Tambatr'antsa, antsa tononkalon'i Andoniaina Cristelle, Fameno Antenaina, Ny Antso Rya
Pôetawebs PÔETAWEBS
Ny pôeta raha miteny
dia mampita izay mba reny
sady saininy ombieny
amin'ny gadona avo lenta
mampitony hetaheta :
bitsik'ivan'ny pôeta.
T. Ràja
Pôetawebs "Tsy azo adika na alain-tahaka raha tsy mahazo lalana avy amin'ny Pôetawebs fa voararan'ny lalàna 94-036 ny 18 septambra 1995 mikasika ny zon'ny mpamorona sy ny mpanakanto".
04 Ôktobra 2021

TSANGAMBATO
Tatitra : Léa Fandresena
Tontosa soa aman-tsara ny 29 Septambra 2021 tao amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy efitrano Dox ny famoaham-boky Tsangambato nosoratan'Ny Iraka Rambolamanana sy Onja Rakotomalala. Tsangan-tononkalo no nanehoana io hetsika io, izany hoe tsy misy taratasy na boky novakina teny an-tsehatra fa efa an-kandrin'ny mpiantsa tsirairay avokoa izay soratra voafantina hovelominy tao, tsy iza izany fa Ny Iraka Rambolamanana sy Onja Rakotomalala, nampian'i Santatra Ramarozaka sy Andry Kaida. I Vetson'ny Fanahy kosa no nanentana.

Toy ny mahazatra dia nanasa mpihira vao misandratra ihany koa izy ireo mba handravaka ny fotoana sy hamaritana ny fizarazaran'ny sehatra. Tsy iza izany fa ny tarika Sarobidy.

Boky faha-11 navoakan'Ny Iraka Rambolamanana io "TSANGAMBATO" niarahany tamin'i Onja Rakotomalala io. Ireto kosa ny lisitr'ireo folo nialoha lalana:

1- TANAN-DAVA (2001)
2- SALAMANGA (2003)
3- HIAKA MIRITSOKA (2009)
4- SOA MAHAMANINA (2016)
5- VATO NAFENIN'AHITRA (2018)
6- VANJA MILEVINA (2018)
7- ANTSO ROA (2018)
8- ANKASOMPARANA (2018)
9- RIVO-DOZA TAHAKA IZAO (2018)
10- REZATRA (2019)

Araka ny fanazavan'izy ireo, ny TSANGAMBATO mira FAHATSIAROVANA NY LASA, boky nandraketana ny fahatsiarovana sarobidy rehetra na tao anaty finamanana na tao anaty pôezia. Izany rahateo no tarakevitr'ity boky ahitana takelaka 112 mitentina 15000 ar ity.

Liana tokoa ny mpanatrika ka na dia nofaranana tamin'ny 4 ora aza ny fotoana dia tsy nisy nitsangana ny mpijery raha tsy notolorana andran-tsira tononkalo iray notsongaina tao anatin'ny boky antsoina hoe Fanjanahantsaina, nosoratan'Ny Iraka Rambolamanana, namidy tamin'io fotoana io ihany koa.
Fisaorana no natolotry ny mpikarakara ireo rehetra nanatrika, ny mpandray anjara sy ny mpiara-miasa rehetra.

Tatitra : Léa Fandresena
Sary : Ny Iraka Rambolamanana












Sary : Ny Iraka Rambolamanana
© Pôetawebs
Takelaka : Toetra Ràja

Date de dernière mise à jour : 04/10/2021

×