Fantaro
i...
Clarisse ANDRIAMAMPANDRY RATSIFANDRIHAMANANA
(1926-1987) — Fandalinan'i Hanitr'Ony1 — Clarisse Hortense Ravaoarisoa Andriamampandry2 no tena anarany feno. Mpanoratra malagasy amin’ny teny malagasy izy, teraka ny 5 desambra 1926 tao Fenoarivo-Atsinanana, Madagasikara, zanak'i Dokotera Andriamampandry Pierre sy Ramatoa Razafindrabodo3. Nanambady ny Dokotera Henri Ratsifandrihamanana izy ny taona 1946 ary niteraka valo mianadahy izy ireo. |
Nanoratra
hatramin’ny fahatanorany izy (16 taona) ary
nifantoka feno tamin’ny fanoratana taorian’ny namoizany ny zanany vavy
fahatelo tamin'ny taona 19504. Hoy indrindra izy : “Ny tambatry ny tononkalo voalohany eto am-pelantanako dia nosoratako teo amin’ny faha-16, faha-17, faha-18 taonako” Hoy
koa izy mikasika ny tantara
FAHAVARATRA: “Ny
taona 1947, nahavoa famaizana anay mivady tany Grandes Comores no
nanoratako ny tantara FAHAVARATRA. 21 taona aho tamin’izany”
Mpanoratra tena mamokatra tokoa izy ary manoratra ny karazana haisoratra rehetra, isan’ireo manome lanja indrindra ny literatiora malagasy ny vokatr’asasorany, efa mihoatra ny telo amby roapolo isa (tantara foronina, sombintantara, tononkalo, tantara an-dampy na an-tsehatra, angano, andrana sy fanadihadiana...) ary mbola maro no tsy voatonta. Fantatra amin’ny maha mpanoratry ny tolona amin’ny alalan’ny teny izy, fa miresaka momba ny fitiavana, ny fiainana ihany koa. Nahazo loka maro ny asasorany. Fikambanan’ny Mpanoratra nisy azy, na ny teto amin’ny firenena, na teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena4
Santionany amin’ireo boky sy asasorany nalaza indrindra, na nahazoany loka
|
Ny asa nosahaniny4
Andraikitra ara-piarahamonina4
Fivoriana iraisam-pirenena natrehiny amin’ny maha-Mpanoratra azy4 |
- - - - - - - - - - - - - - - - - |
Leningrad, Rosia (1971): Fankalazana ny faha-150 taona
nahaterahan’i Pouchkine. Ny famelabelarana nataony tamin’izany
dia
voarakitra ao amin’ny “Karoka ho fampandrosoana ny literatiora”. Kazakhstan (1973): Fihaonambe iraisam-pirenena faha-dimin’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Armenia (1973): Fihaonamben’ny Tononkalo (Symposium de la Poésie) La Réunion (1975): Fankalazana ny taona iraisam-pirenena natokana ho an’ny vehivavy Rosia (1977): fitsidihan-tany Angola (1979): Fihaonambe iraisam-pirenena faha-enin’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Maorisy (1979) : Fivoriana iraisam-pirenen’ny Mpanoratra nokarakarain’ny Vondron’ny Mpanoratra Maorisiana Georgia (1980) : Fitsidihana ny « Palais de repos et de création de l’Union des écrivains soviétiques» Mongolia (1980) : Fihaonambe iraisam-pirenen’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Vietnam, Kampuchéa (1980) : Fivorian’ny Vondron’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Alzeria (1983): Fihaonan’ny Mpanoratra Arabo sy Afrikana Ouzbekistan (1984): Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Bolgaria (1984): Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Rosia (1985): Fihaonan’ny Mpanoratra Sôvietika sy Malagasy Alemaina (1985): Fitsidihan-tany (visiteur international) Korea (1986) : Fihaonan’ny Mpanoratra Afrô-Asiatika Congo Brazzaville (1987): Symposium international des Poètes et Ecrivains contre l’apartheid |
Voafaritra ao amin'ny
fandaharam-pianarana ho an'ny ambaratonga faharoa ny fandalinana an'i
Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Nahazo ny mari-boninahitra Officier de l'Ordre National izy. Nodimandry ny 28 jona 1987 tao Antananarivo i Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana. Mitoetra ao am-pon'ny maro anefa ny asasorany ary mbola mitohy ny fanapariahana izany hatramin'izao fotoana izao araka ny voalazan'i Bodo Tantely zafikeliny: "Ny
boky farany navoaka taona vitsivitsy lasa izay dia "roman" 2 mitondra
ny lohateny hoe "lohataona sy ririnina" sy "ramose". Efa namoaka boky
tononkalo misy ireo potipotika tononkalo nosoratany teny amin'ny
sombin-taratasy rehetra eny, mitondra ny lohateny hoe "Pitik'onja"".
