Nasondro-daharana ho
Mpikambana Mahefa eo anivon'ny Akademiam- pirenena Malagasy ny pôeta Ny
Malodohasaha (Narivelo Rajaonarimanana) izay mpikambana mavitrika ao
amin'ny Pôetawebs. Mpamokatra sorapiainana sy mpanolotsaina ary
anisan'ireo mpitantana izy ao amin'ity fikambanana Pôetawebs ity.
Toy izao no azo amintinana ny momba azy.
Pôeta nanomboka namoaka asasoratra tao amin'ny gazety Hehy Ny
Malodohasaha tany amin'ny taompolo 70 tany. Namorona ny tranonkala
haisoratra.org izy, azo lazaina ho loharanon'ny tranonkalan'ny
literatiora malagasy.
Mpampianatra ao amin'ny oniversite Parisy (INALCO) ity Profesora
elanihetezana ity ary mpikaroka ao koa, ka ireto no tena angadiny:
lexicographie, histoire lexicale des langues austronésiennes; langues
et identités, manuscrits arabico-malgaches.
Ankoatra ireo vokatry ny asa sy ireo boky fianarana fitsipi-pitenenana
maro navoakany dia mpamokatra diksionera sy rakibolana izy, ka andeha
hotsongaina ireto santionany ireto: Dictionnaire
français-malgache (1993), Dictionnaire du malgache contemporain (1995),
Dictionnaire malgache dialectal-français (1996), Rakibolana ho an’ny
ankizy (2012), Rakibolan’ny mpianatra (2019)...
Marihina fa ity fanondrotan-daharana ity dia notontosaina teny amin'ny
Akademiam-pirenena Tsimbazaza ny 28 Ôktôbra 2021, fotoana
nanatanterahana ny fifamindram-pahefana teo amin'ny filohany teo aloha,
Raymond Ranjeva, sy ny filohany vaovao, François Rajaoson.
Mirary ny hitohizan'ny fahombiazany eo amin'ny sehatry ny teny sy ny
literatiora ny mpiara-miasa rehetra ato amin'ny Pôetawebs.
Toetra Ràja sy Tsikimilamina
Rakotomavo
|