Elujar
Artinef manolotra ny SANGIDITRA |
||
Elujar Artinef | Léa Fandresena |
Harivariva an-tanin'olona
hono manembona ny any an-tanàna. Ny andro tokoa no mihahariva fa vaovao vao mafana hatrany no atolotra antsika rehetra mpanaraka ny efitry ny Tapatapakahitra eto amin'ny tranonkala Pôetawebs. Manana vahiny isika, tsy nitondra tanam-polo izy fa nivimbina vaovao mahaliana. |
Léa Fandresena Faly miarahaba anao izahay tonga soa eto amorom-patana. Elujar Artinef Faly miarahaba ny mpandraharaha eto amin'ny Pôetawebs ny tenako, ary faly miarahaba ny mpanjohy tsy tapaka ny vaovao sy fandaharan'asa eto amin'ity tranonkala ity ihany koa! Léa Fandresena Tovolahy vonona sy mazoto tokoa raha ny fahitana anao ary manam-baovao. Mialoha an'izany anefa, iza marina moa ny vahinin'ny Pôetawebs? Elujar Artinef Ny tenako dia tovolahy tanora zokiny, Andriarivoavonjy Fenitriniaina, teraka tamin'ny 20 Febroary 1995 tao Befelatanana. Zanaky Randriarivaovonjy Phillipe (efa maty) sy Ratobilalaina Ihaingonirina. 4 mianadahy izahay no iray tampo, zokiny indrindra ny tenako, ary vavy daholo ireo zandriko. Avy any Andramasina ny fiaviako, ary mipetraka eto Antananarivo. Léa Fandresena Andao ary hofantarina indray ny momba anao sy ny soratra e! Elujar Artinef Mpanoratra vao misandratra angamba no hitsarako ny tenako, ary "Elujar Artinef" no anarana isalorako eo amin'ny tontolon'ny asa soratra. Nametraka sonia ho fampahafantarana ahy manokana kosa aho dia ny "Tsy vava, fa penina..." ary io no hita eny amin'ny soratro. Ny taona 2008 aho no nanomboka nilomano teo amin'ny asa soratra, ary azo ambara koa hoe "teo vao tonga aingam-panahy". Ny taona 2014 kosa anefa vao hitan'ny besinimaro ny soratro, ary teo koa no nanomboka nifanerasera tamin'ireo mpanoratra namana. Niditra tao amin'ny fikambanana TTM na Tanora Tia Mikalo eto Antananarivo aho ny taona 2019 ary voafidy ho birao mandrak'androany. Léa Fandresena Andao ary isika hiaraka hamantatra ireo zava-bitanao nandritra izay taona maromaro izay. Elujar Artinef Efa mpiantsehatra ny tenako tao amin'ny Cemdlac izay efa niova ho Ivokolo ankehitriny, ary efa nanatontosa hetsika vitsivitsy niaraka tamin'ny TTM izay fikambanana misy ahy! Ny 11 martsa 2019 ihany koa no nanolorako boky tamin'ny fomba ofisialy tao amin'ny Ivokolo, boky nosoratan'ny zoky vavy avy any Moramanga any. Ny volana Novambra 2020 lasa teo kosa no namoaka ny sangan'asako ho boky, izay tsindriko kely fa niarahako tamin'ny zoky vaviko ao anatin'ny soratra dia tsy iza izany fa i RF Ravakiniaina! Efa vahinin'ny fandaharana tao amin'ny onjam-peo maromaro ihany koa ny tenako. Ohatra amin'izany ny ACEEM RADIO, OLIVASOA RADIO, ICM RADIO, RNM, sns... Léa Fandresena Maro tokoa izany zava-bitanao izany. Mirary soa anao hatrany hitohizan'ny fampiroboroboana ny soratra. Fa mahaliana ny hahafantatra ny momba ilay boky raha azonao hazavaina. Elujar Artinef Mitondra ny lohateny hoe "SANGIDITRA" ny boky. Tsy voatery ho misy ambadika na fijery ivelany vao afaka mifandray ny lahy sy ny vavy hoy i Nanja Razanadrakoto, pôeta sy mpanoratra ary mpiasa sy misahana fandaharana ao amin'ny ACEEM RADIO. Izy no eo amin'ny teny fanolorana ary i Mina Ilarion, pôeta sy mpanoratra ao amin'ny Faribolana Sandratra, no teo amin'ny teny fisaorana, sady mbola nanonta (EDISIONA FONTSY). 