ny seho. Raozigasy miantsa ny tononkalo, manao kabary, ary mamaky sombintantara fotsiny.
Misy seho indraindray iarahan’i Raozigasy sy Domoina Ratovoson miakatra an-tsehatra. Domoina Ratovoson moa dia mpikabary ary tena mahafinaritra mihitsy ny mihaino ny langon-kabary sy ny tsikin-teny ataony.

Toetra Ràja
Ankoatra ny tononkalo, araka izany, dia manan-talenta amin'ny kabary, sombintantara ary hira ianao. Efa fanaonao ve ny mampifandrindra azy ireo amin'ny antsa tononkalo eny an-tsehatra?

Raozigasy
Ankoatra ny tononkalo dia manao kabary ihany koa i Raozigasy indraindray. Manoratra sombintantara ihany koa, ary manovaova tononkira ihany koa indraindray ho fialana voly. Tsy mihira mihitsy i Raozigasy satria tsy ananany iny talenta iny, fa mandrindra kosa ireo hira entina mandravaka ny antsa rehetra atao an-tsehatra. Ny seho ataon’i Raozigasy rehetra dia mampiady rindra ny tononkalo, hira ary kabary.

Toetra Ràja
Afaka manambara fahatsiarovana mamy iray teny an-tsehatra efa nataonao ve ianao?

Raozigasy
Misy fahatsiarovana mamy foana ny seho atao an-tsehatra ary ireo dia miovaova arakaraky ny seho. Ny fahafinaretana adaladala tian’i Raozigasy eny an-tsehatra dia ny mahita ireo olona latsa-dranomaso noho ny alahelo vokatry ny tononkalony, sy ireo olona lokilokin’ny hehy mihevitra fa izy mihitsy no voalaza. Fahafinaretana satria tsapa fa tafita ny hafatra ary mihaino sy mandray anaty izay lazaina aminy ny mpijery.

Hamaranana azy ity tononkalo ity, izay nosoratana tao aorian’ny seho iray natao taty Paris, ary efa nolalaovina an-tsehatra ihany koa.

Hahahahaha

Ianao ange ry sipa, raha nantsoiko hoe malala, ilay takariva iny
Satria izaho tsy nahatadidy, ilay tena anaranao, ka tsy te hahazo tsiny
Izay no teny tsotra indrindra, sady anaran-tsangisangy, nefa azo ampiasaina foana
Rehefa marobe sy mifangaro, ireo tapaka sy namana, na olon-kafa manoloana

Ilay izy ange ry sipa, mitovy amin’ny hoe : io ry anona azafady
Fa tsy midika akory hoe, matoa aho miteny izany, dia ho avy hangata-bady
Izay no teny mihajahaja, hitako hoe mba sahaza, ilay ianao mipelipelika
Sady mba mitovy lanja, ary koa mitovy sanda, amin’ilay ranomanitr’helika

Izaho ange ry sipa, raha nitsiky taminao, ilay teny ambony sehatra
Dia tsikin’artista, sendra hoe nifanandrify, tamin’ny tsikinao nirehitra
Fa tsy tsiky fanasana, hadikanao ho zavatr’hafa, rehefa vita koa ny fety
Na hoe te hanararaotra, satria ianao moa ilay fan, dia izaho ilay vedety

Izaho ange ry sipa, raha namela hafatra, tamin’ny bokinao
Dia fisaorana sy teny, marika sy sitraka, toy ny efa fanao
Fa tsy hoe episitly, na tsiambaratelo, fa tena rango-penina
Fa tsy ho anao irery, na ho antsika roa, na hoe resaka afenina

Ianao ange raha nomeko, ny solon’anarako, tao amin’ny « facebook »
Dia tamim-pahatsorana, sy am-pinamanana, fa tsy fanomezan-toky,
Ianao ange raha nomeko, tsy nisalasala, ilay laharam-pinday
Dia ianao niteny hoe, isika hiara-miasa, fa misy vina izay

Izay no tena marina
Tsy ampiana na hitarina

Ka aoka re hajanona, ilay maraina, antoandro, hariva, mody miantso foana
Sy ilay mametraka hafatra, amim-po miangoty, ka mangataka fotoana
Ka aoka re hajanona, ilay izaho isan’andro, andefasana MP
Sy ilay pi-maso-tsaka, sy ilay sary fo, ary tsangana ankihibe

Ka aoka re hajanona, ilay « j’aime » isan’andro, eo amin’ny rindriko eo
N’inona n’inona lazaiko, n’inona n’inona ambarako, ianao no voaloha miseho

Dia aoka koa aho hijanona
Fa mba nofiko iny ry anona !!!!

© Raozigasy

Toetra Ràja
Fantatra fa efa tena ao anatin'ny fametrapetrahana ny pitsopitsony farany ianao ka tsy tokony hitarazohana ela intsony ny fanontaniana. Mirary fahombiazana feno ho an'ny "Nandrezatra fitia".

Raozigasy
Misaotra foana ny tranonkala, mizara sy manaparitaka ny kanton’ny tenintsika.
_____________________________

ROHY AZO IANOHANA AN'I RAOZIGASY MIANTSA

Tononkalo nifampizarana tamin’ny « Confinement » niarahana tamin’ny vondrona Kal’Tao Malagasy

Tononkalo natolotra ireo gasy vao tonga teto Frantsa dia tsy miteny malagasy intsony

Seho an-tsehatra natao tamin’ny fivoahan’ny boky TIA, boky voalohany nosoratan’i Raozigasy

Seho an-tsehatra natao tany Montpellier nampitondraina ny lohateny hoe « Malala »

Seho an-tsehatra niarahana tamin’ny tarika Lamako


Tononkalo fetin’ny Ray

Tononkalo fetin’ny Reny

Tononkalo nolalaovina nandritra ny « Confinement »





Date de dernière mise à jour : 10/04/2024