Marihina fa manana fifandraisana manokana taminy tokoa ity zafikeliny ity araka izao voalazany izao: "Tena
betsaka aloha raha ny fahatsiarovana taminy, azon'ny tena akaiky
taminy aho, notantarainy ny fiainany rehetra. Ny nenifarako Lila
Ratsifandrihamanana no efa manoratra boky momba azy mivady ary efa
an-dalana ny fivoahany".
|
|
Indro
misy tononkalo iray anehoany ny toeran’ny Vehivavy eo amin’ny
tantaram-piainana sy ny tantaran’izao tontolo izao.
ATi-SITRAKA HO AN’NY VEHIVAVY Ny
vehivavy ve? – Moa tsy
bikabika FA
NY VEHIVAVY ROAPOLO TAONA NY
TELOPOLO TAONA NY
EFAPOLO TAONA NY
DIMAMPOLO TAONA NY
ENIMPOLO TAONA NY
FITOPOLO TAONA NY
VALOPOLO TAONA Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana Indreto
koa misy
ampahan-dahatsoratra notsongaina tao amin’ny "Lavakombarika" izay mitahiry sombintantara enina ambin’ny folo
nosoratan’i Clarisse Ratsifandrihamanana, maneho an-tsoratra ny amin’ny teny tsotra
voafantina ny hakanton’ny Teny Malagasy, ny toetry ny Olombelona ary ny
rafi-piaraha-monina sy ny rarim-piainana nisy teo amin’ny vanim-potoanany:
"Nihorohoro
ny vahoaka, nanombinana ny tahiry ambata; izay tsy nanana ny vonona dia
nivarotra kely: vokatry ny tany,
ankoho amam-borona" "Tsy matahotra mpamosavy aho, Miandry razana, ary indrindra moa Iza aho ?" "I Sely? - tena renibeko mihitsy! Ary satria ny vadin'ny renibeko dia dadabeko... dia vonjeo aho rey olona, ampahafantaro ahy: Iza aho? ... ny tenako vadin'i Sely, renibeko i Sely ka moa Dadaben'ny tenako aho? Mila ho adala ny lohako: Iza aho?" (Iza aho?, p. 151) "Taizan-drenikely, hono, i Dadabenay, dia iray amin'irony renikely tsy mataho-voamason-jaza, mpanongo mangina, mpanao zara-vilana eo am-pisakafoana." (Ny taolan'i Mampikomy, p.124) "Toy
ny rivotra mihevaheva eny amin'ny rindrin'efitro ny matoatoan'i Dada,
ny masoko mandavaka ny haizina dia
indreo mahita ny halohalon'ny tsanganany ary ny tara-pahazavan'ny diavolana misisika eny amin'ny
elanelam-baravarankeliko dia toy ny hanatitra ny fijeriny..." (Matoatoa, p. 35) Clarisse Andriamampandry Ratsifandrihamanana |
___________________________________ 1Nisy fanitsiana tamin'ny 22/02/2021 araka ny toromarik'i Lila Hanitra Ratsifandrihamanana 2Araka ny fanampim-panazavana nentin'i Bodo Tantely zafikeliny, "ny anarany tena feno dia Clarisse Hortense Ravaoarisoa Andriamampandry". 3Araka ny fanampim-panazavana nentin'i Bodo Tantely zafikeliny, ny anaran'ny reniny dia Ramatoa Razafindrabodo 4Araka ny fanitsiana nentin'i Lila Hanitra Ratsifandrihamanana |
Pôetawebs©2018
|
Date de dernière mise à jour : 22/02/2021