104 pejy ny boky ary ahitana asa soratra 84 ao anatiny ka ny 4 amin'ireo niarahanay mianadahy nanoratra, ny 41 ahy manokana ary ny 39 kosa no an'i RF Ravakiniaina. Léa Fandresena Inona avy ny tarakevitra hita ao anatin'ny boky sy mampiavaka anao manokana amin'ny mpanoratra namana? Elujar Artinef Misy tarakevitra 4 ny boky : - Voalohany, ny fitiavana - Faharoa, alahelo - Fahatelo, samihafa (anatra, hafatra) - Fahefatra, sombintsoratra niraisan'ny olona tsy misy rohim-pihavanana Ny mampiavaka ahy amin'ny mpanoratra namana dia ny tarakevitra alahelo na fahadisoam-panantenana izay tena voizin'ny aingako, ankoatra ny setran'ny fiainana andavanandro ihany koa. Léa Fandresena Aiza no mety hahitana ny boky SANGIDITRA? Elujar Artinef Aty amiko na any amin'i RF Ravakiniaina no ahitana ny boky SANGIDITRA, ary ao amin'ny Shoprite Analakely! Léa Fandresena Mba omeo sombiny amin'ny ao anatiny àry ny mpankafy raha tsy mahadiso! Elujar Artinef |
SETRIN'NY FITIAVAKO ... Na ny fomba fijoro Na ny endrika amam-bika Na izay momba anao Dia hanjary fehizoro Hazavana mibaliaka Ho ao anatiko ao Ny famindra sy ny sisa Ny filantonao miteny Hatramin'ny fiakanjo Kanto meva manjopiaka Mampiaiky ireo mijery Ny ziponao apoto-dranjo Ny toetra amam-panahy Sy ny fomba fisaina Mampite-hitositosy Tsy mampatory ahy Fa mampifoha maraina Sady mbola mampanofy Resinao raha ny marina Rotidrotika ny fo Ontsaontsa ny fanahy Mila tsy ho tafarina Fa babonao tokoa Ny mombamomba ahy |
|
Elujar Artinef teny an-tsehatra |
|
Ka ny hany fara-teniko Manambara ilay porofo Ho anao rahavako Dia ny rangotr'ity peniko Hitoetra tsy hihofo Ho setrin'ny fitiavako Tsy vava, fa penina... |
26/08/2017. Alakamisy Fenoarivo |
Léa Fandresena Tsara tokoa. Ahoana indray àry ny fahitanao ny asa soratra ankehitriny? Elujar Artinef Miroborobo aloha ny asa soratra malagasy amin'ny vanim-potoana ankehitriny saingy tsy ampy ireo toerana fitaizana ireo tanora miezaka mamoha indray ny soratra! Tokony tsy ho voatery ny fikambanana misy azy no asian-dresaka fa mba ilain'ny mpanoratra ankehitriny ny fanohanana sy fanomezana ny zony! Maro ireo mpanoratra no manandra-tena irery nefa tsy ampy fampianarana eo amin'ny tsipelina sns... Manana vokatra maro ihany koa ireo tanora mivelatra amin'ny asa soratra ankehitriny saingy tsy ampy ny hoenti-manana hamoahany izany ho boky ka mitoetra ihany ny hafatra voasorany! Maro ary tena mahafinaritra aloha, raha amiko manokana, ireo tanora miverina milomano anaty soratra! Ny taona 2018 mandrak'androany dia tena nanjary betsaka ireo tanora lasa manoratra, midika izany fa hamerina ny soratra eto Madagasikara nosintsika ity ny mpanoratra (pôeta). Koa ny hafatro amin'ireo Malagasy mpiray teni- |
|
Teatra tao amin'ny IVOKOLO |
|
ndrazana, mpiray
tanindrazana dia "antoky ny fampandrosoana ny tenindrazanao, ny
tenindrazantsika, ka aza atao lovian-tsahona ka isika tompony aza tsy
mahalala, na tambohon-drazana ela nisiana ka ho ravarava eo
am-piarovam-bohitra fa andeha homena ny hasiny sy satany!" "Hajaiko ny teniko, ho fanilo hanazava ny taniko" Mankasitraka feno ny mpanaraka ny Pôetawebs rehetra ny tenako, ary mankatelina ny mpanatontosa ny fandaharana! Misaotra tompoko Léa Fandresena Mankasitraka anao ihany koa dia mirary soa indrindra. |
©
Pôetawebs
|